Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Akaiky An’Andriamanitra ve Ianao Raha Mampijaly Tena?

Ho Akaiky An’Andriamanitra ve Ianao Raha Mampijaly Tena?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ho Akaiky An’Andriamanitra ve Ianao Raha Mampijaly Tena?

MAHARIKORIKO olona maro ny fampijalian-tena. Nohindrahindraina ho matahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpivavaka nampijaly tena, nikapo-tena sy nifady hanina tanteraka, ary niakanjo hodi-biby malailay. Mbola fanao hatramin’izao izany satria nilaza ny tatitra vao haingana fa na ny mpitondra fivavahana malaza ankehitriny aza mikapoka ny tenany.

Nahoana no misy mpivavaka manao toy izany? Nisy mpitondra tenin’ny fikambanana mitonona ho Kristianina nilaza fa “niaritra an-tsitrapo i Jesosy Kristy mba hanavotana antsika amin’ny ota, ka fomba iray hahatonga antsika ho tafaray sy hitovy aminy ny fanekena hijaly an-tsitrapo.” Inona kosa no lazain’ny Baiboly?

Tiavo ny tenanao

Tsy leferin’ny Baiboly ny fampijalian-tena ary tsy ampirisihiny hanao izany ny mpivavaka amin’Andriamanitra. Ampirisihiny mafy hikarakara tena kosa ireo matahotra an’Andriamanitra. Diniho ny fomba ilazan’ny Baiboly ny fiheveran’ny lehilahy ny tenany, rehefa miresaka ny fifankatiavan’ny mpivady izy. ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy. Fa tsy misy olona mankahala ny nofony, fa mamelona azy io kosa sy maneho fitiavana azy, tahaka ny ataon’i Kristy amin’ny fiangonana.’—Efesianina 5:28, 29.

Raha asaina mampijaly tena ny olona rehefa mivavaka, hisy dikany ve ny handidiana azy ho tia ny vadiny tahaka ny tenany? Mazava fa asaina ho tia ny tenany araka ny tokony ho izy ny olona tia ny toro lalan’ny Soratra Masina. Tokony ho tia ny vadiny toy izany koa izy.

Maro ny toro lalan’ny Baiboly mampirisika ny olona ho tia ny tenany. Resahin’ny Baiboly, ohatra, ny soa azo avy amin’ny fanatanjahan-tena araka ny antonony. (1 Timoty 4:8) Asehony ny soa entin’ny sakafo sasany ary lazainy ny voka-dratsin’ny sakafo tsizarizary. (Ohabolana 23:20, 21; 1 Timoty 5:23) Asain’ny Soratra Masina miezaka ho salama foana isika mba ho afaka hanao zavatra betsaka. (Mpitoriteny 9:4) Raha asaina mitandrina fahasalamana toy izany ny mpamaky Baiboly, ara-dalàna ve raha hasaina mampijaly tena koa izy?—2 Korintianina 7:1.

Tokony hampijaly tena ve ny Kristianina satria nijaly i Jesosy?

Mbola misy fikambanana mampirisika ny olona hampijaly tena ankehitriny, satria ny fijaliana niaretan’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany no ifantohany. Tantarain’ny Baiboly anefa fa tsy ny mpanompon’Andriamanitra mihitsy no nampijaly ny tenany. Nampirisika ny Kristianina hiaritra fanenjehana ny mpanoratra Baiboly rehefa nitantara ny fahorian’i Kristy, fa tsy nampirisika azy ireo hanenjika ny tenany. Tsy manahaka an’i Jesosy Kristy àry ireo mampijaly tena.

Eritrereto hoe misy vahoaka romotra mankahala sy mamely ny namana iray tianao sy hajainao. Voamarikao hoe tony izy, tsy mila ady, ary tsy mamaly mihitsy rehefa kapohina sy tenenina ratsy. Hikapoka sy hiteny ratsy ny tenanao ve ianao raha te hanahaka an’ilay namanao? Mazava ho azy fa tsia! Ilay vahoaka romotra no hotahafinao amin’izany. Hiezaka tsy hamaly faty kosa ianao raha sendra misy manafika toy izany.

Tsy asaina mampijaly tena àry ny mpanara-dia an’i Kristy. Toy ny hoe mila manahaka an’ilay vahoaka romotra nampijaly sy nitady hamono an’i Jesosy mantsy izy, raha izany. (Jaona 5:18; 7:1, 25; 8:40; 11:53) Tokony hanahaka an’i Jesosy kosa izy ireo ka ho tony sy tsy hila ady rehefa enjehina.—Jaona 15:20.

Tsy araka ny Soratra Masina

Talohan’ny nisian’ny Fivavahana Kristianina, dia efa hita fa nandrara ny Jiosy tsy hanimba ny vatany ny Soratra Masina, izay nifehy ny fiainan’izy ireo sy ny fivavahany. Noraran’ny Lalàna, ohatra, ny Jiosy mba tsy handidididy ny vatany. Fanaon’ny firenena tsy jiosy fahiny izany. (Levitikosy 19:28; Deoteronomia 14:1) Tsy tian’Andriamanitra hisy holatra vokatry ny karavasy koa ny vatana, matoa tsy tiany hodidididiana. Mazava àry ny fitsipiky ny Baiboly: Tsy eken’Andriamanitra ny minia manimba vatana.

Tian’ny mpanao zavakanto raha hajaina ny asa tanany. Tian’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona koa raha hajaina ny vatan’ny olombelona izay noforoniny. (Salamo 139:14-16) Tsy manatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra mihitsy ny fampahorian-tena, fa vao mainka manimba an’izany sady manova ny fampianaran’ny Filazantsara.

Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra momba an’ireny fampianaran’olombelona mampijaly ireny. Hoy izy: “Toa fahendrena tokoa ireo zavatra ireo, ary maneho izany izy ireo amin’ny fanarahany fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany, sy amin’ny fanehoany fanetren-tena sarintsariny, ary ny fampijalian-tena. Tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy anefa izany.” (Kolosianina 2:20-23) Tsy manampy antsika hanatona an’Andriamanitra mihitsy ny fampijalian-tena. Mamelombelona sy mora entina ary maivana kosa ny zavatra takina amin’ny tena mpivavaka.—Matio 11:28-30.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny vatan’olombelona?—Salamo 139:13-16.

● Manampy anao hiady amin’ny fanirian-dratsy ve ny fampijalian-tena?—Kolosianina 2:20-23.

● Natao hanavesatra na hanahirana ve ny fivavahana marina?—Matio 11:28-30.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Mazava ny fitsipiky ny Baiboly: Tsy eken’Andriamanitra ny minia manimba vatana

[Sary, pejy 10]

Mpanao fivahiniana masina, mandady mankeny amin’ny fiangonana iray

[Sary nahazoan-dalana]

© 2010 photolibrary.com