Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampahafantatra ny Tantarany i Ibn Battuta

Nampahafantatra ny Tantarany i Ibn Battuta

Nampahafantatra ny Tantarany i Ibn Battuta

NISY tovolahy atao hoe Abu ibn Battuta niainga avy tao Tanger, Maroc, tamin’ny 1325. Nitety faritra maro izy ary tonga hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra fantatra tamin’izany, toa an’i Chine, Inde, Indonezia, Mali, Persa, Rosia, Syria, Tanzania, Torkia, ary ireo tany arabo rehetra. Nanao dia 120 700 kilaometatra teo ho eo izy. Izany no dia lavitra indrindra nataon’olona, talohan’ny nisian’ny fitaovam-pitaterana mandeha amin’ny etona.

Ilay Silamo mpitety tany sy mpanao dia lavitra indrindra talohan’ny andro maoderina, no niantsoana an’i Ibn Battuta. Nisy boky nosoratana momba ny dia nataony, 30 taona latsaka kely taorian’ny nanombohany nitety tany. Ahalalana ny fomba fiainan’ny olona sy ny fomba amam-panao tamin’ny taonjato faha-14 izany, indrindra fa ny fombafomban’ny Silamo.

Hanao fivahiniana masina any Lameka

Niainga avy tao Tanger i Ibn Battuta mba hitsidika an’ireo toerana masina sy hanao ny hadj, na ny fivahiniana masina any Lameka. Izany no takina amin’ny olon-dehibe silamo rehetra manam-bola hanaovana dia sady matanjaka tsara. Any amin’ny 4 800 kilaometatra eo ho eo any atsinanan’i Tanger no misy an’i Lameka. Toy ny olon-kafa ho any Lameka, dia tsy nandeha irery i Ibn Battuta, fa niaraka tamin’ny olona maromaro afaka nanampy sy niaro azy.

Qadi na mpitsara ny rain’i Ibn Battuta, ka nampianarina ho mpitsara izy. Izany no fampianarana ambony indrindra tao Tanger. Fantatr’ireo mpiara-dia taminy izany, ka nasain’izy ireo nandamina an’izay fifamaliana teny an-dalana izy.

Tany Aleksandria sy Le Caire ary Nil any Ejipta Ambony

Nanaraka ny morontsirak’i Afrika Avaratra izy ireo ary tonga tao Ejipta. Nahita ny tilikambo fanilon-tsambo malazan’i Aleksandria i Ibn Battuta tao. Efa nihasimba izy io tamin’izay. Hoy izy momba an’i Le Caire: “Tsy hita isa ireo tranobeny ary tapitra ohatra ny hatsarany. Ao no mihaona ny mpiavy sy ny mpanao dia ary ny malemy sy ny matanjaka, izay manao be fiavy toy ny onjan-dranomasina.” Nahasondriana azy ny sambo, zaridaina, tsena, toeram-pivavahana, ary ny fombafomba tao amin’io tanàn-dehibe io. Niresaka tamin’ireo mpitondra fivavahana sy manam-pahaizana ary olona ambony hafa tao Ejipta koa izy ka notohanan’izy ireo. Lasa fanaon’i Ibn Battuta ny toy izany.

Niala tao Le Caire izy ary nanaraka ny reniranon’i Nil. Nampiantrano azy ny mpivavaka sy ny olona tany amin’ny monasitera ary ireo tany amin’ny trano fitaizana sy fianarana notohanan’ny tsara sitrapo. Fahita tany amin’ny tanànan’ny Silamo ny trano toy ireny. Tonga tany Ejipta Ambony izy ary saika hamakivaky ny tany efitra mba ho any amin’ny Ranomasina Mena, handray sambo ho any amin’ny faritra andrefan’i Arabia, ho any Médine, izay nisy ny toeram-pivavahan’i Mahometa mpaminany, ary ho any Lameka. Niverina tany Le Caire anefa i Ibn Battuta noho ny ady.

