Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Nahoana Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Nilaza i Allison, * ankizivavy any Aostralia, fa mandreraka be azy ny any am-pianarany isaky ny alatsinainy maraina.

Hoy izy: “Samy miresaka an’izay nataony tamin’ny faran’ny herinandro ny rehetra. Hoatran’ny mahafinaritra be ny zavatra tantarainy, ohatra hoe firy ny fety nalehany, firy ny ankizilahy norohany, ary na dia ny momba ny nitsoahany polisy aza. ... Hoatran’ny mampahatahotra ilay izy nefa mahafinaritra. Amin’ny dimy maraina izy ireo vao mody, nefa tsy bedin’ny ray aman-dreniny. Mbola tsy mivoaka ny trano akory ry zareo, dia efa tsy maintsy eny am-pandriana aho.

“Anontanian-dry zareo aho avy eo hoe inona no nataoko. Inona tokoa moa? Namonjy fivoriana kristianina sy nitory. Hoatran’ny voa mafy aho satria tsy mba nanao zavatra mahafinaritra. Milaza àry aho hoe tsy nanao na inona na inona. Anontanian’izy ireo aho avy eo hoe maninona no tsy niaraka taminy.

“Hihevitra angamba ianao hoe maivamaivana kokoa aho rehefa lasa ny alatsinainy. Diso anefa ianao! Tsy tonga akory ny talata dia efa miresaka ny zavatra hataony amin’ny faran’ny herinandro manaraka ry zareo. Mipetraka fotsiny aho matetika ary mihaino azy ireo. Hoatran’ny voa be aho!”

TOY izany koa ve no iainanao isaky ny alatsinainy maraina? Toa feno zavatra mahafinaritra eny ivelany, nefa ianao hidin’ny ray aman-dreninao ao an-trano. Na koa hoe ao amin’ny toeram-pilalaovana ianao, nefa tsy avela hilalao. Tsy hoe te hanao an’izay ataon’ny ankizy rehetra akory ianao, fa mba te hifalifaly fotsiny indraindray. Iza amin’ireto, ohatra, no tena mba tianao hatao amin’ny asabotsy na alahady?

◯ mandihy

◯ mijery rindran-kira

◯ mijery filma

◯ manao fety

◯ manao zavatra hafa ․․․․․

Mila miala voly ianao. (Mpitoriteny 3:1, 4) Tian’ny Mpamorona hankafy ny fahatanoranao ianao. (Mpitoriteny 11:9) Tian’ny ray aman-dreninao hifalifaly koa ianao, na dia sarotra aminao aza ny hino izany indraindray. Ara-drariny anefa raha mampanahy ny ray aman-dreninao 1) izay hataonao sy 2) izay hiaraka hifalifaly aminao.

Ahoana anefa raha misy manasa anao handeha hivoaka nefa tsy fantatrao izay holazain’ny ray aman-dreninao? Asain’ny Baiboly mandinika tsara an’izay hataonao ianao, na tsara izany na ratsy, sy izay ho vokatr’izany. (Deoteronomia 32:29; Ohabolana 7:6-23) Inona avy àry ny safidy anananao?

SAFIDY A: MANDEHA NEFA TSY MIERA.

Antony mety hanaovanao an’izany: Te hiseho amin’ny namanao ianao hoe mahaleo tena. Mieritreritra ianao hoe mahay kokoa noho ny ray aman-dreninao, na tsy raharahainao ny heviny.—Ohabolana 15:5.

Ny vokany: Ho hitan’ny namanao fa mety hamitaka olona ianao, ka ho sahy hamitaka azy ireo koa, raha sahy mamitaka ny ray aman-dreninao. Halahelo sy ho diso fanantenana koa ny ray aman-dreninao raha tratrany ianao, ary vao mainka ianao ho voafehifehy. Hadalana ny hoe tsy hankatò ny ray aman-dreninao fa handeha fotsiny, na inona na inona ho vokany.—Ohabolana 12:15.

SAFIDY B: TSY MIERA ARY TSY MANDEHA.

Antony mety hanaovanao an’izany: Mieritreritra an’ilay fanasana ianao ary mahita fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahinao ilay izy, na tsy namana tsara ny olona sasany ho any. (1 Korintianina 15:33; Filipianina 4:8) Mety ho te handeha koa ianao fa tsy sahy miera.

Ny vokany: Raha tsy mandeha ianao satria fantatrao hoe ratsy ilay izy, dia ho hainao kokoa ny hilaza ny hevitrao amin’ny namanao. Raha tsy mandeha kosa ianao satria tsy sahy miera amin’ny ray aman-dreninao, dia hanjonitra fotsiny ao an-trano ary hihevitra fa ianao irery no tsy mba mifalifaly.

SAFIDY D: MIERA DIA HO HITA EO.

Antony mety hanaovanao an’izany: Ekenao ny fahefan’ny ray aman-dreninao ary hajainao ny heviny. (Kolosianina 3:20) Tianao izy ireo ary tsy te hampalahelo azy ianao ka hoe handeha nefa tsy miera. (Ohabolana 10:1) Ho afaka hanazava ny hevitrao koa ianao.

Ny vokany: Ho tsapan’ny ray aman-dreninao fa tianao sy hajainao izy ireo. Mety havelany handeha ianao raha azony ekena izany.

Nahoana izy ireo no mety handa?

