Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavaboary Hafakely any Tasmania

Zavaboary Hafakely any Tasmania

Zavaboary Hafakely any Tasmania

MANGINA sy milamina ilay toerana mandritra ny andro. Misy feo mampitsangam-bolo mierona sy mikiakiaka anefa manako ao anatin’ilay ala, amin’ny alina. Feon’inona ilay izy? Feon’ilay biby hafahafa anarana atao hoe devolin’i Tasmania. Toy ny hoe masiaka be ireo biby mafy toto ireo amin’izato paoziny sy feony, indrindra rehefa mihinana fatim-biby. Tsy tena toy izany anefa izy ireo.

Vetivety kely io biby io dia mahavita mihinana ny fatim-biby ao anaty ala. Matanjaka be ny valanoranony sy ny nifiny ka mahalany hoditra sy taolana, ary na vatam-biby manontolo aza. Mety hahatratra 40 isan-jaton’ny lanjany ny sakafo laniny, ao anatin’ny antsasak’adiny, izany hoe toy ny olona iray mahalany hena 25 kilao indray mihinana!

Biby mahafatifaty be kosa ny wombat, izay matavitavy mahate hamihina. Misy paosy ny vavy sady mampinono. Tsy toy ny an’ny biby hafa misy paosy anefa ny paosiny, fa mitodika any ambany, angamba mba hiarovana ny zanany hadio foana rehefa mandavaka izy. Maniry foana koa ny nifiny. Tena ilainy izany satria iny no hikikisany ny zavatra manakantsakana azy any ambanin’ny tany. Mahagaga fa mailamailaka erỳ izy na dia matavy aza, ary afaka maka ny zavamaniry amin’ny tongony aloha sy mampiditra izany ao am-bavany.

Biby hafahafa koa ny ornithorynque. Toy ny an’ny ganagana ny vavany sy ny felan-tongony, volomboloina izy, ary fisaka lavalava ny rambony. Manatody toy ny akoho izy, mandavaka toy ny wombat, ary mampinono toy ny orsa. Tsy mahagaga raha noheverin’ilay mpahay siansa nandinika azy voalohany ho tsy tena biby izy.

Nahoana no mahafinaritra antsika erỳ ny mahita biby toy ireny? Satria tian’ny Mpamorona hankafy azy ireny isika. Milaza ny Baiboly fa niteny an’izao tamin’ny mpivady voalohany izy: ‘Aoka hanaiky anareo ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’ (Genesisy 1:28) Tsy tiantsika hanaiky antsika tokoa ve ireny biby ireny rehefa mandinika azy ireny isika?

[Efajoro/Sary, pejy 11]

HAZO GOAVAM-BE

Vitsy ny hazo mahatoraka ny haben’ny hazo goavana any Tasmania. Karazana kininina misy felany no lava indrindra amin’izy ireo, ary 75 metatra eo ho eo ny haavony. Mirefy 99,6 metatra ny avo indrindra amin’izy io, izany hoe latsaka 16 metatra monja amin’ilay hazo lava indrindra eran-tany, izay any Kalifornia, Etazonia.

Misy karazana kesika iray mahavariana koa any. Antsasak’ilay kininina goavana ny haavony, nefa avo enina henin’ny fotoana ahaveloman’izy io ny fahavelomany. Misy mpahay siansa milaza fa mety ho velona 3 000 taona mahery io kesika io, ary izy no hazo ela velona indrindra eto an-tany. Tena tian’ny mpanao fanaka sy ny mpanamboatra sambo io “mpanjakan’ny hazo” any Tasmania io. Mora arafitra io hazo miloko mavo volontany io sady misy menaka voajanahary miaro azy sy mandroaka bibikely. Misy amin’io karazana kesika io aza efa an-jatony taona lasa no nianjera, nefa mbola azo ampiasaina.

[Sary, pejy 10]

Devolin’i Tasmania

[Sary nahazoan-dalana]

© J & C Sohns/age fotostock

[Sary, pejy 11]

“Wombat”

[Sary, pejy 11]

“Ornithorynque”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Wombat sy ornithorynque: Tourism Tasmania; hazo goavana: Tourism Tasmania and George Apostolidis