Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Anao’

‘Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Anao’

‘Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Anao’

MAHAGAGA ny zavatra vitan’ny biby sasany. Mba te hahavita ny vitan’izy ireny ve ianao indraindray? Angamba ianao te hahay hanidina toy ny lohovava, hilomano toy ny feso, hihazakazaka toy ny kary, na te hatsilo maso toy ny voromahery.

Mahagaga tokoa ny fahaizan’ny biby sasany, saingy tsy latsak’izany ny antsika. Voalaza fa toy ny milina tonga lafatra ny vatan’olombelona. Ambony lavitra noho ny milina aza isika. Tia mamoron-javatra sy tia karokaroka ary mahay isika, ka lasa te hamorona milina mahavita an’izay rehetra eritreretintsika hatao. Afaka manidina haingana kokoa noho ny hafainganam-pandehan’ny feo, ohatra, isika, afaka mamakivaky ranomasimbe sy mandeha any ambaniny, mijery any amin’ny an’arivony tapitrisa kilaometatra any ambony tsy taka-maso any, mandinika ny sela, ary mamorona fanafody na fomba fitsaboana manampy antsika hamantatra sy hitsabo aretina.

Mahavita zavatra mahatalanjona ny olona salama sy tsara ofana, na dia zara raha misy fitaovana manampy azy aza. Tena havanana sy kinga ary mahay, ohatra, ny atleta amin’ny Lalao Olympika, ka mahavariana an’ireo mpijery. Anisan’izany ny mpitsoraka anaty rano, mpikorisa amin’ny ranomandry, sy ny hafa.

Ankasitrahanao ve ireo fahaizana manokana nomena antsika olombelona? Mety tsy ho atleta amin’ny Lalao Olympika ianao nefa manana fahaizana maro tokony hahavelom-pisaorana anao. Nisaotra an’Andriamanitra ny mpanoratra Baiboly iray fahiny, ka nihira toy izao: “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.” * (Salamo 139:14) Eritrereto izany eo am-pamakiana an’ireo lahatsoratra manaraka, izay manazava bebe kokoa momba ny zava-mahatalanjona sasany amin’ny vatan’olombelona sy ny toetra hafa mampiavaka antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Angataho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo na amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity ny bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, raha mahaliana anao ny resaka famoronana sy evolisiona (fiovana miandalana).

[Efajoro, pejy 3]

NOFORONINA MBA HITSITSY HERY

Mitsitsy hery ny vatantsika rehefa mijoro isika satria kely fotsiny ny ezaka ataon’ny hozatra. Milaza i John Skoyles, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, fa ‘mihoatra 7% monja amin’ny hery ilain’ny vatana rehefa mandry ny hery ilainy mba hijoroana.’ Ny an’ny alika kosa, hoy izy, mihoatra 70 isan-jato eo ho eo amin’ny hery ampiasainy rehefa mandry ny hery ampiasainy hijoroana amin’ny tongony efatra.