Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Tena Tsy Mahomby ve Aho?

Tena Tsy Mahomby ve Aho?

“Nisy namako iray noheveriko ho ambony noho izaho foana. Hoatran’ny nety daholo izay nataony nefa izy tsy nila niezaka akory. Lasa nieritreritra aho hoe fa inona mihitsy àry no olana amiko. Izaho ihany no mampijaly ny tenako.”—Malala. *

MAHATSIARO ho tsy mahay ve ianao ka tsy sahy miatrika zava-tsarotra? Mahatonga anao tsy hatoky tena ve indraindray ny tenin’ny olona mampahery anao? Kivy ve ianao noho ny fahadisoana nataonao ka tsy te hiezaka intsony? Inona àry no azonao atao raha tena tsy mahomby ianao, na mihevi-tena ho tsy mahomby?

Tsy ho maty antoka mihitsy ianao raha mitady ny valin’io fanontaniana farany io, satria mety hanao zavatra tsy mety isika, na ho ela na ho haingana. (Romanina 3:23) Misy anefa vonon-kiarina na sendra olana aza, izany hoe tsy manaiky ho kivy fa miarina, ary miezaka indray. Azo antoka kokoa hoe hahomby izy avy eo. Inona àry no azonao atao raha matahotra ny tsy hahomby ianao, na mahatsinjo hoe tsy hahomby, na tena tsy mahomby?

RAHA MATAHOTRA NY TSY HAHOMBY IANAO → IZAY METY HITRANGA

Mieritreritra ny zavatra ratsy indrindra mety hitranga ianao, ka tsy miezaka akory satria hoe mety tsy hahomby.

Fantaro ilay olana. Iza amin’ireto no tianao ho vitanao, nefa azonao antoka fa tsy ho vitanao? Asio ✔ izany.

  • Miaro ny finoanao eo anoloan’ny mpiara-mianatra aminao

  • Mitady asa

  • Miteny eo anatrehan’ny olona maromaro

  • Manao fanatanjahan-tena

  • Mihira na mitendry zavamaneno

  • Zavatra hafa ․․․․․

Diniho tsara ilay izy. Diniho indray izay nomarihinao. Eritrereto izay tena mety hitranga ka valio ireto fanontaniana ireto:

‘Inona no tiako hitranga?’

․․․․․

‘Inona no atahorako hitranga?’

․․․․․

Soraty eto hoe nahoana no tokony handramana ilay izy, na dia mety tsy ho vita aza.

․․․․․

Ohatra ao amin’ny Baiboly. Tonga dia nieritreritra ny olana mety hitranga i Mosesy rehefa nasain’i Jehovah Andriamanitra nitarika ny firenen’Israely. Hoy izy: “Aoka anefa hatao hoe tsy mino ahy ry zareo sady tsy mihaino ny teniko.” Ny tsy fahaizany foana no nasongadiny avy eo. Hoy izy: ‘Tsy mahay mandaha-teny aho fa votsa vava sady miraiki-dela.’ Nampanantena hanampy azy i Jehovah, nefa mbola niangavy izy hoe: “Olon-kafa re irahina e!” (Eksodosy 4:1, 10, 13) Nanaiky ihany i Mosesy tamin’ny farany, ary fantatsika ny tohiny: Nanaraka ny toromarik’i Jehovah izy, ary nitarika ny Israelita nandritra ny 40 taona.

Izay azonao atao. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.” (Mpitoriteny 9:10) Ataovy amin’ny fo àry izay ataonao fa aza matahotra ny tsy hahomby. Nahoana raha mieritreritra zavatra iray tsy nampoizinao ho vita nefa vitanao tsara kokoa? Olona manao ahoana ianao matoa nahavita an’ilay izy? Nahoana no hanampy anao handresy ny tahotrao ny fahalalana an’izany?

Soso-kevitra: Raha mila torohevitra ianao, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny namana matotra afaka manampy anao hatoky tena. *

RAHA TSINJONAO HOE TSY HAHOMBY IANAO → NISEHO ILAY EFA NAMPOIZINAO

Nahavita zavatra tianao hatao ny olona iray. Mihevitra àry ianao fa tsy hahomby, satria mampitaha ny tenanao aminy.

