Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Andriamanitra

Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Andriamanitra

Tsy Nahafoy Ahy Mihitsy Andriamanitra

Notantarain’i Victoria Colloy

Hoy ny dokotera tamin’i Neny: “Afa-nenina izahay. Tsy maintsy mitondra tehina sy vy fanitsiana tongotra ny zanakao mandra-pahafatiny.” Kivy be aho! Inona no ho vitako raha tsy afa-mandeha aho?

TERAKA tamin’ny 17 Novambra 1949 aho, tany Tapachula any Chiapas, eto Meksika. Zaza tomady sy falifaly aho, ary izaho no zokiny indrindra aminay efatra mianadahy. Tsy nandady tampoka anefa aho tamin’izaho enim-bolana ary nihanalemy. Nalemy tanteraka aho roa volana taorian’izay. Gaga ny dokotera satria nisy zaza hafa koa tany Tapachula voan’ilay aretina. Nisy dokotera mpanitsy taolana avy any Mexico àry tonga nizaha anay. Fantatra fa voan’ny poliomelita na lefakozatra izahay.

Nodidiana maoja sy lohalika ary kitrokely aho tamin’izaho telo taona. Nisy soritr’aretina koa ny soroko havanana, tatỳ aoriana. Notsaboina tany amina hopitalin’ankizy tany Mexico aho, tamin’izaho enin-taona. Nipetraka tao amin’i Bebe aho tany, satria i Neny niasa tao amina toeram-pambolena tany Chiapas. Tany amin’ny hopitaly foana anefa ny androatokom-piainako.

Efa mba nihatsara aho tamin’izaho valo taona teo ho eo, saingy nihanalemy indray tatỳ aoriana. Nilaza ny dokotera avy eo fa tsy maintsy mitondra tehina sy vy fanitsiana tongotra aho mandra-pahafatiko.

Mbola tsy feno 15 taona akory aho dia efa nodidiana in-25. Nodidiana, ohatra, ny hazondamosiko, ny tongotro, ny lohaliko, ny kitrokeliko, ary ny rantsantongotro. Nampianarina hampiasa rantsambatana aho tamin’izany. Nasiana platira ny tongotro taorian’ny fandidiana. Nasaina nanazatra ny tongotro aho, rehefa nesorina ilay platira, ka nanaintaina be.

Nahazo fampaherezana

Nodidiana aho tamin’izaho 11 taona. Tonga nitsidika ahy i Neny rehefa nihasitrana aho. Nomeny gazety Ny Tilikambo Fiambenana aho. Gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Tao no nahalalany fa nanasitrana ny marary i Jesosy, ary nanatanjaka ny malemy mihitsy aza. Nafeniko tao ambany ondana ilay izy, kanjo tsy tao intsony indray andro. Hay hitan’ny mpitsabo mpanampy ilay izy ka nalainy. Bedin-dry zareo aho fa namaky azy io.

Tonga avy tany Chiapas i Neny, herintaona tatỳ aoriana, mba hitsidika ahy. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy tamin’izay. Nomeny boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray aho. * Hoy izy: “Tsy maintsy mianatra Baiboly indrỳ raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao, ka hositranin’i Jesosy.” Nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelona àry aho tamin’izaho 14 taona, na dia nanohitra aza i Bebe. Navoakan’ny hopitaly aho ny taona nanaraka, satria hopitalin’ankizy ihany izy io.

Niatrika zava-tsarotra

Kivy tanteraka aho. Nanohitra i Bebe ka voatery nody tany amin’ny ray aman-dreniko tany Chiapas aho. Mpisotro toaka anefa i Dada ka nampisy olana maro tao an-trano. Nisy fotoana aho te ho faty ka nieritreritra ny hihinana poizina. Niova hevitra anefa aho rehefa nanohy nianatra Baiboly. Nahafaly ahy ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe ho lasa paradisa ny tany.

Nanomboka nitory momba ny fampanantenana kanto ao amin’ny Baiboly aho. (Isaia 2:4; 9:6, 7; 11:6-9; Apokalypsy 21:3, 4) Natao batisa aho tamin’ny 8 Mey 1968 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, ary 18 taona aho tamin’izay. Nanokana 70 ora mahery isam-bolana aho, nanomboka tamin’ny 1974, mba hitoriana ilay fanantenana nahatonga ahy ho tia miaina.

Nahita vokatra sy afa-po tamin’ny fiainana

Nifindra teto Tijuana izahay sy Neny tatỳ aoriana. Atỳ akaikin’ny sisin-tany manasaraka an’i Meksika sy Etazonia izy io. Mety tsara aminay ny tranonay. Mbola afaka mivezivezy eran’ny trano amin’ilay tehina sy ilay vy fanitsiana tongotra aho. Mipetraka eo amin’ny seza misy kodiarana aho rehefa mahandro sakafo, manasa sy mipasoka. Manana fiara kely mandeha herinaratra natao ho ahy manokana aho, ka io no entiko rehefa manompo.

Mitory amin’ny olona eny an-dalana sy any an-tranony aho. Matetika koa aho no mankany amin’ilay hopitaly eo akaikinay, ary mitory amin’izay marary miandry eo ivelany. Miantsena aho rehefa avy any, ary mividy izay ilainay sy Neny. Mody aho avy eo mba hanampy azy hahandro sy hanao raharaha.

Mivarotra akanjo efa niasa aho mba hivelomanay. Efa 78 taona izao i Neny ka tsy mahavita zavatra mafy intsony. Intelo nihetsika mantsy ny aretim-pony. Izaho no mikarakara azy satria mitandrina sakafo sy mihinam-panafody izy. Miezaka mamonjy ny fivorian’ny fiangonana foana izahay na dia samy osa aza. Efa mpitory koa izao ny 30 mahery amin’ny olona nampianariko Baiboly.

Mino aho fa tsy maintsy ho tanteraka ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe: ‘Amin’izany fotoana izany [ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra] dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra.’ Mampahery ahy foana ity andinin-teny ity: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.”—Isaia 35:6; 41:10. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1958, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 18 Maty ny 30 Novambra 2009 i Victoria Colloy, rehefa 60 taona. Maty ny 5 Jolay 2009 ny reniny.

[Sary, pejy 12]

Tamin’izaho fito taona, efa nisy vy ny tongotro

[Sary, pejy 13]

Nandeha nanompo, nitondra fiara kely mandeha herinaratra natao ho ahy manokana