Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Nety ve ny Nataon’izy Ireo?

Vakio ny Nomery 13:1, 2, 25-33; 14:3, 6-12. Jereo amin’izay ilay sary, ary soraty eo ambany ny valin-teninao.

1. Nahoana ny ankamaroan’ireo mpitsikilo no niresaka zavatra ratsy momba an’ilay tany?

․․․․․

2. Inona no vokatry ny tenin’izy ireo?

Vakio ny Nomery 14:26-38.

․․․․․

3. Nahoana i Josoa sy Kaleba no natoky fa handresy ny Israelita?

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Raha manana olana ianareo ao an-trano, inona no hataonao mba hanahafana an’i Josoa sy Kaleba, fa tsy hanao hoatran’ireo mpitsikilo folo?

FANTATRAO TSARA VE NY APOSTOLY PETERA?

4. Iza avy no iantsoana an’i Petera ao amin’ny Baiboly? (Misy dimy izy ireo.)

Vakio ny Matio 10:2; 16:16; Jaona 1:42; Asan’ny Apostoly 15:14.

․․․․․

5. Nanambady ve i Petera?

Vakio ny 1 Korintianina 9:5.

․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no tantara ao amin’ny Baiboly miresaka an’i Petera, ka tena tianao? Inona no toetrany tianao, ary inona no hataonao mba hitovy toetra aminy?

HO AN’NY ANKIZY

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

ATO AMIN’ITY GAZETY ITY

Valio ireto fanontaniana ireto, ary fenoy ny andinin-teny banga.

PEJY 7 Zavatra manao ahoana no tokony holazaintsika amin’ny namantsika? Efesianina 4:․․․

PEJY 8 Inona no soa ho azonao raha mahalala ny marina ianao? Jaona 8:․․․

PEJY 11 Hatao ahoana ilay fahavalo farany? 1 Korintianina 15:․․․

PEJY 24 Inona no tokony handosirantsika? 1 Korintianina 6:․․․

● Valiny, pejy 13

VALIN’NY PEJY 31

1. Natahotra izy ireo sady tsy natoky an’i Jehovah.—Nomery 14:3, 11.

2. Maty tany an-tany efitra ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra, afa-tsy i Josoa sy Kaleba.

3. Natoky izy ireo hoe hanampy azy i Jehovah.—Nomery 14:9.

4. Simona, Petera, Simona Petera, Kefasy, ary Simeona.

5. Eny.