Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Ilaina ny Mitandrina An’izay Lazaina?

Nahoana no Ilaina ny Mitandrina An’izay Lazaina?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana no Ilaina ny Mitandrina An’izay Lazaina?

Vao avy nifampiresaka tsara ilay praiminisitra sy ilay ramatoa be. Tsy fantatr’ilay praiminisitra anefa hoe mbola mandeha ny mikrô, ka nolazainy fa be kirina ilay ramatoa niresahany, ary nilazany ireo niaraka taminy hoe tsy tokony ho natao nanakaiky azy ilay ramatoa be. Nanafintohina ny olona izany, ary simba ny lazany ka tsy lany intsony izy tamin’ilay fifidianana natao valo andro taorian’izay.

TSY misy olona tena mahafehy ny lelany. (Jakoba 3:2) Asehon’io zava-nitranga io anefa fa ilaina ny mitandrina an’izay lazaina. Misy fiantraikany eo amin’ny lazanao sy ny asanao ary na ny fifandraisanao amin’ny hafa aza ny fomba fiteninao.

Mahavita zavatra betsaka noho izany ny teninao. Hazavain’ny Baiboly fa toy ny varavarankely mampiseho ny tena maha ianao anao ny teninao. Hoy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Matio 12:34) Tena ilaina àry ny mandinika akaiky ny fomba fiteninao. Izany no ahitana ny toe-po sy toe-tsaina mampiavaka anao. Afaka manampy anao hanao izany ve ny Baiboly? Diniho izao.

Fomba hanatsarana ny fomba fiteny

Avy ao an-tsaina ny teny lazaina. Mila manatsara ny zavatra eritreretinao ianao, raha te hanatsara an’izay lazainao. Mariho fa hisy fiantraikany eo amin’izay eritreretinao ny fampiharana ny Tenin’Andriamanitra, ka hisy vokany eo amin’izay lazainao.

Mieritrereta zavatra tsara foana. Miresaka momba an’izany zavatra tsara izany ny Baiboly. Hoy izy: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.”Filipianina 4:8.

Hanampy anao tsy hieritreritra zavatra ratsy io torohevitra mahasoa io. Tadidio fa misy heriny lehibe eo amin’ny sainao izay hitanao sy vakinao. Halaviro àry izay mety hahatonga anao hieritreri-dratsy, ohatra hoe ny fialam-boly vetaveta sy misy herisetra. (Salamo 11:5; Efesianina 5:3, 4) Mifantoha kosa amin-javatra tsara sy madio. Afaka manampy anao hanao izany ny Baiboly. Vakio, ohatra, ny Ohabolana 4:20-27; Efesianina 4:20-32; ary ny Jakoba 3:2-12. Jereo fa hanampy anao hanatsara izay lazainao ny fampiharana an’ireo toro lalana ireo. *

Avadiho impito aloha ny lela. Hoy ny Ohabolana 12:18: “Misy manao teny tsy voahevitra, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra, fa ny tenin’ny hendry kosa manasitrana.” Tsara raha mieritreritra aloha ianao vao miteny, raha hitanao fa matetika ‘manindrona’ ny hafa ny teninao. Araho ity torohevitra faran’izay tsara ao amin’ny Ohabolana 15:28 ity: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika zava-dratsy.”

Andramo atao tanjona izao, amin’ny volana ho avy: Miezaha tsy hiteny an’izay sendra ny vavanao, indrindra raha misy mampahatezitra anao. Saintsaino kosa ireo andinin-teny ato amin’ity lahatsoratra ity, ary miezaha ho hendry sy ho be fitiavana ary ho tony rehefa miteny. (Ohabolana 15:1-4, 23) Tsy izay ihany anefa.

Angataho ny fanampian’Andriamanitra. Nisy mpanoratra Baiboly nivavaka toy izao: “Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko ka hankasitrahanao Jehovah ô!” (Salamo 19:14) Lazao amin’i Jehovah Andriamanitra fa tianao ny hilaza teny mahafinaritra azy sy hahatonga ny hafa ho te hiaraka aminao. Hoy ny Ohabolana 15:23: “Faly ny olona rehefa mahay mamaly, ary tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!” Hoy koa ny Ohabolana 18:21: “Samy vitan’ny lela na ny mahafaty na ny mahavelona.”

Ataovy toy ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny fitaratra azo ampiasaina handinihan-tena ny Baiboly. (Jakoba 1:23-25) Diniho tsara, ohatra, ny fomba fiteninao sy ny lazanao, rehefa mamaky an’ireto toro lalana telo ao amin’ny Baiboly ireto ianao.

“Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Malefaka sy tia fihavanana ve ianao rehefa miteny?

“Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo, fa izay teny tsara ho fampaherezana kosa, rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.” (Efesianina 4:29) Mampahery ny hafa ve ny teninao?

“Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kolosianina 4:6) Ezahinao mba hahafinaritra sy ho mora raisina foana ve ny teninao, na dia rehefa misy olana aza?

Ho tsara kokoa ny fahitan’ny hafa anao ary hahazo aina kokoa ianao, raha ahitsinao izay tsy mety rehefa mijery fitaratra ianao. Handray soa koa ianao raha mijery ny Tenin’Andriamanitra, izay toy ny fitaratra, ary manatsara izay lazainao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Azo vakina ao amin’ny www.watchtower.org ny Baiboly.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no asehon’izay lazainao? —Lioka 6:45.

● Tokony hanao ahoana ny fomba firesakao?—Efesianina 4:29; Kolosianina 4:6.

● Inona no hanampy anao hanatsara an’izay lazainao?—Salamo 19:14; Filipianina 4:8.

[Sary, pejy 11]

Misy fiantraikany eo amin’ny lazantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny tenintsika