Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanova An’i Angletera Ilay Bokin’ny Andro Fitsarana

Nanova An’i Angletera Ilay Bokin’ny Andro Fitsarana

Nanova An’i Angletera Ilay Bokin’ny Andro Fitsarana

Resin’i Guillaume I andrianan’i Normandia (Frantsa) i Angletera, tamin’ny 1066. Nanadihady an’ilay tany vaovao nanjakany izy, 19 taona tatỳ aoriana. Lasa nantsoina hoe Bokin’ny Andro Fitsarana (Domesday Book) ny firaketana an’io fanadihadiana io. Nahoana izy io no mbola anisan’ny boky ara-tantara sarobidy indrindra any Angletera?

TONGA tao Hastings, any Angletera, i Guillaume I, tamin’ny Septambra 1066. Tao izy no nandresy ny tafik’i Harold mpanjaka anglisy sy namono azy, tamin’ny 14 Oktobra. Ilay Mpandresy no nahafantarana an’i Guillaume I, tatỳ aoriana. Nohosorana ho mpanjaka izy tamin’ny 25 Desambra 1066, tao amin’ny Monasiteran’i Westminster. Inona no nanjo ny Anglisy rehefa nanjaka izy?

Ilay fanadihadiana lehibe

Nandravarava tany avaratr’i Angletera i Guillaume Mpanjaka, ary nataony lao ny faritra maro. Hoy i Trevor Rowley, mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Tena feno habibiana ilay ‘fandravaravana tany Avaratra’, (1068-1070) na dia somary lozabe ihany aza ny olona tamin’izany.” Nisy foana ny olona te hanongana an’i Guillaume. Roa tapitrisa angamba ny mponina tamin’izany, ary halan’izy ireo ny miaramilan’i Guillaume niisa iray alina na latsaka. Nanorina tanàna mimanda 500 mahery nanerana an’i Angletera ireo avy tany Normandia, ka ny Tilikambon’i Londres no malaza indrindra.

Nivory dimy andro tao Gloucester, Angletera, i Guillaume sy ny olona ambony hafa, tamin’ny Desambra 1085. Nokasain’izy ireo hanaovana fanadihadiana i Angletera, afa-tsy i Londres sy Winchester. Nisy olona niara-nirahina ho any amin’ny faritra fito samihafa, tamin’ny voalohandohan’ny 1086. Nasaina nanadihady an’ireo solontenam-paritra sy nanombantombana ny harena tany izy ireo.

Nila vola handoavana ny karaman’ny miaramilany ilay mpanjaka, ary niady tany koa ny olona ka tsy maintsy nalamina. Ho afaka nipetraka tany Angletera ny avy tany Frantsa, ka ho natanjaka foana ny fanjakan’i Normandia raha voalamina ireo.

Ilay boky

Nomen’i Guillaume an’ireo olona ambony avy any Normandia ny tanin’ireo olona ambony tany Angletera, taoriana kelin’ny nandreseny an’i Angletera. Hita tamin’ilay fanadihadiana fa efa teo am-pelatanan’ny olona 200 latsaka ny antsasaky ny harena tany Angletera, ka ny 2 ihany no Anglisy. Tsy afa-nanoatra ny Anglisy 6 000 teo ho eo fa tsy maintsy nanofa tany na trano, nefa izy ireo no tompony talohan’ny 1066. Nitrongy vao homana kosa ireo mahantra sy ireo lasa tsy nanan-tany.

Nampanan-kery an’ireo fakana tany nataon’ny mponin’i Normandia ilay boky. Nahafahana namaritra indray ny hetran’ny tany, trano, ala, ary saha nisy nanofa koa izy io. Voatanisa tao hatramin’ny biby tsirairay, toy ny omby sy kisoa. Nampihorohoro an’ireo Anglisy nampahorina izany satria fantany fa tsy ho afa-manoatra izy ireo. Lasa nantsoina hoe Bokin’ny Andro Fitsarana ilay boky satria noheverina ho “Andro Fitsarana” na “Andro Manjombona” ny fotoana nanaovana an’ilay fanadihadiana.

