Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny 17 isan-jato eo ho eo amin’ny mpianatra 10 ka hatramin’ny 13 taona, any Brezila, no mpampijaly kely na misy mampijaly.—O ESTADO DE SÃO PAULO, BREZILA.

Ankizy latsaka ny 12 taona izao dia efa miakatra tosidra, be kolesterola, misy vato any amin’ny voa, ary marary aty. Inona no tena mahatonga izany? Tsy dia mampiasa vatana izy ireo, tia haninkanina, ary matavy loatra.—ABC, ESPAINA.

Araka ny tombantombana iray avy amin’ny fanjakana amerikanina, dia 442 380 000 ariary eo ho eo, ary 583 140 000 ariary eo ho eo raha ampifanitsiana amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, no ho lany hitaizana zaza teraka tamin’ny 2008, mandra-pahafenony 18 taona, raha ao amin’ny fianakaviana antonontonony any Etazonia.—MINISITERAN’NY FAMBOLENA, ETAZONIA.

Tsy Mahay Milalao Intsony

Ny ampahadimin’ny ray aman-dreny any Grande-Bretagne no milaza fa tsy mahay “milalao miaraka amin’ny zanany” intsony, araka ny fanadihadiana natao vao haingana. Milaza ny ampahatelon’izy ireo fa mankaleo ny milalao. Ny hafa kosa tsy manam-potoana na tsy mahita hevitra. Hitan’i Tanya Byron mpampianatra sady psikology, taorian’iny fanadihadiana iny, fa raha tiana hety tsara ny fiarahan’ny ray aman-dreny milalao amin’ny zanany dia misy zavatra efatra tokony ho hay: Mampianatra, mamoron-kevitra, miara-milalao ary mifampiresaka. Tian’ny ankizy ny manao lalao video irery, nefa ny ampahatelon’ny ray aman-dreny no milalao izany miaraka amin’ny zanany. Anisan’ny tian’ny ankamaroan’ny ankizy 5 ka hatramin’ny 15 taona hiarahana amin’ny ray aman-dreniny ny lalao eny an-kalamanjana sy ny kilalao toy ny karatra sy daomy.

Famakiana Tantara Alohan’ny Hatoriana

Misy tranonkala ao amin’ny Internet natao hanampiana ny raim-pianakaviana be atao ka tsy mahavita mamaky tantara ho an-janany. Hoy ny gazety Daily Telegraph, any Sydney: “Misy programa avo lenta maka ny feon’ilay ray mamaky tantara, manampy feon-kira sy feo hafa, ary mandefa izany any amin’ilay zanany.” Somary nampisalasala ny manam-pahaizana momba ny fifaneraserana anefa izany. Nikaroka momba ny fifandraisan’ny mpianakavy ny Pr. Richard Fletcher ao amin’ny Oniversiten’i Newcastle any Aostralia. Hoy izy: ‘Mampifandray akaiky ny vakiteny.’ Miresaka amin-janany sy misakambina azy ary miara-mihomehy aminy ny raim-pianakaviana rehefa mamaky teny ho azy. Milaza i Fletcher fa tsy misy e-mail mahasolo ny hoe mipetraka miaraka amin’ilay ankizy sy mamaky tantara ho azy.