Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tanjon’ny Ray Aman-dreny?

Inona no Tanjon’ny Ray Aman-dreny?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Tanjon’ny Ray Aman-dreny?

TIANAO ho hoatran’ny ahoana ny zanakao?

A. Mitovy tanteraka aminao.

B. Mpikomy sady tsy te hitovy aminao mihitsy.

D. Olon-dehibe matotra sy mahay manapa-kevitra.

Ilay safidy D no irin’ny ray aman-dreny sasany, nefa ny zavatra ataony toy ny manatratra ny safidy A. Tereny hanaraka ny fitsipiny ny zanany, ka lazainy azy, ohatra, ny asa tokony hofidiny. Inona no vokany? Zavatra hafa tanteraka no hataon’ilay zanany, rehefa lehibe sy afaka manao izay tiany izy. Mahatsikaiky fa lasa mpikomy ny zanak’ireo nanery ny zanany hitovy aminy.

Aza terena hanao izay tianao ny zanakao

Tianao ho olon-dehibe matotra sy hahay hanapa-kevitra ny zanakao. Azo antoka fa tsy ho vitanao izany raha manery azy hanao izay tianao ianao. Diniho ireto antony roa ireto:

1. Tsy mampirisika an’izany ny Soratra Masina. Nataon’i Jehovah Andriamanitra afaka mifidy ny olombelona. Avelany hifidy izay hataony ny olona, na tsara izany na ratsy. Tezitra tamin’i Abela rahalahiny, ohatra, i Kaina ka te hamono azy. Hoy i Jehovah tamin’i Kaina: “Tsy hisandratra ve ianao raha mba miova ka manao ny tsara? Fa raha tsy miova mba hanao ny tsara kosa ianao, dia misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny. Ary ianao kosa ve hahafehy azy?”—Genesisy 4:7.

Mariho fa tsy nanery an’i Kaina i Jehovah rehefa nanoro hevitra azy. Navelany hifidy i Kaina hoe hifehy ny hatezerany sa tsia. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy manery ny zavaboariny hankatò azy i Jehovah. Tsy tokony hoterenao hankatò anao koa àry ny zanakao. *

2. Matetika no tsy araka ny nieritreretana azy ny vokatra azo. Eritrereto hoe teren’ny mpivarotra iray hividy ny entany ianao. Vao mainka ianao tsy te hividy, arakaraka ny anereny anao. Tsy tianao ny ataony, ka na ilainao aza ilay entana dia andosiranao izy.

Mety ho toy izany koa no hitranga raha terenao hitovy amin’ny anao ny fitsipika sy ny zavatra inoan’ny zanakao ary ny tanjony. Hanaiky azy ireny ve izy? Mety ho ny mifanohitra amin’izany no hitranga ka lasa tsy ho tiany ny fitsipika arahinao. Matetika no tsy mahomby ny ray aman-dreny mitady hifehifehy loatra ny zanany. Inona àry no azonao atao?

Aza terena hanaraka ny fitsipikao, toy ny nataonao taminy tamin’izy mbola kely, izy. Ampio kosa izy hahatsapa fa mahasoa ny manao ny tsara. Raha Kristianina, ohatra, ianareo dia asehoy azy fa ho afa-po sy ho sambatra izy raha mankatò ny fitsipik’Andriamanitra.—Isaia 48:17, 18.

Aoka ianao ho modely. Asehoy amin’ny ataonao hoe tianao ho olona manao ahoana izy. (1 Korintianina 11:1) Ataovy mazava ny fitsipika arahinao. (Ohabolana 4:11) Handray fanapahan-kevitra tsara ny zanakao, na tsy eo aza ianao, raha tia an’Andriamanitra sy ny fitsipiny izy.—Salamo 119:97; Filipianina 2:12.

Ampianaro izy

Noresahintsika tany amin’ny pejy faha-2 fa “handao ny rainy sy ny reniny” ny ankizy rehefa lehibe, ary mety tsy ho hitahitanao akory dia tonga izany. (Genesisy 2:24) Ray aman-dreny ianao ka tianao ho azo antoka hoe hanana ny fahaizana tena ilainy izy rehefa lasa olon-dehibe mahaleo tena. Ireto misy zavatra azonao anampiana azy, dieny mbola ao an-trano izy.

Raharaha sy zavatra hafa ao an-trano. Hain’ny zanakao ve ny mahandro sakafo, manasa sy mipasoka ny lambany, manadio sy mampirin-trano, ary mikojakoja sy manamboatra ny zavatra madinidinika ao an-trano? Hanampy ny zanakao hahay hitantana tokantrano izany. Hoy ny apostoly Paoly: “Fantatrareo tsara fa ireto tanako ireto no nahazoako izay nilaiko.”—Asan’ny Apostoly 20:34.

Fifandraisana amin’ny hafa. (Jakoba 3:17) Mifandray tsara amin’ny hafa ve ny zanakao? Tony sy tsara fanahy ve izy rehefa mandamina tsy fifanarahana? Ampianarinao hanaja ny hafa sy hitandro fihavanana ve izy rehefa misy olana? (Efesianina 4:29, 31, 32) Hoy ny Baiboly: “Hajao ny karazan’olona rehetra.”—1 Petera 2:17.

Fitantanam-bola. (Lioka 14:28) Afaka mampianatra ny zanakao hitady vola sy hitantam-bola ary tsy hidi-trosa ve ianao? Efa nampianarinao ve izy mba hanangom-bola hividianany an’izay ilainy, tsy hividividy befahatany, ary hianina amin’izay tena ilainy? (Ohabolana 22:7) Hoy i Paoly: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.

Ho lasa olon-dehibe matotra sy hahay hanapa-kevitra ny zanakao raha zarinao hanaraka fitsipika tsara sy hanana ny fahaizana tena ilaina. Hahatratra ny tanjonao ianao amin’izay.—Ohabolana 23:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2011, pejy 18-19.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no tanjon’ny ray aman-dreny?—Hebreo 5:14.

● Inona no tsy maintsy ataon’ny zanakao rehefa lasa olon-dehibe izy?—Josoa 24:15.

[Sary, pejy 25]

Tianao ho hoatran’ny ahoana ny zanakao?

Mitovy tanteraka aminao...

Sa mpikomy...

Sa olon-dehibe matotra