Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fandatsahana Atodin’ny Fanenitra Mpandoaka Hazo

Ny Fandatsahana Atodin’ny Fanenitra Mpandoaka Hazo

Nisy Namorona Ve?

Ny Fandatsahana Atodin’ny Fanenitra Mpandoaka Hazo

● Mametraka ny atodiny any anaty hazo kesika ny fanenitra mpandoaka hazo, ary nanome hevitra ny mpahay siansa izany. Lasa te hanamboatra fitaovana tsy mampidi-doza sy mandaitra kokoa mba hampiasaina amin’ny fandidiana izy ireo.

Diniho izao: Ilay fantsona kely fandatsahany atody no ampiasain’ny fanenitra handoahana ny hodi-kazo. Toy ny fanjaitra izy io, ary misy sosona na “valva” feno kinifinifiny eo amin’ny andaniny roa. Mandoaka an’ilay hazo ny kinifinifin’ny valva iray ary mamikitra, fa ilay faharoa kosa miditra tsimoramora. Ny kinifinifin’io valva faharoa io indray avy eo no mandoaka sy mamikitra, fa ilay voalohany miditra tsimoramora. Mifandimbindimby haingana toy izany ireo valva roa, ka efa ho 20 milimetatra ny halalin’ilay loaka. Tsy mandreraka izany ary tsy miforitra na tapaka ilay fandatsahana atody.

Nahita hevitra ny mpahay siansa, ka nanamboatra modelina fitaovana mitovy fomba fiasa amin’ny fandatsahana atodin’ny fanenitra. Vita amin’ny silisiôma ny fanjaitran’izy io ary misy valva roa feno kinifinifiny bitika. Afaka mitsofoka any amin’ny atidoha izy io nefa zara raha manimba zavatra. Milaza koa ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy) fa “malefaka tsy toy ireo fitaovana henjana fampiasa ankehitriny ilay izy. Ho afaka hitsofotsofoka any amin’ny lalana azo antoka indrindra ao amin’ny atidoha izy io. Handalovany fotsiny, ohatra, ireo faritra atahorana hiharan-doza mandritra ny fandidiana.” Hihena koa ny isan’ny faritra mila tatahana, rehefa hitsabo ny faritra sarotra azo ao amin’ny vatana.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fandatsahana atodin’ny fanenitra mpandoaka hazo sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Misintona miakatra ny valva iray ary mamikitra amin’ilay hazo ireo kinifinifiny, rehefa manosika midina sy mandoaka an’ilay hazo ny valva iray

Hazo

Tosika mifandimbindimby

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Fanenitra: David R. Lance, USDA APHIS PPQ, Bugwood.org; kisarisary: J. F. V. Vincent and M. J. King, (1996). The mechanism of drilling by wood wasp ovipositors. Biomimetics, 3: 187-201