Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vorona Mahay Manjono

Vorona Mahay Manjono

Vorona Mahay Manjono

MISY zavatra telo tsy maintsy ataon’ny mpanjono: 1) Mitady trondro, 2) manatona azy ireny, ary 3) misambotra azy. Manao toy izany koa ny vorona mpanjono.

Nampiasa vy maranitra ny Ejipsianina fahiny mba hahazoana trondro. Efa nahay an’izany ny karazana vano sasany, ela be talohan’ny nampiasan’ny olombelona an’io fomba io.

Ny vavany maranitra toy ny lefona no ampiasain’ny vanokasira, fahita any amin’ny Vinanin’i Nil, mba hahazoana trondro. Mety hahazo trondro roa indray miaraka mihitsy izy, ary mahalany trondro antsasa-kilao mahery isan’andro. Azo lazaina hoe fetsy noho ny olona ny vano rehefa manjono.

Mahay mijoko sy misambotra ny hazany ny vano, amin’ny ankapobeny. Mandehandeha moramora eny amin’ny rano marivo izy, na mijoro fotsiny indraindray ary efa vonona ny vavany. Rehefa misy trondro manatona, dia atsobony haingana ao anaty rano ny lohany ary samboriny amin’ny vavany ilay trondro. Matetika izany no ilana faharetana.

Mampiasa jono

Milaza ny boky Ny Fiainan’ny Vorona (anglisy) fa toa maka tahaka ny olona ny karazana vano iray any Japon. Fanaon’ny olona any ny manome poti-mofo an’ireo trondro any amin’ireo farihy haingon-tanàna. Tena fetsy ireo vano ireo ka mampiasa poti-mofo koa mba hamitahana ny trondro hanatona azy.

Mampiasa mofo koa ny vanofotsy any Karaiba mba hamitahana trondro. Tsy mila mampiasa jono aza ny vanofotsy fa ny tongony mavomavo no hamitahany trondro. Mijoro amin’ny tongony iray ao anaty rano marivo izy ary ahetsiketsiny ny tongony ilany mba hanintonana ny trondro tia jerijery.

Mipaoka dia lasa

Maro ny fomba fanjonoan’ny vorona. Ilay ankoay antsoina matetika hoe hitsikitsika mpihinan-trondro no tena mipaoka dia lasa. Manidina eo ambony rano izy ary mijery an’izay trondro manakaiky ny fanambonin’ny rano. Rehefa mahita trondro izy, dia akombony ny elany, milatsaka eo amin’ilay rano izy sady manitsy eny amin’ilay trondro, ary alainy amin’ny hohony ilay trondro. Tsy tokony ho tara mihitsy izy amin’izany ary tokony hahita tsara ny masony.

Mavesatra loatra indraindray ny trondro azon’ny ankoay afrikanina ka tsy zakany. Mety hahatratra roa kilao sy sasany mahery ilay trondro. Inona no ataon’ilay vorona? Voamarik’ireo mpandinika ny zavaboary fa misy ankoay mitaritarika trondro mankeny amoron-drano, ka ny elany no ataony toy ny fivoy.

Mitsoraka any anaty rano

Mankao anaty rano koa ny ngovo rehefa maka trondro, saingy mitsoraka mahitsy. Manao andiany izy ireo rehefa mitady andian-trondro milomano eny akaikin’ny fanambonin’ny rano. Rehefa mandalo ireo trondro mivolombolafotsy, dia lasa manopy maitso ny ranomasina manga antitra rehefa tazanina avy eny ambony. Mitsoraka amin’izay ireo ngovo rehefa mahita an’ilay loko maitso.

Toy ny zana-tsipìka ny fitsoraky ny ngovo mankao anaty rano, ary mahatratra 96,56 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany. Mitovitovy amin’ireny mpifaninana amin’ny lalao olympika ireny ny hatsaran’ny paozin’izy ireo mitsoraka. Tsy ela dia voamariky ny ngovo hafa izany ka tonga haingana eo amin’ilay sakafo be koa izy ireo.

Tsy toy ny vano ny ngovo satria tsy amin’ilay fotoana idirany ao anaty rano no akany trondro. Mitsoraka ao anaty rano izy ary lasa any amin’ny lalina be. Rehefa miakatra avy any izy vao misambotra sy mandrapaka trondro.

Mpitsoraka mahay koa ny samby, saingy manidintsidina manakaiky ny rano. Milaza ny Boky Momba ny Vorona Eran-tany (anglisy) hoe “mailaka sy kinga ary mahay manidina” ny samby ary izay no ianteherany, fa tsy mitsoraka be toy ny ngovo izy. Avy eo amin’ny fanambonin’ny rano no isamborany trondro. Mahalana izy no manenjika trondro any anaty rano, sady vetivety ihany.

Miara-miasa tsara

Hoatran’ny tsy hahazo trondro mihitsy ny gisandrano amin’ilay vavany ngezabe. Kinga be anefa izy ireny rehefa manidina sy manjono. Misy gisandrano misitrika ao anaty rano rehefa maka trondro, na maka trondro ao amin’ny haraton’ny olona. Mahazo trondro betsaka kokoa anefa izy ireo rehefa miaraka.

Manao andiany ny gisandrano, amin’ny ankapobeny. Miavaka izy ireo satria zatra miara-miasa rehefa manjono. Mankeo ambony rano ny gisandrano 12 eo ho eo, ary manao antsasa-paribolana. Milomano tsimoramora izy ireo mba handroahana an’ireo trondro ho eny amin’ny marivo. Samy manokatra ny elany izy ireo avy eo, ary miara-mandentika ny lohany any anaty rano, ka mandrapaka trondro.

Mazava ho azy fa tsy hoe mahazo trondro foana ny vorona, toy ny olombelona ihany. Mbola resiny anefa ny olombelona raha amin’ny resaka fanjonoana.

[Sary, pejy 12]

Ankoay afrikanina

[Sary nahazoan-dalana]

Photolibrary

[Sary, pejy 12]

Vanokasira

[Sary, pejy 13]

Karazana ngovo

[Sary, pejy 13]

Samby

[Sary, pejy 13]

Gisandrano aostralianina