Nanalavi-dalana

Mbola te ho any Médine sy Lameka ihany izy ka nianavaratra nankany Gaza, nandalo tao Hebrona, ary nandalo teo amin’ilay toerana noheverina fa nandevenana an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Nahita an’ireo mihambo ho Kristianina nankamasina ny toerana nahaterahan’i Jesosy izy rehefa nijanona tao Betlehema, tamin’izy ho any amin’ny Dôme du Rocher any Jerosalema.

Nianavaratra nankany Damaskosy i Ibn Battuta avy eo. Niara-nianatra tamin’ny manam-pahaizana silamo izy tao ka nahazo diplaomana mpampianatra. Nilaza izy fa ny Mosquée des Omeyyades tao Damaskosy no toeram-pivavahana “tsara tarehy indrindra” eran-tany. Nisy tsena tao ary nahitana firavaka, fitafiana, taratasy sy fitaovana fanoratana, boky, ary zavatra vita amin’ny vera. Nisy trano heva natao hisoratam-panambadiana maromaro koa tao. “Olona nahazo alalana tamin’ny qádí [mpitsara] no manao ny fisoratam-panambadiana” ary “vavolombelona dimy na enina no mpanatrika.” Nanambady i Ibn Battuta tamin’izy tao Damaskosy. Tsy io irery anefa no vadiny ary tsy dia resahina ao amin’ny tantarany izy ireny.

Nahita mpivavaka ho any Lameka koa izy tao Damaskosy ary niaraka tamin’ireo. Nijanona teo amin’ny loharano iray izy ireo. Fitoeran-drano lehibe vita amin’ny hoditr’omby no fampiasan’ny mponina teo. Maka rano amin’izy ireny ny mpanao dia lavitra mba hosotroin’ny rameva sy hamenoana ny siny hoditra hoentina any an-tany efitra. Ela ny ela ka tonga tany Lameka ihany izy. Niverina tany inenina izy taorian’izay. Matetika no mody avy hatrany ny olona avy manao fivahiniana masina. Ary i Ibn Battuta? Mbola nankany Bagdad izy satria “te hahita zava-baovao”, hoy ny mpanoratra iray.

Nandeha lavitra be mihitsy

Tao Bagdad no foiben’ny Silamo tamin’izany, ary nampitolagaga an’i Ibn Battuta ireo trano fandroana ho an’ny besinimaro hitany tany. Hoy izy: “Ahitana efitra fandroana maromaro ny trano fandroana tsirairay, ary nisy fanasan-tanana misy rano mangatsiaka sy mafana eo an-joron’ny efitra tsirairay.” Afaka nihaona tamin’i Abu Saïd Mpanjaka izy, noho ny jeneraly tsara fanahy iray. Nomen’io mpanjaka io soavaly iray sy akanjo mihaja iray i Ibn Battuta, ary nasainy nomen’ny governoran’i Bagdad rameva sy vatsy.

Nandray sambo nankany Mogadiscio sy Mombasa ary Zanzibar, any Afrika Atsinanana, i Ibn Battuta, ary nankany Arabia sy tany amin’ny Hoala Persika avy eo. Notantarainy ny momba ny mponin’ireny toerana ireny sy ny fombafombany ary ny vokatra any. Tia mandray vahiny, hoy izy, ny any Somalia ka mikarakara ny mpivaro-mandeha. Mitsako voam-betela kosa ny any Yémen ary mamboly voaniho. Ny any amin’ny Hoala Persika indray, mitady perla any anaty rano. Nanalavi-dalana izy rehefa ho any Inde, ka namakivaky an’i Ejipta, Syria, ary Anatolie (Torkia), niampita ny Ranomasina Mainty, nankany avaratry ny Ranomasina Caspienne, ary nidina tany amin’ireo tany antsoina ankehitriny hoe Kazakhstan, Ouzbékistan, Afghanistan, ary Pakistan.

Avy any Inde nankany Chine

Qadi ho an’ny mpanjakan’i Delhi nandritra ny valo taona i Ibn Battuta, tany Inde. Fantatr’ilay mpanjaka fa tia mitety tany i Ibn Battuta ka nirahiny ho any amin’i Togon-Temür, mpanjakan’i Chine, ary nampitondrainy an’ireto fanomezana ireto: “Soavaly tsara karazana 100, andevo fotsy hoditra 100, mpandihy sy mpihira hindoa 100, karazana akanjo 1 200, fitoeran-dabozia sy koveta vita amin’ny volamena sy volafotsy, akanjo misy peta-kofehy, satroka, tranon-jana-tsipìka, sabatra, gan-tanana voahaingo perla, ary lehilahy novosirina 15.”

