Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Asa Sarobidy Indrindra

Ilay Asa Sarobidy Indrindra

Ilay Asa Sarobidy Indrindra

Notantarain’i Murat Ibatullin

Dokotera aho ary nalefan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana eto Rosia ho any Afrika, tamin’ny 1987. Nanaiky hiasa efa-taona tany aho. Tsy te hiverina teto Rosia mihitsy aho. Te ho za-draharaha kokoa aho mba hahafahako hiasa any amin’ny tany toa an’i Aostralia, Kanada, na Etazonia. Niova anefa ny tanjoko tamin’ny 1991 ary niverina teto Rosia aho. Aleo hotantaraiko anareo ny antony.

TERAKA tamin’ny 1953 aho, teto Kazan, renivohitry ny Repoblikan’i Tatarstan, atỳ Rosia Afovoany. Tatar ny ray aman-dreniko, ary Silamo ny ankamaroan’ny Tatar. Tadidiko tamin’izaho mbola kely hoe matetika i Dadabe sy Bebe no nandohalika nivavaka tamin’i Allah. Nasain-dry Dada sy Neny sy ny iray tam-po aminy nivoaka an’ilay efitra izahay mba tsy hanelingelina an-dry Dadabe. Nahamenatra an’i Dada sy Neny mantsy izany, noho izy ireo lasa Kominista sady niseho ho tsy nino an’Andriamanitra.

Voan’ilay lefakozatra niely tatỳ Rosia aho tamin’izaho efa-taona. Tsaroako fa nivezivezy tany amin’ny toeram-pitsaboana maromaro izahay tamin’izany. Tadidiko hoe nivavaka i Dadabe mba ho salama aho. Te ho salama hoatran’ny ankizy hafa aho ka nilalao baolina kitra sy nanao spaoro hafa, na dia nisy kilema aza tamin’ny tongotro.

Te ho dokotera aho rehefa nihalehibe. Tsy hoe tsy mino an’Andriamanitra aho, nefa tsy hoe mpivavaka koa. Tsy nieritreritra momba an’Andriamanitra fotsiny aho. Tsy tiako ny Kominisma ary matetika aho no niady hevitra tamin’i Dada sy Dadatoa. Mpampianatra filozofia teny amin’ny oniversite i Dadatoa ary niasa tao amin’ny Polisy Miafina Miaro ny Fitondrana (KGB) i Dada. Te ho lasa mpandidy hoza-pitatitra mahay aho ary te hifindra tany an-tany hafa, rehefa vita ny fianarako ho dokotera.

Te ho tafita

Vita ny fianarako momba ny fivontosan’ny atidoha, tamin’ny 1984. Nasaina niasa tao amin’ny hopitaly iray any Mulago, any Ogandà, aho tamin’ny 1987. Nifindra tany amin’io tany tsara tarehy io izahay sy Dilbar vadiko ary Rustem sy Alisa zanakay, izay fito taona sy efa-taona tamin’izany. Mafy ny asa tao amin’ilay hopitaly. Nandidy olona mitondra ny tsimok’aretina VIH koa izahay. Nivezivezy matetika tany amin’ireo hopitaly nanerana an’i Ogandà aho satria roa monja ny mpandidy hoza-pitatitra tany tamin’izany.

Nahita Baiboly rosianina izahay sy Dilbar indray mandeha, teo amin’ny fivarotam-boky iray tany Ogandà. Io no Baiboly rosianina hitanay voalohany. Nividy maromaro izahay mba halefa amin’ny namanay tatỳ Rosia, satria sarotra be ny nividy Baiboly tatỳ tamin’izany. Namaky toko vitsivitsy izahay nefa tsy nisy azonay mihitsy ka najanonay.

Nitety fiangonana maromaro tany Ogandà ihany anefa izahay nandritra ny telo taona, ary niezaka hahalala ny zavatra ninoan’ny olona sy izay zava-dehibe tamin’izy ireo. Tapa-kevitra ny hianatra ny Kôrana tamin’ny fiteny nanoratana azy koa aho. Nianatra teny arabo mihitsy aza izahay sy Rustem. Volana vitsivitsy izahay dia nahay teny arabo fampiasa andavanandro.