Mizara roa ilay boky, vita amin’ny hodi-biby malefaka, ary nosoratana tamin’ny teny latinina. Lehibe ny iray ary misy takelaka 413. Ny iray kosa kely velarana ary misy takelaka 475. * Mbola tsy vita ilay boky tamin’ny 1087 rehefa maty i Guillaume. Ahoana no nahavitana an’izany tao anatin’ny herintaona?

Efa nanana firaketana misy tsipiriany momba ny tompom-pananana sy ny mpanofa ary ny hetra ny fanjakana anglisy. Izy io no nampiasain’ireo avy any Normandia. Afaka nanombana ny hetra tokony hotakina àry izy ireo ka naniraka manam-pahefana tany amin’ny faritra tsirairay mba hanadihady.

Ilay boky ankehitriny

Matetika ny fianakavian’ny mpanjaka no nitondra an’ilay boky nanaraka azy, talohan’ny 1500 tany ho any. Handaminana ady tany no tena nampiasana azy io, tamin’ny voalohany. Nampiasain’Atoa William Blackstone, Anglisy mpahay lalàna malaza, anefa izy io tamin’ny taonjato faha-18 mba hahitana hoe iza no mpanofa trano na tany manan-jo hifidy. Nafindrafindra toerana foana izy io, fa any amin’ny Arisivam-pirenen’i Royaume-Uni izy io izao.

Nozarazaraina ho boky dimy izy io tamin’ny 1986, ho fanamarihana ny faha-900 taonany. Nadika tamin’ny teny anglisy izy io ary nohavaozina mba hampiasain’ny manam-pahaizana sy ny mpahay tantara. Nisy mpilaza vaovaon’ny BBC niantso azy io hoe “firaketana tena ilaina ao amin’ny arisivam-pirenena ary ... mbola manan-kery mba hanaporofoana hoe iza no tompon’ny tany iray.” Izy io no nentina nanamarina tamin’ny 1958 fa an’ny tanàna iray ny tsena iray.

Mbola io boky io no ampiasain’ny mpikaroka mba hahitana ny toerana nipetrahan’ny Anglisy sy ny avy tany Normandia fahiny. Sarobidy tokoa ny fanazavana ao amin’ny Bokin’ny Andro Fitsarana sady tena nanampy teo amin’ny fandrosoan’ny firenena anglisy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Lisitry ny fananana azo itakiana hetra no tao amin’ilay boky. Soratra nohafohezina no nampiasaina tao amin’ilay boky lehibe. Soratra mahazatra kosa no tao amin’ilay boky kely ary tsy mitovy amin’izay tao amin’ilay lehibe ny tao anatiny.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Ny Paikadin’i Guillaume

Nasain’i Guillaume nolazain’ny papa hoe ady masina ilay fanafihana nataon’i Guillaume, ary ho takalon’izany dia nampanantena izy fa homeny fahefana bebe kokoa eo amin’ny Eglizy anglisy ny papa. Nanaiky avy hatrany ny papa. Nilaza i David Douglas, mpampianatra, fa “nandresy” i Guillaume “noho io fifampiraharahana io.” Nilaza koa i George Trevelyan, mpahay tantara, ao amin’ny bokiny hoe Tantaran’i Angletera (anglisy) fa ‘tena nanampy an’i Guillaume ny fanohanan’ny papa. Raha tsy izany mantsy dia ho niharihary hoe fakana an-keriny ny nataony fa tsy ady masina.’

[Sary nahazoan-dalana]

© The Bridgeman Art Library

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

ANGLETERA

LONDRES

Hastings

La Manche

NORMANDIA

[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]

Boky: Mary Evans/The National Archives, London, England