Ahoana anefa raha mandà ny ray aman-dreninao? Mety hahasosotra izany. Ho mora kokoa aminao anefa ny hanaiky an’izany raha takatrao ny fomba fiheviny. Mety ho iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto ny antony handavany:

Mahafanta-javatra sy ela niainana kokoa. Aleonao angamba milomano eny amin’ny ranomasina misy mpanara-maso, raha afaka mifidy ianao. Nahoana? Tsy hitanao daholo ny loza mety hitranga rehefa falifaly eo am-pilomanosana ianao. Tsara toerana kokoa mba hahita an’ireo loza anefa ilay mpanara-maso.

Mety hahafantatra ny loza mety hanjo anao koa ny ray aman-dreninao, satria mahafanta-javatra sy ela niainana kokoa. Toy ny mpanara-maso eny amin’ny ranomasina ihany izy ireo. Tsy ny hanakana anao tsy hifalifaly amin’ny fiainana no tanjony fa ny hanampy anao tsy ho tratry ny loza.

Tia anao. Tena te hiaro anao ny ray aman-dreninao. Tia anao izy ireo ka manaiky izay angatahinao raha azony atao, ary mandà rehefa tsy maintsy mandà. Rehefa miera amin’izy ireo ianao, dia manontany tena izy ireo hoe azony ekena ve ny fangatahanao ary ho zakany ve ny vokany raha manaiky izy. Tsy hanaiky ny fangatahanao izy ireo raha tsy rehefa resy lahatra fa tsy hisy loza hanjo anao.

Misy zavatra tsy fantany. Mailo ny ray aman-dreny be fitiavana. Azo inoana fa handa izy raha tsy mazava aminy ny zavatra angatahinao, na hitany hoe misy zavatra tsy nolazainao nefa tokony ho fantany.

Torohevitra hanampy anao

Misy zavatra efatra hanampy anao ireto, mba hahatonga ny fangatahanao heken’ny ray aman-dreninao.

Milaza ny marina: Voalohany, eritrereto amim-pahatsorana hoe nahoana ianao no tena te ho any. Izay hatao any mihitsy ve no tianao, sa ianao tsy te hailikiliky ny namanao? Sa ho any koa ilay ankizilahy na ankizivavy tianao? Faharoa, aza fitahina ny ray aman-dreninao. Efa mba tanora izy ireo, ary mahalala tsara anao. Azo inoana àry fa ho fantany foana hoe nahoana marina ianao no te handeha. Ho faly izy ireo raha mitsotra ianao. Handray soa koa ianao satria hendry izy ireo. (Ohabolana 7:1, 2) Hampihena ny fatokisany anao kosa ianao raha tsy milaza ny marina, ary vao mainka izy ireo tsy hanaiky ny fangatahanao.

Fotoana itenenana: Aza totofana fangatahana ny ray aman-dreninao raha vao tonga avy miasa na raha mbola mifantoka amin-javatra hafa. Aza iresahana izy ireo raha tsy rehefa milamindamina. Tandremo anefa sao efa akaiky loatra vao miresaka, ka eo vao hanery azy ireo hanome valiny. Tsy ho tian’ny ray aman-dreninao ny hanapa-kevitra maimaika. Mierà aloha kokoa. Hahafaly azy ireo izany fanajanao azy izany.

Izay holazaina: Lazao amin’ny an-tsipiriany ny momba an’ilay izy. Hazavao tsara izay tianao hatao. Tsy tian’ny olon-dehibe ny valin-teny hoe “Tsy haiko”, indrindra rehefa manontany izy ireo hoe: “Iza avy no ho any?”, “Hisy olon-dehibe matotra ve any?”, na “Amin’ny firy ilay izy no mirava?”

Fomba fihevitra: Aza heverina ho toy ny fahavalonao ny ray aman-dreninao. Hevero ho toy ny namanao kosa izy ireo, satria rehefa tena dinihina dia namanao tokoa izy ireo. Raha izany no fahitanao azy ireo, dia tsy ho toy ny miady aminy ianao ary ho vonona kokoa hiara-miasa aminao izy ireo. Anontanio amim-panajana ny antony, raha mandà izy ireo. Ezaho fantarina, ohatra, izay mampanahy azy, raha tsy avelany hijery rindran-kira iray ianao. Ilay mpanakanto ve no mampanahy azy? Sa ilay toerana? Sa izay hiaraka aminao any? Sa ny vidim-pidirana? Fadio ny milaza teny toy ny hoe “Tsy matoky ahy ianareo”, “Ho any daholo ny olona”, na “Ny namako avelan’ny ray aman-dreniny handeha.” Asehoy fa efa matotra tsara ianao ka manaiky sy manaja ny fanapahan-keviny. Hanaja anao koa izy ireo, amin’izay. Mety ho mora kokoa aminy, amin’ny manaraka, ny hanaiky ny fangatahanao.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

“Tena matoky ahy ny ray aman-dreniko, satria izaho hendry foana hatramin’izay. Tsy afenimpeniko azy ireo ny namako. Sahy miala ao amin’ny fety iray koa aho rehefa tsy azoazoko izay atao ao.”

[Sary]

Kimberly

[Efajoro, pejy 12]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Tianao ho fantatra ve izay heverin’ny ray aman-dreninao momba an’izay voalaza tato? Aleo àry manontany azy. Amin’ny fotoana mety, dia miresaha aminy momba ny hoe inona no mampanahy azy ireo rehefa mba te hifalifaly ianao. Mieritrereta fanontaniana iray hanontaniana azy ireo, ary soraty eto ambany izany.

․․․․․

[Sary, pejy 12]

Toy ny mpanara-maso eny amin’ny ranomasina ny ray aman-dreninao, ka tsara toerana kokoa hampitandrina anao amin’ny loza