Nihaona tamin’i Heinz sy Marianne Wertholz, misionera mpampianatra Baiboly, izahay. Avy any Alemaina sy Aotrisy izy ireo. Tsy niresaka fivavahana mihitsy izahay tamin’ny voalohany, fa hoatran’ireny Eoropeanina mihaona any Afrika ireny fotsiny. Nanontanianay azy ireo ny antony nahatongavany tany Ogandà, ka nilaza izy ireo fa misionera Vavolombelon’i Jehovah ary nanampy ny olona hianatra Baiboly.

Tadidiko hoe nampianarina anay tamin’ny filozofia tany amin’ny oniversite tany Rosia fa sekta ny Vavolombelona ary manao sorona ny zanany sy misotro ny rany. Noteneniko tamin’i Heinz sy Marianne izany satria tsy ninoako hoe hanao an’izany izy ireo. Samy nomeny an’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany izahay mivady, ary samy namaky nandritra ny ora vitsivitsy. Nanontaniako i Dilbar avy eo hoe inona no tsapany. Nilaza izy fa nientanentana be ny fony. Izany koa no tsapako, hoy aho.

Tsy andrinay izay hiresahana tamin’i Heinz sy Marianne indray. Niresaka foto-kevitra maro izahay rehefa nihaona. Vao mainka nanohina ny fonay izay nianaranay tao amin’ny Baiboly, ka tianay horesahina tamin’ny namanay sy ny mpiara-miasa taminay. Anisan’izany ny ambasadaoron’i Rosia sy ny manam-pahefana hafa avy any Rosia sy avy any an-tany hafa. Noresahinay koa ny solontenan’i Vatikana ary gaga izahay fa nilaza izy hoe “angano fotsiny” ny Testamenta Taloha.

Niverina an-tanindrazana

Nanapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay sy Dilbar tamin’ny 1991, iray volana talohan’ny niverenanay teto Rosia. Nieritreritra izahay hoe tonga dia hivory, raha vao tonga tatỳ Kazan. Loza anefa fa tsy nahita Efitrano Fanjakana izahay sady tsy nahita Vavolombelona mihitsy, nandritra ny telo volana! Nanapa-kevitra àry izahay fa hitety trano toy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na dia nandeha irery aza. Inona no vokany? Nisy olona vitsivitsy nianatra Baiboly, anisan’izany ny ramatoa iray lasa Vavolombelona.

Nahazo ny adiresinay avy tamin’ny Vavolombelona tany Ogandà ny Vavolombelona be taona iray, ka tonga nitsidika anay. Nanomboka niara-nivory tamin’ireo olona 15 efa mpivory tao amin’ny tranokely iray àry izahay. Nifandray taminay foana ry Heinz sy Marianne, ary nitsidika anay tatỳ mihitsy. Nitsidika azy ireo tany Boligaria koa izahay tatỳ aoriana. Tany indray mantsy izy ireo no nirahina ho misionera, ary mbola any izy ireo hatramin’izao.

Lasa nisy vokatra tsara teto

Miresaka ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny mpiasan’ireo hopitaly iasako eto Rosia foana aho raha vao afaka. Maro no nihaino ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny mpiara-miasa amiko sasany. Lasa 45 izahay no niara-nivory teto Kazan tamin’ny 1992, herintaona taorian’ny nahatongavanay, ary lasa 100 mahery izany ny taona nanaraka. Fito izao ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Kazan, ka ny dimy miteny rosianina, ny iray miteny tatar, ary ny iray amin’ny tenin’ny tanana. Eo koa ireo antoko-mpitory miteny armenianina sy anglisy.

Nankany New York aho tamin’ny 1993 mba hanatrika kaonferansa momba ny fitsaboana, ka afaka nitsidika ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Nihaona tamin’i Lloyd Barry aho tany. Nanampy tamin’ny fikarakarana ny asa fitorian’ny Vavolombelona eran-tany izy. Be atao izy nefa nahita fotoana niresahana tamiko.

Niresaka izahay hoe tsara raha misy boky sy gazety amin’ny teny tatar. Nasiana ekipana mpandika teny amin’ny teny tatar teto Rosia, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nanomboka nisy boky sy gazety tamin’ny teny tatar. Faly erỳ izahay rehefa nahazo tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana, izay gazety fianarana Baiboly. Tsy ela taorian’izay dia nisy fiangonana niteny tatar.

