Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anisan’ny Mampiavaka An’i Ogandà ny Riandranon’i Murchison

Anisan’ny Mampiavaka An’i Ogandà ny Riandranon’i Murchison

Anisan’ny Mampiavaka An’i Ogandà ny Riandranon’i Murchison

“Io no riandrano lehibe indrindra amin’i Nil.”—Atoa Samuel Baker, mpikaroka tany vaovao.

MAHASONDRIANA foana ny riandrano. Betsaka ny olona mitsidika azy ireny satria mahafinaritra sy mampahazo aina ilay feon-drano midona amin’ny vato eny ambaniny, sy ilay zavona mangatsiatsiaka avy eo amin’ireo riandrano.

Toy izany ny Riandranon’i Murchison * any Ogandà. Mirefy 6 400 kilaometatra mahery ny Reniranon’i Nil ary misy milaza fa ny Riandranon’i Murchison no tena mahatalanjona amin’io renirano io. Marina fa tsy avo be toy ny Riandranon’ny Anjely any Amerika Atsimo ilay riandrano, sady tsy be velarana toy ny Riandranon’i Victoria any Afrika sy ny Riandranon’i Niagara any Amerika Avaratra. Sarotra hadinoina anefa ny hatsarany sy ny heriny.

Ny tantarany

Mirefy 3 841 kilaometatra toradroa ny Valan-javaboarin’ny Riandranon’i Murchison, ary ao anatin’izy io ny Riandranon’i Murchison. Any avaratrandrefan’i Ogandà io valan-javaboary io, ary naorina tamin’ny 1952. Nitsidika an’ilay riandrano i Baker taoriana kelin’ny 1860, ary nosoratany tao amin’ilay bokiny hoe Ny Albert N’yanza (anglisy) ny fahitany azy io.

Hoy izy: ‘Nahita zavatra tsara be tampoka izahay rehefa tonga teo. Fotsy botsiaka ilay riandrano, eo anatrehan’ilay moron-drano matromatroka, ary manome endrika an’ilay toerana ireo palmie any amin’ny tany mafana sy ny akondrolahy. Io no riandrano lehibe indrindra amin’i Nil.’ Nantsoin’i Baker hoe Riandranon’i Murchison io riandrano io tamin’ny voalohany, ho fanomezam-boninahitra ny filohan’ny Fikambanana Anglisy Mpikaroka Momba ny Tany.

Fomba itazanana azy

Hahatazana tsara an’ilay riandrano ianao raha mandeha sambo. Eo Paraa no miainga ny sambo. Afaka mamakivaky an’i Nil sy mitazana bibidia ianao. Matetika ny mpitsidika no mahita hipopotama, elefanta lehibe, voay, ary ombidia. Mety ho variana mijery bibidia ny mpitsidika ka hadinony hatramin’ny anton-diany hijery an’ilay riandrano. Rehefa tonga eo amin’ilay rano fotsy botsiaka izay toy ny miboiboika avy ao anaty vato anefa izy, dia azony ihany hoe nahoana i Baker no nitolagaga.

Hafa mihitsy ny fahitana an’ilay riandrano avy eny ambony, ary maro no milaza fa izany no tsara indrindra, na dia betsaka aza no mankafy ny mijery azy avy eny ambony sambo. Hita tsara avy eny ambony ilay renirano, izay 49 metatra ny sakany, mibosesika eo amin’ilay vavarano 6 metatra eo ho eo, ary milatsaka any amin’ny 40 metatra any ambany. Voalaza fa “anisan’ny rano mitosaka mafy indrindra eran-tany izy io.” Ren’ny mpitsidika, indraindray, hoe mihovotrovotra kely ny tany, noho ilay rano mibosesika.

Nilaza izay tsapany taloha kelin’ny nahitany an’ilay riandrano i Baker. Nilaza izy hoe nandre feon-javatra mirohondrohona be rehefa nandehandeha vao maraina. Nieritreritra izy fa feona kotroka any lavitra any ilay izy. Gaga anefa izy rehefa nahita fa hay feon’ilay riandrano izany.

Variana i Baker tamin’izay. An’arivony koa isan-taona no variana mitazana ny hakanton’ilay riandrano sy ny heriny. Tsy hay hadinoina ny hamafin’ny rano mianjera eny ambany. Tsy misy mitovy amin’ny Riandranon’i Murchison tokoa amin’ny Reniranon’i Nil.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Antsoina koa hoe Riandranon’i Kabalega na Kabarega izy io.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Valan-javaboarin’ny Riandranon’i Murchison

Fantatra tamin’ny 1969 fa nisy hipopotama 14 000 sy elefanta 14 500 ary ombidia 26 500 tao amin’io valan-javaboary io. Nihena be anefa ny isan’izy ireo taorian’izay. Nisy ezaka natao mba hiarovana azy ireo ka nihanitombo indray ny isany, tato ho ato. Maro koa izao ny biby hafa hita ao amin’ireo ala, anisan’izany ny rajako sy ny babakoto. Mety tsara hiraofan’ny biby toy ny zirafy sy ny karazana antilopa koa ireo toerana be bozaka. Misy karazana biby mampinono miisa 70 mahery sy karazana vorona 450 mahery ao amin’io valan-javaboary io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary rehetra, pejy 16 sy 17: Courtesy of the Uganda Wildlife Authority