Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Olana sy Valisoa Amin’ny Fitaizana Zaza Sembana Ara-tsaina

Ny Olana sy Valisoa Amin’ny Fitaizana Zaza Sembana Ara-tsaina

Ny Olana sy Valisoa Amin’ny Fitaizana Zaza Sembana Ara-tsaina

“Malahelo aho milaza aminareo fa sembana ara-tsaina ny zanakareo.” Miova tanteraka ny fiainan’ny ray aman-dreny aorian’ny ilazan’ny dokotera an’ireo teny ireo. Hoy i Víctor, raim-pianakaviana iray: “Hoatran’ny hoe nanonofy ratsy aho ka te hifoha.”

MISY lafiny tsara koa anefa amin’ny fitaizana zaza sembana. Samy mitaiza zaza sembana i Emily sy Barbara. Nilaza izy ireo fa “miovaova be ny fihetseham-po satria mbetika faly be amin’ny zava-bita, mbetika kivy be noho ny fahadisoam-panantenana. Miady saina sy miatrika olana ianao isan’andro, nefa faly be koa satria mahavita zavatra sady mahomby.”—Aza Hadinoina Izahay Ankizy Sembana Ara-tsaina (anglisy).

Zaza 1 isaky ny 730 no tratran’izy io any Etazonia. * Sarotra amin’izy ireo ny miana-javatra sy miteny ary manetsika ny vatany. Misy sahirana be rehefa manao an’ireo, ary misy mahay kokoa. Ela koa izy ireo vao matotra ara-pihetseham-po sy mato-tsaina ary mahay mifandray amin’ny hafa.

Inona no vokatr’io aretina io eo amin’ny fahaizan’ilay ankizy? Sembana ara-tsaina i Jason ary anisan’ny nanoratra an’ilay boky hoe Aza Hadinoina Izahay Ankizy Sembana Ara-tsaina. Hoy izy: “Tsy kilema ilay izy. Voafetra fotsiny ny zavatra hainao rehefa mianatra, satria elaela ianao vao mahazo zavatra. Tsy hoe ratsy be ilay izy.” Tsy mitovy anefa ny ankizy voan’ilay aretina ary samy manana ny talentany. Misy aza afaka mianatra tsara ka lasa olona tena ilaina eo amin’ny fiaraha-monina sady afaka mankafy fiainana.

Tsy azo sorohina io aretin’ny fototarazo io, na aloha na mandritra ny fitondrana vohoka. Tsy fahadisoan’iza na iza ilay izy. Tena mahakivy ny ray aman-dreny anefa izy io. Inona no azon’izy ireo atao ary ahoana no anampiany ny zanany?

Ekeo ny zava-misy

Tsy mora ny manaiky hoe sembana ny zanakao. Hoy i Lisa: “Taitra be izahay. Nitomany izahay mivady rehefa avy nihaino ny fanazavan’ny dokotera. Tsy hay intsony na ho anay na ho an’i Jasmine [zanakay] no nitomanianay, na angamba izy roa mitambatra. Tena tiako hofihinina anefa izy ary te hilaza aminy aho hoe tiako foana izy, na inon-kidona na inon-kihatra.”

Hoy i Víctor: “Lasa lavitra be ny saiko. Natahotra be aho ary nanahy sao hailikiliky ny olona. Nieritreritra izahay hoe hiova be ny fiainanay, ary tsy te hifandray aminay ny olona. Eny e! Tia tena izahay nieritreritra an’izany. Tsy fantatray mantsy izay hitranga ka natahotra izahay.”

Malahelo sy very hevitra ireny ray aman-dreny ireny, ary matetika izany fihetseham-po izany no elaela vao afaka na miseho tampoka. Hoy i Elena: “Nitomany matetika aho noho i Susana [zanakay] marary. Hoy anefa izy, tamin’izy efa-taona teo ho eo: ‘Aza mitomany, Neny a, tsy maninona izany.’ Hitako hoe tsy fantany izay mampitomany ahy, nefa tapa-kevitra aho tamin’izay hoe tsy hitsetra tena na ho kivikivy intsony. Niezaka nanampy azy hanao an’izay farany azony atao aho, nanomboka teo.”

