Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Iza no Afaka Manova ny Fiainana eto An-tany?

Iza no Afaka Manova ny Fiainana eto An-tany?

“Manantena zavatra avy amin’ny mpitondra ny olona. Vahaolana no tadiaviny fa tsy fialan-tsiny, na tetikasa tsy mahomby.”—BAN KI-MOON, SEKRETERA JENERALIN’NY FIRENENA MIKAMBANA.

MILAZA ny Baiboly fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Tsy mandre afa-tsy vaovao ratsy isika, ohatra hoe ady, fampihorohoroana, olana ara-toe-karena, ary tontolo iainana mihasimba.

Mbola hiova ihany ve ny fiainana? Hahavita hamaha ny olana eto an-tany ve ny fitondran’olombelona? Sa mila mitady fanampiana hafa isika?

Inona no lazain’ireo firenena?

Maro ny firenena mihambo ho ampian’Andriamanitra. Rehefa mianiana tsy hivadika amin’ny tanindrazany, ohatra, ny Amerikanina, dia milaza fa ‘ampian’Andriamanitra ny fireneny.’ Hita eo amin’ny volany koa ny soratra hoe “Andriamanitra no Itokisanay.”

Tsy mino an’Andriamanitra akory anefa ny olona maro any Etazonia. Hoatr’izany koa ny any amin’ny tany hafa mihambo ho ampian’Andriamanitra. Na ireo milaza fa mino azy aza tsy mitovy hevitra rehefa anontaniana raha miditra amin’ny fiainan’ny olombelona Andriamanitra na tsia.

● Misy milaza fa tsy miraharaha ny olona mihitsy Andriamanitra, fa avelany hanao izay tiany izy ireo.

● Misy indray milaza fa Andriamanitra no mitantana ny fitondran’olombelona, sady mitahy ny ezaka ataon’izy ireo hanovana ny fiainana.

Ahoana ny hevitrao?

Diniho izao: Tsy misy antenaina intsony ny fiainantsika, raha ilay voalohany no marina. Raha ilay faharoa kosa, dia eritrereto izao: ‘Misy firenena tian’Andriamanitra kokoa ve? Raha misy firenena roa miady ary samy mivavaka mba handresy, iza no tahin’Andriamanitra?’ Mety hitombina ve ny hoe samy tsy tahiny?

Inona no ampianarin’ny Baiboly?

1. Tsy mahavita tena ny olombelona. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jeremia 10:23) Manaporofo an’izany ny tantara. Tsy afaka nanatsara ny fiainana ny fitondran’olombelona, na dia tsara fikasa toy inona aza ny mpitondra. “Nanjakazaka tamin’ny namany” kosa “ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

2. Mampalahelo azy ny manjo antsika. Fantany izay mahazo antsika, ary mangoraka antsika izy. Hanao zavatra koa izy amin’ny alalan’ilay Fanjakany, izay “tsy ho rava mandrakizay.”—Daniela 2:44.

3. Tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ilay Fanjakana angatahin’ny olona tso-po an-tapitrisany amin’ilay vavaka hoe Rainay Izay any An-danitra. Mangataka toy izao izy ireo: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Mariho fa ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra sy etỳ an-tany no tanjon’io Fanjakana io.

4. Andriamanitra no hanova ny fiainantsika, amin’ny alalan’ny Fanjakany. Hino izany ianao, raha mandinika izay ampianarin’ny Baiboly.

● Lavorary ny olombelona tamin’izy vao noforonin’Andriamanitra ary tsy nisy nampanahy azy ireo.—Genesisy 1:27-31.

● Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany, na dia misy aza ny olana.—Salamo 37:11, 29.

● Efa nanao zavatra Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany tamin’izy namorona ny tany sy ny olombelona.—Jaona 3:16.

Tianao ve ny hianatra bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba hanovan’izy io ny fiainantsika? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, izay namoaka an’ity gazety ity. Anontanio azy ireto, rehefa mitsidika anao izy ireo:

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no fanovana hoentin’izy io?

Rahoviana no hanaovany izany ary amin’ny fomba ahoana?

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Nahoana no tsy mahavita azy ny fitondran’olombelona?—Jeremia 10:23.

● Inona no manaporofo fa mitady izay hahasoa antsika Andriamanitra? —Jaona 3:16.

● Hanao ahoana ny tany sy ny olombelona, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra? —Salamo 37:11, 29.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Hahavita hamaha ny olana eto an-tany ve ny fitondran’olombelona? Sa mila mitady fanampiana hafa isika?