Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba 4—Tandrovy ny Fahasalamanao

Fomba 4—Tandrovy ny Fahasalamanao

“Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Misy zavatra tsotsotra mety hanampy anao hisoroka aretina sy fanaintainana sady hanampy anao tsy ho lany vola sy fotoana.

Aoka ianao hadio foana. Hoy ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia: “Ny fanasana tanana ihany no fomba tsara indrindra hisakanana ny fiparitahan’ny otrikaretina sy hahatonga anao ho salama foana.” Voalaza fa tanana maloto no mamindra ny 80 isan-jaton’ny aretina azo avy amin’ny mikraoba. Sasao matetika àry ny tananao isan’andro, indrindra rehefa hisakafo, hikarakara sakafo, hitsabo na hikasika fery, avy nikasika biby, avy tany an-kabine, na avy nanolo zaza.

Tsara kokoa ny manasa tanana amin’ny rano sy savony noho ny mampiasa ranon-javatra fanadiovan-tanana misy alkaola. Ho salama kokoa ny ankizy raha zarina manasa tanana sy tsy avela manao tanana am-bava na mikasika maso. Manampy anao ho salama koa ny mandro isan’andro sy mampiasa akanjo sy lamba firakotra madio foana.

Mitandrema amin’ny areti-mifindra. Aza mifampikasokasoka amin’ny olona voan’ny sery na gripa ary aza mampiasa ny fitaovana fisakafoany. Mety hamindra an’ilay aretina ny rora sy lelo. Ny fanaovana firaisana sy ny fampidirana zava-mahadomelina amin’ny lalan-dra ary ny fampidiran-dra no tena mamindra ny aretina toy ny hepatita B sy C sy ny VIH/SIDA, izay mifindra amin’ny alalan’ny ra. Misy vaksiny mety hiaro amin’ny aretina sasany, nefa mitandrina foana ny hendry rehefa miaraka amin’ny olona manana areti-mifindra. Tandremo ny kaikitry ny bibikely. Aza mipetraka na matory any ivelan’ny trano rehefa be ny moka na ny bibikely hafa mpamindra aretina, raha tsy voaro ianao. Tsara ny mampiasa lay, indrindra fa ny ankizy. Mampiasà koa fanafody mandroaka bibikely. *

Ataovy madio foana ny tranonao. Ataovy madio sy milamina foana ny tranonao, na ny anatiny na ny ivelany. Aza avela hisy toerana mety hiandronan’ny rano sy hitomboan’ny moka. Tian’ny bibikely sy biby mpitondra aretina ny fako sy ny loto ary ny sakafo tsy misarona. Manamboara toeram-pivoahana raha tsy manana kabine, fa aza mivoaka etsy sy eroa. Totofy izy ireny mba tsy hanangon-dalitra, satria mamindra areti-maso sy aretina hafa ny lalitra.

Arovy ny tenanao. Araho ireo lalàna momba ny aro loza rehefa miasa, sy mitondra bisikileta na môtô na fiara. Ataovy azo antoka hoe tsy mampidi-doza ny fiaranao. Mampiasà fitaovana sy akanjo fiarovana, toy ny solomaso, aro loha, kiraro, fehikibo anaty fiara, ary tampin-tsofina. Aza mitanina andro be loatra, satria mahavoan’ny kansera izany sady mampiketrona hoditra. Aza mifoka sigara intsony. Tsy dia hatahorana harary fo, na ho voan’ny kanseran’ny havokavoka, na ho tapaka lalan-dra ianao raha izao no miala amin’ny sigara. *

^ feh. 5 Jereo ilay Mifohaza! 8 Jona 2003 hoe “Ireo Bibikely Mpamindra Aretina.”

^ feh. 7 Jereo ilay Mifohaza! Mey 2010 hoe “Ahoana no Hialako Amin’ny Sigara?”