Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mitsitsy fa Aza Mandanilany

Mahaiza Mitsitsy fa Aza Mandanilany

Mahaiza Mitsitsy fa Aza Mandanilany

TSY tia mitsitsy ny olona maro fa aleony mividy akanjo, fitaovana elektronika, sy ny toy izany.

Na tratran’ilay krizy eran-tany ianao na tsia, dia handray soa raha mandinika ny fomba hitsitsiana sy hampiasana tsara ny volanao. Mariho ny torohevitry ny boky iray azo antoka. Olona an-tapitrisany no efa nampian’izy io hiatrika olana ara-bola, hatramin’izay.

Tenim-pahendrena telo

Nilaza toro lalana lehibe momba ny fampiasam-bola i Jesosy avy any Nazareta, tao amin’ny fanoharana iray. Nampirisika ny mpanompony toy izao ny tompo iray, tao amin’ilay fanoharana: “Nahoana raha napetrakao tany amin’ny banky ny farantsa volafotsiko, dia ho noraisiko niaraka tamin’ny zanabola rehefa tonga aho?” (Matio 25:27) Nahoana no tena mahasoa antsika ankehitriny io tenin’i Jesosy io?

Vao haingana izay, dia mihoatra an’ilay vola apetraka any amin’ny banky amin’ny voalohany ny zanabola mandritra ny folo taona eo ho eo, tany amin’ny tany sasany. Marina fa vitsy ny banky hanome zanabola toy izany ankehitriny, ary tsy betsaka araka ny antenaina foana ny zanabola azo. Tsara foana anefa ny mitahiry vola hitsinjovana ny vodiandro ho merika.

Manamafy an’izany ny Baiboly ka hoy izy: “Fiarovana ny fahendrena, ary fiarovana koa ny vola.” (Mpitoriteny 7:12) Tsy ho afaka hiaro anao anefa ny vola raha tsy manana tahiry ianao. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny tsirairay aminareo mba hanokana vola, arakaraka izay azony.’—1 Korintianina 16:2.

Fomba hitsitsiana

Voalohany: Jereo tsara raha tena ilainao ny zavatra iray lafo vidy, alohan’ny hividianana azy.

Faharoa: Raha mila mividy zavatra ianao, dia mitadiava zavatra vaovao nefa nasiana fihenam-bidy na zavatra efa nampiasaina nefa mbola tsara. Nila posiposin-jaza ho an’i Daniel zanany, ohatra, i Espen sy Janne, mpivady any Norvezy. Antsasa-bidy no nividianan’izy ireo an’ilay posiposy, nefa mbola tsara. Hoy i Espen: “Mino aho fa mbola ho azo amidy ilay izy, rehefa mihalehibe i Daniel.” Hoy anefa izy: “Mety ho ela be ianao vao hahita zavatra mora nefa tsara.” *

Fahatelo: Aza maimaika ny hividy fa mieritrereta tsara aloha. Raha mbola hitanao hoe tena ilainao ilay izy, dia aleo mitady any amin’ny fivarotana entana efa niasa na mora kokoa. Hitsitsy vola koa ianao raha tsy mieritreritra hoe tsy maintsy mividy an’izay entana misy marika malaza. Aleo koa mampiasa akanjon’ankizy efa nanaovana, toy izay hividy akanjo vaovao eny amin’ny magazay mivarotra entana lafo vidy.

Mety ho hitan’ireo vao mitaiza kely koa hoe aleo mampiasa lamban-jaza azo sasana. Hoy i Denise Chambers, ao amin’ilay bokiny momba ny fitantanam-bola sy ny fitsitsiana: ‘Ao anatin’ny 2 taona, dia hahatratra [Ar 4 000 000 eo ho eo] na mahery ny vidin’ny tantin-jaza [couche], ary [Ar 600 000 eo ho eo] ka hatramin’ny [Ar 1 000 000 eo ho eo] kosa ny lamban-jaza.’ Hoy ihany izy: “Mora ampiasaina ny lamban-jaza sady tsy manimba tontolo iainana.”

Fahefatra: Tadidio fa mandany vola kokoa ny mividy hani-masaka noho ny hoe ianao mihitsy no miantsena sy mahandro. Maninona raha ampianarina mikarakara ny sakafo hoentiny mianatra ny ankizy, fa tsy omena vola hividianany sakafo lafo kokoa? Aleo koa misotro rano toy izay mividy zava-pisotro lafo vidy. Mahasalama kokoa izany sady tsy mandany vola.