Fomba hanampiana an’ilay ankizy

Inona no tena ilaina raha te hanampy azy ireo isika? Hoy ny manam-pahaizana iray ao amin’ny fikambanana mikarakara sembana ara-tsaina: “Tiavo izy aloha, dia handeha ho azy ny ambiny.” Hoy i Sue Buckley, mpampianatra: ‘Mila tadidina aloha hoe olombelona izy ireo. Hoatran’ny olon-drehetra ihany izy, ka miankina amin’ny fomba hikarakarana azy sy hampianarana azy ary ny olona ifandraisany ny fivoarany.’

Nandroso be ny fomba fampianarana ny ankizy sembana ara-tsaina, tato anatin’ny telopolo taona. Ampirisihin’ny mpitsabo ny ray aman-dreny mba tsy hanilikilika an’ireny ankizy ireny mihitsy rehefa misy zavatra ataon’ny fianakaviana, ary hanampy azy ireo hampitombo ny fahaizany amin’ny alalan’ny kilalao sy zavatra samihafa, izay tokony hatomboka aoriana kelin’ny ahaterahany. Anisan’izany ny otra, fampianarana miteny, fiahiana manokana, ary fanehoana fitiavana an’ilay ankizy sy ny fianakaviany. “Tsy navahanay mihitsy i Susana”, hoy i Gonzalo rainy. “Nampidirinay tamin’izay rehetra nataonay mianakavy izy. Nitovy ny fomba nitondranay sy nibedesanay azy sy ny zandriny. Notadidinay fotsiny hoe voafetra ny zavatra azony atao.”

Mety ho efa roa na telo taona ny ankizy sembana ara-tsaina vao hahay hiteny. Mety hitomany àry izy na ho kizitina satria tsy afaka miteny. Afaka mampianatra azy hahay hampita hevitra sasany anefa ny ray aman-dreniny. Mety hampiasa baiko moana tsotsotra, ohatra, izy ireo, hanao fihetsehana, ary hampiasa zavatra hita maso. Amin’izay ilay zaza afaka milaza an’izay zavatra tena ilainy, toy ny hoe “rano”, “sakafo”, “ampiana”, “vita”, ary “hatory.” Hoy i Lisa: “Ampianarinay fihetsika roa na telo isan-kerinandro i Jasmine. Ataonay mahafinaritra izany sady averimberinay.”

Mihamaro isan-taona ny ankizy sembana ara-tsaina miditra mianatra sy miara-manao zavatra amin’ny iray tam-po aminy sy ny namany. Marina fa sarotra kokoa amin’izy ireny ny mianatra. Hita anefa fa rehefa miara-mianatra amin’ny ankizy mitovy taona aminy ny sasany, dia lasa mahaleo tena kokoa sy mahay miaraka amin’ny hafa ary mihamahay.

Ihoaran’ny ankizy mitovy taona aminy ny ankizy sembana ara-tsaina satria miadana kokoa ny fitomboany. Milaza anefa ny manam-pahaizana hoe tsara raha mianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izy ireny. Mila mifanaraka tsara fotsiny ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary tokony hampiana bebe kokoa ilay ankizy. Hoy i Francisco, rain’i Yolanda: “Izao no tena tombony azon’i Yolanda noho izy nianatra teny amin’ny lise: Afaka nifanerasera tamin’ny ankizy hafa izy. Tonga izy dia nahay niara-nilalao tamin’ny ankizy hafa. Ny ankizy koa moa tsy nihafahafa taminy sady tsy nanilikilika azy mihitsy.”

Mendrika ny hanaovana ezaka

Tsy mora ny mitaiza ankizy sembana ara-tsaina. Mitaky fotoana sy ezaka izany. Mila mahafoy tena sy manam-paharetana ary mijery ny zava-misy koa izay mitaiza azy. “Mila fikarakarana be i Ana”, hoy i Soledad reniny. “Tsy maintsy reny manam-paharetana ianao, mpitsabo, ary mpanotra. Eo koa ny raharaha ao an-trano.”

