Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahaizan’ny Soka-dranomasina Mamantatra ny Lalany

Ny Fahaizan’ny Soka-dranomasina Mamantatra ny Lalany

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Soka-dranomasina Mamantatra ny Lalany

● Miainga avy any amin’ny toerana fivelomany ny soka-dranomasina ary mankany amin’ny torapasika fanatodizany. Milaza ny mpikaroka fa “anisan’ny zavatra miavaka indrindra vitan’ny biby” izany. Efa am-polony taona maro no nahaliana azy ireo io biby io.

Diniho izao: Tonga any amin’ny torapasika fanatodizany ny sokatra vavy, isaky ny roa ka hatramin’ny efa-taona. Aleviny ao anaty fasika ireo atodiny miisa 100 eo ho eo. Mankany an-dranomasina ireo zana-tsokatra, raha vao foy. Manao dia faran’izay lavitra izy ireo, avy eo. Mahatratra 12 900 kilaometatra eo ho eo izany. Miverina any amin’ilay toerana nanatodizan-dreniny indray izy ireo rehefa hanatody, taona maromaro atỳ aoriana.

Ahoana no amantarany ny lalany? Hoy i Kenneth Lohmann, mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Caroline Avaratra any Etazonia, tao amin’ny gazety Vaovaom-pirenena Momba ny Tany (anglisy): ‘Hoatran’ny hoe efa misy sarintany ao aminy.’ Izao no mety hamantaran’ilay zana-tsokatra ny toerana misy azy, araka ny fikarohana: Fantariny ny herin’ny sahan’andriambin’ny tany sy ny elanelany amin’izy io. Vitan’ireo zana-tsokatra tsy misy mpiaro àry ilay dia mamakivaky ny Atlantika. Milaza koa i Lohmann fa “mandeha irery izy ireny fa tsy manaraka sokatra hafa.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny soka-dranomasina mamantatra ny lalany, sa nisy namorona?

[Efajoro, pejy 25]

FANTATRAO VE?

● Ilaozan-dreniny ireo atody rehefa avy nototofany.

● Manana nify manokana hamakiany ny akoran’atody misy azy ireo zana-tsokatra. Mihintsana ho azy izany avy eo.

● Any an-dranomasina no andanian’ny soka-dranomasina ny ankamaroan’ny fiainany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

© Masa Ushioda/WaterF/age fotostock