Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fivavahana ve no Diso?

Ny Fivavahana ve no Diso?

Ny Fivavahana ve no Diso?

HOY i Jonathan Swift, mpitondra fivavahana sady mpanoratra teo am-piandohan’ny taonjato faha-18: ‘Mahatonga antsika hifankahala fa tsy hifankatia ny fivavahana.’ Maro no milaza hoe mampisaratsaraka ny fivavahana, fa tsy mampiray saina. Tsy ny rehetra anefa no manaiky izany.

Diniho, ohatra, izay hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Sampan-draharaha Mandalina ny Fihavanana, ao amin’ny Oniversiten’i Bradford, any Royaume-Uni. Nirahin’ny fampitam-baovao iray (BBC) izy ireo mba hamotopototra hoe mampihavana sa mampiady ny fivavahana.

Izao no tatitra nataon’ireo mpikaroka ireo: “Rehefa nodinihinay ny fikarohana nataon’ny manam-pahaizana samihafa, dia hitanay fa vitsy tamin’ireo ady tato anatin’ny 100 taona no tena avy amin’ny fivavahana.” Nanazava izy ireo hoe “vokatry ny fanindrahindram-pirenena, na fitadiavana fahafahana, na fiarovan-tena, raha ny marina” ny ady sasany, nefa “asehon’ny fampitam-baovao sy ny zavatra hafa ho ady eo amin’ny mpiara-mivavaka na olona samy hafa fivavahana.”

Maro anefa no milaza fa mankasitraka sy manohana an’ireo ady maro ny mpitondra fivavahana, na tamin’ny zavatra nataony izany na noho izy ireo nangina fotsiny. Manaporofo izany ireto tenin’olona ireto:

● “Saika ny herisetra eran-tany no misy ifandraisana amin’ny fivavahana. ... Tato ho ato, dia nifamely tamin-kerisetra ireo Kristianina tsy tia fanovana any Etazonia, ny Silamo sy Jiosy romotra any amin’ireo tany manodidina an’i Israely, ny Hindoa sy Silamo tia ady any Azia Atsimo, ary ireo tompon-tany mpivavaka any Afrika sy Indonezia. ... Ny fivavahana no nampiasain’izy ireo hampijoroana ny heviny ara-politika sy hanamarinana ny valifatiny.”—Fampihorohoroana Amin’ny Anaran’Andriamanitra: Mihamahery Setra ny Mpivavaka (anglisy).

● “Mahatsikaiky fa ny firenena misy mpivavaka mafana fo no tena anjakan’ny faharatsiana, matetika. ... Tsy nahasakana ny heloka bevava mahatsiravina ny habetsahan’ny fivavahana. ... Raha te hanana fiainana tsy mampidi-doza, mendrika, milamina, sy ‘mivoatra’ àry ianao, dia aza mankany amin’ny toerana be fivavahana.”—Fankahalana Masina (anglisy).

● “Mpiady no tena ahafantarana ny Batista fa tsy mpampihavana. ... Nampizarazara [an’i Etazonia] sy ireo antokom-pivavahana tany ny resaka fanandevozana sy ny zavatra hafa, tamin’ny taonjato faha-19. Notohanan’ny Batista tany avaratra sy tany atsimo ilay ady, ka nolazainy fa fomba mety tsara hanehoan-kevitra izany ary nomba azy ireo Andriamanitra. Teo koa ny Batista rehefa raikitra [ny adin’i Etazonia] tamin’i Angletera (1812) sy Meksika (1845) ary Espaina (1898). Nolazainy fa ara-drariny [ilay ady tamin’i Meksika sy Espaina] satria ‘nitondrana fahafahana ara-pivavahana ho an’ireo mijaly sady nanokafana toerana hiasan’ny misionera.’ Tsy hoe naleon’ny Batista ady toy izay filaminana, fa rehefa nisy ny ady dia nanohana sy nandray anjara izy ireo.”—Famakafakana sy Fanazavan’ny Gazety Batista (anglisy).

● “Hitan’ny mpahay tantara fa saika tamin’ny fotoana rehetra dia ny fivavahana no nandrisika ny olona hiady, tany amin’ny firenena sy kolontsaina samihafa. Hitan’izy ireo koa fa ny fivavahana matetika no nandrisika ny andaniny sy ankilany hiady. Ilay fitenenana mahazatra hoe ‘momba antsika ireo andriamanitra’ no anisan’ny mandaitra sy tranainy indrindra amin’ny fandrisihana olona hiady.”—Rakipahalalana Momba ny Ady sy Fandrosoana: Adin’ny Fivavahana, 1000-1650 (anglisy).

● “Ilain’ny mpitondra fivavahana ... ny misaintsaina lalina kokoa ny tsy fahaizany mitarika. Ilainy koa ny mampiseho an’ireo toetra tsara torin’ny fivavahany. ... Marina fa maniry fihavanana daholo ny fivavahana, nefa efa mba nahavita nampisy fihavanana ve izy ireo?”—Herisetra Amin’ny Anaran’Andriamanitra.

Nandefa mpitondra fivavahana be dia be foana hatramin’izay ny fivavahana lehibe rehetra milaza azy ho Kristianina (Katolika sy Ortodoksa ary Protestanta), mba hampahery an’ireo tafika andaniny sy ankilany ary hivavaka ho an’ireo maty sy ireo efa ho faty. Nankasitraka ny fandatsahan-dra sy nitahy ny miaramila rehetra izy ireo, rehefa nanao izany.

Marina fa mety mbola hisy hilaza hoe tsy ny fivavahana no tokony homen-tsiny rehefa misy ady. Nahavita nampihavana ny olombelona ve anefa ny fivavahana?

[Efajoro, pejy 5]

‘Nambaran’ny Reverà Charles Eaton, pasiteran’ny Fiangonana Batista eo amin’ny Lalana Madison, teny ambony polipitra omaly, fa hatao toerana fisoratana anarana ho an’ireo lehilahy te ho miaramila an-tanety na an-dranomasina ny paroasy.

‘Maromaro amin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ilay tanàna no nanao toriteny momba ny ady, isaky ny fotoam-pivavahana ny alahady maraina, ary anisan’izy ireo izy. Nampirisihiny tsy hivadika tamin’ny firenena sy ny demokrasia, na lahy na vavy, ka nasainy nandray anjara tamin’ny ady, haingana araka izay azo atao. Feno sainam-pirenena ny fiangonana maro.’—Ny Gazetin’i New York (anglisy), 16 Aprily 1917.