Mampiasa fomba fitsitsiana ra

Ankatoaviko ny fitsipik’Andriamanitra rehetra, anisan’izany ilay ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:20, izay mandidy ny mpanompon’Andriamanitra mba ‘hifady ny ra.’ Milaza koa ny andininy faha-29 fa ilaina ny “mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina ary ny fijangajangana.”

Angatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry ny dokotera mba hanaja ny heviny momba ny fitsaboana tsy ampiasana ra. Nisy fotoana aho niara-niasa tamin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eto Kazan. * Nila nodidiana haingana i Pavel, ankizilahikely herintaona avy any Novossibirsk, tamin’ny 1997. Nitady fanampiana taminay àry ny reniny. Tsy dia mbola nisy dokotera za-draharaha nanaiky hanao fandidiana tsy ampiasana ra teto Rosia, tamin’izany. Nampianay izy hahita dokotera nanaiky hanao izany.

Tsy ela dia nahita hopitaly mpandidy fo tao Kazan izahay, ary nanaiky handidy an’i Pavel ireo dokotera tao. Nisy zavatra maromaro tsy nety tao amin’ny fon’ilay zaza nefa vitan’ireo dokotera soa aman-tsara ilay fandidiana tsy nampiasana ra, tamin’ny 31 Martsa 1997. Hoy ny gazety Vechernyaya Kazan ny 3 Aprily: “Salama tsara ilay zazalahikely ary tsy mila tsaboina intsony ny fony. ... Tamin’izay ny renin’i Pavlik [fiantsoana an’i Pavel] vao mba maivamaivana, tao anatin’ny 11 volana.” Vetivety i Pavel dia sitrana ary tao amin’ny hopitaly izy no nanomboka nandeha.

Salama tsara izao i Pavel. Tia milomano sy mikorisa amin’ny ranomandry ary milalao baolina izy. Ao amin’ny kilasy faha-8 izy izao ary miara-mivavaka amin’ny reniny ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Novossibirsk. Nahavita nanao fandidiana fo tsy nampiasana ra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro ny dokotera tao amin’ilay hopitaly, taorian’io. Mihamandroso izao ny fitsaboana atỳ Tatarstan, ary lasa mahazatra ny fandidiana tsy ampiasana ra.

Ny asako ankehitriny

Miasa ao amin’ny hopitaly iray mampiasa fitsaboana arifomba mba hitsaboana ny rafi-pitatitra sy ny fo izahay mivady sy ny Vavolombelona hafa. Maro ny karazana fandidiana ataonay, indrindra fa amin’ireo marary ampiasana fomba fitsitsiana ra. Mpitsabo rafi-pitatitra amin’ny alalan’ny taratra aho ary mandalina momba ny fitsaboana hoza-pitatitra tsy ampiasana ra sady tsy ilana fandidiana be. Mpampianatra momba ny rafi-pitatitra sy ny fandidiana hoza-pitatitra ao amin’ny Oniversite Momba ny Fitsaboana eto Kazan aho, ary miezaka manampy an’ireo mpianatra sy dokotera mba hahitan’izy ireo ny tombon’ny fitsaboana tsy ampiasana ra. *

Miara-miasa amiko ao amin’ilay hopitaly ny vadiko, ary manam-pahaizana momba ny fitarafana. Tianay ny asanay satria ahafahanay manampy olona. Inona anefa no mahafa-po anay indrindra? Ny mahita olona mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ka lasa mifandray amin’Andriamanitra. Faly izahay mampita amin’ny olona ny fampanantenan’Andriamanitra hoe kely sisa dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly dia Vavolombelona maromaro manampy ny hopitaly sy ny marary hiara-miasa, rehefa misy olana momba ny fampidiran-dra.

^ feh. 27 Solon’ny fampidiran-dra io karazana fitsaboana io. Mihamalaza eran-tany izao ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra, satria be dia be ny loza vokatry ny fampidiran-dra. Mety ho voan’ny VIH, ohatra, ilay olona na tsy hahazaka zavatra sasany na ho voan’ny aretina hafa.

[Sary, pejy 12]

Tamin’izaho dokotera tany Afrika

[Sary, pejy 13]

Izahay mivady tamin’ny 1990, rehefa nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 14]

Niaraka tamin’i Lloyd Barry tany Brooklyn, New York, tamin’ny 1993

[Sary, pejy 15]

Pavel sy ny reniny

[Sary, pejy 15]

Miara-mitory izahay sy Dilbar