Nahita sambo goavam-be mpitondra entana i Ibn Battuta, tao amin’ny seranan’i Calicut, any amin’ny faritra atsimon’i Inde. Ho any Chine koa izy ireo. Nahatratra 12 ny lain’ny sambo tsirairay ary vita tamin’ny bararata norarina. Nisy tantsambo 600 sy miaramila 400 isaky ny sambo. Nipetraka teny an-tsambo ny fianakavian’ny tantsambo, ary namboly “zava-maitso sy legioma ary sakamalao tao anaty vata hazo izy ireo”, hoy i Ibn Battuta.

Tsy tonga tany Chine i Ibn Battuta satria vaky sambo. Niara-niasa tamin’ny filoha silamo iray tany Maldives kosa izy ary izy no voalohany nitantara ny fombafomban’izy ireo. Tonga tany Chine ihany izy, nony farany. Betsaka ny zavatra nahafinaritra azy tany nefa nisy zavatra nanafintohina azy koa satria mifanohitra amin’ny finoany. Misy tsy mino hoe tena tonga hatrany Chine izy, satria kely fotsiny ny zavatra tantarainy momba ny diany tany. Mety ho teny amin’ny seranana tany amin’ny faritra atsimon’i Chine fotsiny izy.

Alahelo rehefa nody

Tonga tao Damaskosy i Ibn Battuta tamin’ny 1348. Reny fa efa 12 taona no nahafatesan’ny zanany lahy, izay nilaozany tao, 20 taona teo ho eo talohan’izay, ary efa 15 taona no nahafatesan’ny rainy, izay nipetraka tany Tanger. Namely ny Pesta Mainty tamin’izay. Nilaza i Ibn Battuta fa nisy 21 000 isan’andro no maty tao Le Caire.

Tonga tany Maroc izy, herintaona tatỳ aoriana, tamin’izy 45 taona. Matin’ny Pesta Mainty koa ny reniny, volana vitsivitsy talohan’izay. Vao 21 taona i Ibn Battuta tamin’ny niala tao. Nahafa-po azy ve ireo 24 taona nitetezany tany? Tsy izany mihitsy, satria tsy ela izy dia nankany Espaina indray. Telo taona taorian’izay izy dia nankany amin’ny Reniranon’i Niger sy tany Tombouctou, tanàna afrikanina any Mali ankehitriny. Io no dia farany nataony.

Nasaina nanoratra ny tantarany

Ren’ny mpanjakan’i Fès, any Maroc, ny dian’i Ibn Battuta ka nasainy nosoratana mba hovakin’ny tao an-dapa. Nomeny ho mpitan-tsoratra i Ibn Juzayy. Vitsy no tia namaky an’ilay izy tamin’ny soratra arabo. Tamin’ny taonjato faha-19 ireo manam-pahaizana tany Eoropa vao nahita azy io, ary taorian’izay vao nadika tamin’ny fiteny tany amin’ny Tany Tandrefana izy io.

Nofintimpintinin’i Ibn Juzayy ny fitantarana an’ireo dia, nefa hita hoe mbola nisy namboamboariny ihany. Na izany aza, dia io fitantarana io ihany no mba nahafantarana ny fiainana, ny raharaham-barotra, ny fombafomba, ny fivavahana, ary ny politika tany amin’ireo tany notsidihin’i Ibn Battuta, indrindra fa ny tany amin’ireo tany silamo.

[Sary, pejy 14]

Sary nataon’i El-Wasiti tamin’ny taonjato faha-13, mampiseho ny fivahiniana masina nataon’ny Silamo

[Sary nahazoan-dalana]

Scala/White Images/Art Resource, NY

[Sary, pejy 16]

Sarintany tamin’ny 1375, mampiseho ny faritra sasany notsidihin’i Ibn Battuta

[Sary nahazoan-dalana]

Snark/Art Resource, NY