Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hery Fotsiny ve Andriamanitra?

Hery Fotsiny ve Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Hery Fotsiny ve Andriamanitra?

MARO no gaga rehefa mandinika ny zavaboary, ka lasa mino hoe misy hery hafakely any ho any namorona ny zava-drehetra. Mahavariana anao ve izao rehetra izao be pitsiny? Talanjona ve ianao mandinika ny zavaboary sy ny fomba hafakely nanamboarana ny vatan’olombelona?

Raha izany no izy, dia azo antoka fa resy lahatra ianao hoe avy amin’ny herin’Andriamanitra izany. Misy fivavahana mampianatra fa eny an-tendrombohitra, na eny amin’ny hazo, na eny amin’ny lanitra, na eny amin’ny zavatra hafa hita maso no misy azy io. Misy kosa mino fa mitambatra ny fanahin’ny razana tsara sy ratsy, ka lasa hery hafahafa antsoina hoe Avo Indrindra na Andriamanitra.

Na ahoana na ahoana anefa, dia mino ny ankamaroan’ny olona fa hery fotsiny Andriamanitra, ary tsy manana ny maha izy azy. Sarotra amin’ny olona sasany ny mino hoe misaina Andriamanitra, ary manana fihetseham-po sy fikasana ary faniriana. Manana ny maha izy azy tokoa ve Andriamanitra? Mamaly an’izany tsara ny Baiboly, izay anisan’ireo boky masina tranainy indrindra sy miely patrana ankehitriny.

Ahafantarana an’Andriamanitra ny fandinihana ny olombelona

Milaza ny Baiboly fa noforonina hitovy toetra amin’Andriamanitra ny olona. Milaza, ohatra, ny Genesisy 1:27 fa ‘noforonin’Andriamanitra araka ny endriny ny olona.’

Tsy midika izany hoe tena hoatran’Andriamanitra mihitsy ny olona voalohany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe fanahy tsy hita maso Andriamanitra, fa ny olombelona kosa namboarina avy tamin’ny vovoky ny tany, izay azo tsapain-tanana. (Genesisy 2:7; Jaona 4:24) Na izany aza, dia manampy antsika hahalala an’Andriamanitra ny fandinihana ny toetran’ny olombelona.

Manana hery, ohatra, ny olombelona, ary afaka manao zavatra efa noeritreretiny tsara. Mety ho ny hatsaram-panahiny no mahatonga azy hanao izany, na koa ny fahaizany misaina, na ny fahendreny, na ny fitiavany ny rariny. Manana fihetseham-po isan-karazany koa ny olona: Manana fitiavana, na fankahalana, na hatezerana. Samy manana ny fomba ampisehoany an’ireo fihetseham-po sy toetra ireo ny tsirairay, ka izay no tsy itovizantsika. Izany no mahatonga ny olona ho samy manana ny maha izy azy.

Andriamanitra àry ve dia hamorona olombelona be pitsiny toy izany, raha izy aza tsy manana ny maha izy azy, fa hery mihevaheva fotsiny any amin’ny faritra ara-panahy? Raha natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, dia azo antoka fa misy lafiny maro itovizany amintsika. Diniho izao:

Manana anarana Andriamanitra. Hoy ny Isaia 42:8: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” Tiany ho fantatry ny olona izany anarany izany. Milaza koa ny Salamo 113:2, 3 hoe: “Hisaorana anie ny anaran’i Jehovah manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra! Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany, dia hoderaina ny anaran’i Jehovah.” Mihevitra an’Andriamanitra ho manana ny maha izy azy àry ny mpivavaka aminy, matoa mampiasa matetika ny anarany.

Iray ihany Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa iray ihany ny Andriamanitra marina. (1 Korintianina 8:5, 6) Hoy koa ny 2 Samoela 7:22: “Lehibe tokoa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Fa tsy misy tahaka anao, ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao.” Milaza koa ny Deoteronomia 4:39 fa i Jehovah no “tena Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ary tsy misy afa-tsy izy.”

Halan’i Jehovah Andriamanitra ny faharatsiana. Raha tsy manana ny maha izy azy Andriamanitra, dia tsy afaka hankahala toy izany. Milaza amintsika ny Baiboly fa halan’ny Mpamorona “ny maso miandranandrana, ny lela fandainga, ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny, ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra maika hihazakazaka hanao ratsy, ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga, ary izay rehetra mampisy fifandirana eo amin’ny samy mpirahalahy.” (Ohabolana 6:16-19) Mariho fa halan’Andriamanitra ny fihetsika mitondra fahavoazana ho an’ny hafa. Ianarantsika avy amin’izany fa miahy izay hahasoa antsika Andriamanitra, ary halany ny zavatra mety hampidi-doza antsika.

Andriamanitra fitiavana i Jehovah. Hazavain’ny Baiboly fa tena tia “an’izao tontolo izao” Andriamanitra. (Jaona 3:16) Voalaza ao fa toy ny ray tsara fanahy maniry ny tsara indrindra ho an-janany izy. (Isaia 64:8) Hahazo fitahiana maro ny olombelona raha mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny Ray be fitiavana.

Afaka ny ho naman’Andriamanitra ianao

Hitantsika teo fa milaza ny Baiboly hoe manana anarana ny Mpamorona, ary manana ny toetra maha izy azy. Manana hery izy, ary afaka manao zavatra efa noeritreretiny tsara. Ny hatsaram-panahiny, sy ny fahendreny, ary ny fitiavany ny rariny no mahatonga azy hanao izany. Tsy lavitra loatra izy na koa hoe sarotra hatonina. Nilaza kosa izy hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—Isaia 41:13.

Hanome fitahiana ho an’ny olona Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Salamo 37:29) Hahay hifandray kokoa aminy isika ary hahazo ny fitahiana omeny an’ireo namany, raha fantatsika fa iray ihany Andriamanitra sady manana ny mampiavaka azy.—Deoteronomia 6:4, 5; 1 Petera 5:6, 7.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Manana anarana ve Andriamanitra?—Isaia 42:8.

● Andriamanitra iray ihany ve no ivavahan’ny olona?—1 Korintianina 8:5, 6.

● Afaka mifandray amin’ilay tena Andriamanitra ve ny olombelona?—1 Petera 5:6, 7.

[Sary, pejy 29]

Andriamanitra ve dia hamorona olombelona be pitsiny toa antsika, raha izy aza hery fotsiny tsy manana ny maha izy azy?