Fianakaviana maro anefa no manantitrantitra fa mampifankatia kokoa azy ireo ny mikarakara ankizy sembana ara-tsaina. Lasa tsy dia tia tena ny ankizy ary mahay miombom-pihetseham-po kokoa amin’ny hafa, ka lasa mahatakatra kokoa an’ilay iray tam-po aminy marary. Hoy i Antonio sy María: “Novalian-tsoa ny faharetanay satria nisy vokany rehefa ela ny ela. Nanampy anay nikarakara an’i Sara [sembana ara-tsaina] foana i Marta zanakay vavimatoa, ary tena tia azy. Lasa te hanampy ankizy hafa sembana koa i Marta.”

Hoy i Rosa, izay manan-joky vavy sembana ara-tsaina: “Tena nanampy ahy ho sambatra i Susana, sady tena tia ahy. Nanampy ahy izy hahatakatra kokoa an’izay manjo ny olona manan-kilema.” Hoy koa i Elena, renin’i Susana: “Faly izy rehefa tsara fanahy aminy ianao. Tiany be ianao rehefa anehoanao fitiavana izy.”

Hitan’i Emily sy Barbara, ireo reny roa voaresaka tamin’ny voalohany, fa “mihamatotra sy miana-javatra foana ny olona sembana ara-tsaina, mandritra ny androm-piainany, ary mandray soa avy amin’ny zava-baovao iainany.” Sembana ara-tsaina i Yolanda ary izao no toroheviny ho an’ny ray aman-dreny mitaiza zaza sembana ara-tsaina: “Tiavo izy ary karakarao, toy ny nikarakaran’ny ray aman-dreniko ahy. Manàna faharetana foana.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 I John Down, dokotera anglisy, no voalohany namoaka fanazavana marina momba an’io aretina io, tamin’ny 1866. Misy àry miantso azy io hoe Aretin’i Down (DS). Hitan’i Jérôme Lejeune, manam-pahaizana frantsay momba ny fototarazo, tamin’ny 1959, fa mihoatra iray hatrany am-bohoka ny krômôzôma ao amin’ny selan’ny zaza tratran’ilay aretina, izany hoe lasa 47 raha tokony ho 46. Hitan’ireo mpikaroka tatỳ aoriana fa ny krômôzôma faha-21 ilay mihoatra, ka antsoina hoe trisomie 21 koa io aretina io.

[Efajoro/Sary, pejy 20, 21]

Mankafy Fiainana ve Ireo Sembana Ara-tsaina?

Hoy Izy Ireo:

“Tiako ny asako satria lasa mahatsapa aho hoe ilaina.”—Manuel, 39 taona

“Tiako be ny mihinana paella ataon’i Neny sy ny miaraka amin’i Dada mitory momba ny Baiboly.”—Samuel, 35 taona

“Tiako ny mandeha mianatra satria te hahay aho sady tia be ahy ny mpampianatra anay.”—Sara, 14 taona

“Aza matahotra ary aza mihafahafa. Miaraha milalao amin’ny olon-drehetra. Ho hitanao fa hiana-javatra tsikelikely ianao.”—Yolanda, 30 taona

“Tena tiako ny mamaky teny sy mihaino hira ary miaraka amin’ny namako.”—Susana, 33 taona

“Te hihalehibe aho ary te hanana ny fiainako.”—Jasmine, 7 taona

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Torohevitra Momba ny Fifampiresahana

Ireto misy soso-kevitra hanampy anao hifampiresaka tsara amin’ny olona sembana ara-tsaina:

● Miezaha hifanatrika tsara aminy mba hahafahana mifampijery rehefa miresaka.

● Mampiasà fehezanteny tsotra sy fohy.

● Manaova fihetsehana rehefa miteny ary ataovy mazava eo amin’ny endrikao izay tianao holazaina.

● Omeo fotoana hieritreretana sy hamaliana izy.

● Henoy tsara izy ary asaivo mamerina ny toromarika omenao.