Fantaro ilay olana. Mampitaha ny tenanao amin’iza ianao? Inona no zava-bitan’ilay olona, ka mahatonga anao hihevitra fa tsy mahomby ianao?

․․․․․

Diniho tsara ilay izy. Tsy mahomby tokoa ve ianao satria hoe nahomby ilay olona? Soraty eto ambany ny zavatra nataonao vao haingana ka vitanao tsara, kanefa nisy olona nahavita tsara kokoa noho ianao. Mety ho fanadinana tany am-pianarana izany.

․․․․․

Soraty eto hoe nahoana ianao no nila nanao an’ilay izy.

․․․․․

Ohatra ao amin’ny Baiboly. “Tezitra be” i Kaina rehefa hita fa nahazo sitraka tamin’i Jehovah i Abela rahalahiny. Nampitandrina an’i Kaina i Jehovah noho izy nialona. Nomeny toky koa anefa i Kaina hoe afaka ny hahomby izy raha tiany. Hoy i Jehovah taminy: “Tsy hisandratra ve ianao raha mba miova ka manao ny tsara?” *Genesisy 4:6, 7.

Izay azonao atao. Ekeo hoe mahavita zavatra ny hafa, fa aza manao izay “hampisy fifaninanana”, na dia ao an-tsainao aza. (Galatianina 5:26; Romanina 12:15) Ekeo koa fa misy zavatra miavaka vitanao, nefa aza mirehareha. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy.’Galatianina 6:4.

RAHA TENA TSY MAHOMBY IANAO → IZAY TENA NITRANGA

Saintsaininao ny zavatra niezahanao natao nefa tsy vitanao, ka mihevitra ianao fa tsy mila miezaka intsony.

Fantaro ilay olana. Inona no zavatra tsy vitanao ka tena mahakivy anao?

․․․․․

Mitsangana foana ny olona vonon-kiarina rehefa mianjera ary manaiky hampiana

Diniho tsara ilay izy. Tena tsy mahomby ve ianao raha tsy mahavita an’io nosoratanao io? Raha nisy zavatra tianao hatao, ohatra, nefa tsy vitanao, tena tsy misy antenaina intsony ve ny aminao? Sa mila fanampiana fotsiny ianao? Raha mianjera eo am-panaovana spaoro ianao, dia azo inoana fa hanaiky hampiana mba ho afaka hilalao indray. Nahoana raha manao toy izany koa rehefa misy zavatra tsy vitanao? Soraty eto ambany ny anaran’ny olona azonao iresahana ny olana mahazo anao. *

․․․․․

Ohatra ao amin’ny Baiboly. Kivy ny apostoly Paoly indraindray satria tsy nahavita ny zavatra tiany hatao. Hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho!” (Romanina 7:24) Takany anefa fa tsy hoe tsy nahomby izy raha nisy zavatra tsy vitany. Hoy izy: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.”—2 Timoty 4:7.

Izay azonao atao. Aza mifantoka amin’ny fahadisoanao, fa jereo koa ny zavatra tsara vitanao. Toy izany mihitsy no ataon’i Jehovah aminao. Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’—Hebreo 6:10; Salamo 110:3.

Tadidio fa tsy misy olona lavorary. Manao zavatra tsy mety daholo ny olona. Raha vonon-kiarina foana anefa ianao, dia tena hanampy anao izany rehefa lehibe ianao. Hoy ny Ohabolana 24:16: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Afaka ny ho toy izany ianao.

^ feh. 3 Novana ny anarana.

^ feh. 23 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny Mifohaza! Mey 2010, pejy 26-28.

^ feh. 31 Tsy noraharahain’i Kaina ny fananaran’i Jehovah, ka ratsy ny vokany. Hita avy amin’izany fa mila mitandrina isika mba tsy hialona rehefa mahomby ny hafa.—Filipianina 2:3.

^ feh. 36 Handray soa ny Kristianina nanao fahotana lehibe, raha miresaka amin’ny anti-panahin’ny fiangonana.—Jakoba 5:14, 16.