Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Vehivavy 10 621 sy ankizy 5 896 nalaina an-keriny no navotan’ny polisy sinoa”, nandritra ny herintaona sy tapany voalohany nanaovana ezaka manokana nanenjehana an’ireo mpivarotra olona. Olona 15 673 eo ho eo no voarohirohy sy nosamborina.—CHINA DAILY, CHINE.

‘Mpampianatra 1 000 mahery tany Kenya no noroahina satria nametaveta ankizivavy mpianatra, tato anatin’ny roa taona. Hita avy tamin’ireo antso voaray fa miely be tsy araka ny nieritreretana azy ilay olana.’—DAILY NATION, KENYA.

Hita tamin’ny fandinihana iray fa tena atahorana ho voan’ny kanseran’ny hoditra ny olona mampiasa fitaovana manamainty hoditra, raha ampitahaina amin’ireo tsy nampiasa mihitsy. Atahorana kokoa ho voan’ilay kansera ireo efa nampiasa azy io adiny 50 mahery.—CANCER EPIDEMIOLOGY, BIOMARKERS & PREVENTION, ETAZONIA.

“Ny 8% monja [amin’ireo vehivavy kanadianina hanambady] no mihevitra fa tsara ny tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana”, ary “ny 74% amin’ireo lehilahy sy vehivavy miaraka no miray trano alohan’ny hisoratany.”—WEDDINGBELLS, KANADA.

Mampidi-doza ny Rano Maloto

Milaza ny tatitra iray avy any amin’ny Firenena Mikambana fa “betsaka kokoa izao ny olona matin’ny rano maloto raha oharina amin’ireo matin’ny karazana herisetra, toy ny ady.” Milaza ny ONU fa fako roa tapitrisa taonina isan’andro no mivarina any amin’ny renirano sy ranomasina. Avy amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana, orinasa lehibe, lakan-drano maloto, ary ny toy izany izy ireny. Manaparitaka aretina izany sady mandoto ny tontolo iainana. Amin’ny ankizy latsaka ny dimy taona, dia iray isaky ny 20 segondra no matin’ny aretina azo avy amin’ny rano maloto. Hoy i Achim Steiner, talen’ny Fandaharan’asan’ny ONU Momba ny Tontolo Iainana: “Raha tiantsika hiroborobo izao tontolo izao ... dia mila miara-mientana isika mba hitady fomba mahomby kokoa hikarakarana ny fako.”

Mihira mba Hahaizana Miteny Indray

Misy olona tsy afaka miteny satria tapaka lalan-dra. Maro anefa no nahay niteny indray. Ampirisihin’ny dokotera hilaza ny heviny an-kira ireo tapaka lalan-dra, izany hoe asainy manisy gadona sy feo an’izay tiany holazaina. Tena mahomby io fomba fitsaboana io. Milaza ny Wall Street Journal fa “lasa hain’ireo marary ny mamadika tsikelikely an’ireo hira ho teny”, aorian’ny telo volana sy telo herinandro.

‘Mitombo Be ny Fanaovana Fraody’

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny ankizy 20 000 tany Kanada. Mpianatra ao amin’ny kilasy voalohany eny amin’ny oniversite izy ireo. Ny 73 isan-jatony no “niaiky fa efa nifraody tamin’ny fanadinana an-tsoratra teny amin’ny lise”, hoy ny Filan-kevitry ny Fampianarana any Kanada. Milaza ny oniversite iray fa niakatra 81 isan-jato ny fanaovana fraody sy fangalaran-tahaka, teo anelanelan’ny 2003 sy 2006. Milaza ny Pr. Paul Cappon, filohan’ilay filan-kevitra, fa “ny Internet sy ny fitaovana maoderina arifomba no nampitombo be ny fanaovana fraody, tato anatin’ny folo taona.”