Nanana toerana fambolena legioma ny fianakaviana taloha. Efa mba nieritreritra ny hamboly ny zavatra sasany hohaninao ve ianao? Maro no manana toerana azo ambolena, anisan’izany ireo mipetraka any ambony rihana na amin’ny trano kely. Ho hitanao fa betsaka ny zavatra azo ambolena eo amin’ny toerana kelikely.

Diniho koa izao: Raha tena mila manana finday ianao, azonao ferana ve ny fahana ampidirina ao mba tsy hiantsoana raha tsy misy zavatra maika? Efa nieritreritra ny hampihena ny fampiasana fitaovana fanamainan-damba ve ianareo, raha manana? Angamba azo atao ny manahy ny lamba sasany na izy rehetra. Mety ho azo ahena koa ny fampiasana fitaovana hafa mandany herinaratra. Jereo tsara foana raha tena ilaina ny mampiasa azy ireny. Mety hahita fomba hitsitsiana jiro koa ianao rehefa mifampiresaka amin’ny hafa.

Tehirizo any amin’ny banky koa ny volanao. Hoy i Hilton, mpiasa an-tsitrapo any Afrika Atsimo: “Tsara raha tsy apetraka amin’ny toerana iray ny tahirinao rehetra. Mety ho bankirompitra ny banky sy ny fikambanana hafa. Efa tratran’izany izahay.” Fantaro àry hoe iza no banky iantohan’ny fanjakana raha sanatria bankirompitra, ary apetraho any ny volanao.

Fomba fanefana trosa

Voalohany: Ataovy mihoatra an’izay vola kely indrindra tokony haloa, ny trosa aloanao isam-bolana.

Faharoa: Izay trosa be zanabola indrindra no ezaho efaina voalohany.

Fahatelo: Miezaha ho zatra mitsitsy. Tena ilaina izany.

Efa nisy zavatra novidinao ve satria sodokan’ny dokam-barotra ianao? Niaiky i Danny, raim-pianakaviana any Soeda, fa izany mihitsy no nanjo azy. Nanana orinasa nandeha tsara izy, nefa tsy maintsy nivarotra an’ilay izy mba handoavana trosa. Efa voa izy vao nahay nitantam-bola. Izao no toroheviny: “Mitandrema sao lasa tsy mety afa-po. Mahaiza mianina amin’izay anananao.”

Vola tsy maintsy aloa

Vitsy ny olona afaka mandoa tanteraka ny vidin’ny trano iray, eo no ho eo. Maro àry no mindram-bola any amin’ny banky mba hividianana trano. Azo heverina ho toy ny hofan-trano ny vola aloan’izy ireo isam-bolana any amin’ny banky. Lasan’izy ireo ilay trano rehefa voaloany ny vola rehetra.

Maro koa no manao toy izany mba hividianana fiara mitsitsy solika. Tsy ho lany vola be izy ireo sady hahazo fiara, raha mamerina an’ilay vola haingana araka izay azo atao. * Ny hafa indray mahita hoe aleo mividy fiara efa niasa nefa mbola tsara sy tsy nandeha lavitra. Misy koa mampiasa fitateram-bahoaka na mandeha bisikileta, mba hitsitsiana vola.

Aza mitady zavatra lafo be àry fa jereo raha takatry ny volanao ilay izy, ka mahaiza manapa-kevitra. Raha tsy mieritreritra tsara ianao fa tia mandanilany vola, dia mety ho zatra an’izany ary mety hanenina. Mahaiza àry mampiasa tsara ny volanao, dia ho sambatra foana ianao!

Ilainao koa anefa ny mahay mitantam-bola raha te hitsitsy ianao. Izany no horesahin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tsara ny mangataka rosia misy anarana sy adiresin’ny mpivarotra, mba ho azo antoka hoe tsy halatra ilay entana.

^ feh. 24 Tadidio fa mety hafoinao ilay trano na ilay fiara ary ny vola rehetra efa naloanao, raha tsy manam-bola tampoka ianao ka tsy voaloanao hatramin’ny farany ny vidiny.

[Sary, pejy 5]

FOMBA HITSITSIANA VOLA

Mitadiava entana nasiana fihenam-bidy

Mividiana akanjo mora kokoa na efa niasa

Ampianaro hikarakara sakafo ny zanakao

[Sary, pejy 6]

Mambole legioma kely mba hampihenana ny sakafo vidina ary hamaino eny ivelany ny lamba