Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Tokony Hanatrika Fivoriana Kristianina?

Nahoana Aho no Tokony Hanatrika Fivoriana Kristianina?

TIANAO VE NY MANATRIKA FIVORIANA KRISTIANINA?

ENY → TOHIZO FOANA IZANY

TSIA → AHOANA NO HITIAVANAO AN’ILAY IZY?

MANDIDY ny Kristianina mba hiara-mivory ny Baiboly. (Hebreo 10:25) Ahoana anefa raha tsy mahafinaritra anao ny mivory? Ahoana raha variana mieritreritra an’izay azonao atao any an-toeran-kafa ianao, mandritra ny fivoriana? Andramo izay soso-kevitra tianao ato amin’ity lahatsoratra ity.

1. MIVORIA TSY TAPAKA

Andinin-teny: ‘Aoka isika tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory.’—Hebreo 10:24, 25.

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Nahoana no ataoko foana ny zavatra iray toa tsy mahafinaritra ahy akory?’ Satria izany no hahatonga anao ho tia an’ilay izy. Eritrereto izao: Ho hainao tsara sy ho tianao ve ny fanatanjahan-tena iray raha tsindraindray fotsiny ianao vao manao azy io? Mitovy amin’izany ny fivoriana kristianina. Arakaraka ny anatrehanao azy no hahatsapanao hoe mihatsara ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Izany kosa no handrisika anao hivory foana.—Matio 5:3.

Soso-kevitra: Isaky ny avy mivory, dia manatòna olona iray na mihoatra, amin’ireo nanana anjara, ary lazao azy izay tianao tamin’ny anjarany. Raiso an-tsoratra izay soa noraisinao tamin’ny fivoriana. Momba ny fitoriana koa ny ankamaroan’ny zavatra dinihina any am-pivoriana. Ataovy tanjona àry ny hanatsara ny fahaizanao miresaka ny finoanao amin’ny hafa. Ho hitanao hoe mahakasika anao kokoa ny fivoriana amin’izay.

“Mbola kely aho dia efa nampianarina hoe tsy maintsy mivory. Tsy nieritreritra mihitsy aho, na dia tamin’ny mbola kely aza, hoe mahazo tsy mivory. Izany foana no toe-tsaiko hatramin’izao.”—Kelsey.

Fehiny: Mankafy kokoa an’ireo fivoriana sy mandray soa kokoa izay mivory tsy tapaka.

2. MIFANTOHA TSARA

Andinin-teny: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.”—Lioka 8:18.

Lazain’ny mpikaroka hoe ny 60 isan-jato eo ho eo amin’ny famelabelaran-kevitra henoin’ny olona no hadinony, rehefa mifarana ny andro. Ahoana raha ny volanao no very haingana be hoatr’izany? Tsy hitady hevitra hitazonana azy ve ianao?

Soso-kevitra: Mipetraha eny aloha, miaraka amin’ny ray aman-dreninao. Tsy ho voahelingelina kokoa ianao eny. Mandraisa an-tsoratra. Marina fa samy manana ny fomba fianarany ny olona. Hifantoka amin’ilay anjara anefa ianao raha mandray an-tsoratra, sady mbola azonao vakina izany, any aoriana any.

“Sarotra be tamiko taloha ny nifantoka rehefa tany am-pivoriana. Mifantoka kokoa anefa aho izao. Miezaka mitadidy aho hoe nahoana no mivory. Tsy fombafomba hoatran’ny mandeha miangona ilay izy. Manompo an’Andriamanitra sy mianatra zavatra azoko ampiharina eo amin’ny fiainako kosa aho rehefa mivory.”—Kathleen.

Fehiny: Mitovy amin’ny mamonjy mariazy nefa tsy mihinan-kanina ny mandeha mivory nefa tsy mifantoka.

3. MANDRAISA ANJARA

Andinin-teny: “Ny vy no andranitana ny vy; dia toy izany koa ny olona ihany no andranitana ny sain’olon-kafa.”—Ohabolana 27:17, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Tena ilaina eo anivon’ny fiangonana ianao satria tanora. Zava-dehibe ny fahatongavanao sy ny fandraisanao anjara, na rehefa manome valin-teny ianao na rehefa mifampiresaka amin’ny mpiray finoana aminao.

Soso-kevitra: Ataovy tanjona ny hanome valin-teny iray, fara fahakeliny. Mazotoa manampy amin’ny fanadiovana na asa hafa tokony hatao, aloha na aoriana na mandritra ny fivoriana. Miresaha amin’ny olona tsy dia mpiresaka aminao.

“Nitondra mikrô sy nikarakara lampihazo aho, tamin’izaho 15 taona tany ho any. Tsapako hoe nilaina aho rehefa nahazo andraikitra toy ireny, ary nandrisika ahy hivory sy ho tonga ara-potoana izany. Lasa tia nianatra Baiboly sy nanompo an’Andriamanitra aho.”—Miles.

Fehiny: Aza mipetra-potsiny fa mandraisa anjara. Mandray soa kokoa izay mandray anjara raha oharina amin’izay mitazam-potsiny.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Efajoro/Sary, pejy 21]

ASAINA IANAO!

Tianao ve ny

● Hahalala tsara an’Andriamanitra?

● Ho tsara toetra kokoa?

● Hahita namana tena tsara?

Hanampy anao amin’ireo sy amin-javatra maro ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mivory indroa isan-kerinandro any amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, mba hanompo an’Andriamanitra. Tsy misy fanantazan-drakitra any ary raisina tsara ny olona vaovao.

Aza misalasala fa tongava! Tsy mitovy amin’ny trano fiangonana efa nalehanao ny Efitrano Fanjakana. Mianatra Baiboly no tena atao any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hianaranao any ny fomba anampian’ny Tenin’Andriamanitra anao hanana fiainana tena tsara.—Deoteronomia 31:12; Isaia 48:17.

Sai: Tamin’izaho nandeha voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia gaga aho hoe tsy nisy sary masina tany, tsy nisy olona nanao akanjona pretra, ary tsy nisy nitaky vola tamiko. Nandray ahy tsara daholo ny olona, ary azoko tsara ny aiko. Mora azo sady nitombina ny zavatra nodinihina tany. Hitako ny fahamarinana efa notadiaviko.

Deyanira: Efatra ambin’ny folo taona aho tamin’izaho nivory voalohany. Tonga dia nandray ahy tsara daholo ny olona. Hoatran’ny hoe faly be ry zareo satria tonga aho, ary tena te hahafantatra ahy ry zareo. Tsy menatra aho niverina tany satria nahafinaritra be ilay fivoriana voalohany.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Fantaro izay hodinihina amin’ny fivoriana manaraka. Mifidiana anjara iray mahaliana anao ary...

HETEZO ARY MANAOVA KOPIA MAROMARO

Fenoy ireto manaraka ireto alohan’ny fivoriana.

Anaran’ilay anjara:

․․․․․

Ny tiako ho fantatra momba an’ilay foto-kevitra:

․․․․․

Fenoy ireto manaraka ireto aorian’ilay anjara.

Izao no nianarako:

․․․․․

Izao no tiako tamin’ilay anjara ka holazaiko amin’ilay nanao azy:

․․․․․