Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Hadinoina ny Misaotra!

Aza Hadinoina ny Misaotra!

Aza Hadinoina ny Misaotra!

NAHARAY taratasy fisaorana ve ianao vao haingana? Sa vao nandefa ho an’olona?

Mandroso be izao ny teknolojia. Ny telefaonina sy Internet indray no be mpampiasa fa efa tsy fahita firy ny taratasy fisaorana soratana tanana. Anisan’ny fomba tsara hanehoana fankasitrahana anefa izany. Ahoana no hanaovana azy? Misy soso-kevitra vitsivitsy ireto:

1. Ataovy sora-tanana ilay izy, mba ho hitan’ilay olona hoe natao ho azy manokana.

2. Tonòny ny anaran’ilay olona anoratanao.

3. Lazao ao amin’ilay taratasy ilay zavatra voarainao raha nahazo fanomezana ianao, ary resaho hoe inona no hampiasanao azy.

4. Avereno indray ilay fisaorana, eo amin’ny faran’ilay taratasy.

Faly ny olona rehefa maharay taratasy fisaorana.

Aza hadinoina àry ny misaotra, rehefa misy mampiantrano anao na manao zavatra tsara ho anao na manolotra fanomezana ho anao.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

Any Nenitoa Maria, (2)

Misaotra betsaka tamin’ilay famantaranandro! (3) Mety be amiko ilay izy, satria mamoha ahy amin’ny maraina. Izaho mantsy be torimaso izay ihany. Faly be izahay tamin’ny herinandro nahita anao, ary mino aho fa tonga soa tany aminareo ianao. Mandra-pihaona indray e!

Misaotra betsaka tamin’ilay famantaranandro. (4)

Jaona

[Sary]

(1)

[Efajoro, pejy 29]

SOSO-KEVITRA

● Raha nisy nanome vola ianao, dia aza tononina ao amin’ilay taratasy fisaorana hoe ohatrinona ilay izy. Afaka milaza, ohatra, ianao hoe: “Misaotra betsaka fa tena malala-tanana ianao. Hampiasaiko izao iny vola iny mba...”

● Aza miresaka afa-tsy ilay fanomezana sy ny fankasitrahanao. Tsy eo ianao no tokony hitantara ny vakansy nataonao, na ilay ianao niditra hopitaly.

● Aza lazaina ny tsinin’ilay fanomezana. Tsy tsara, ohatra, ny milaza hoe: “Misaotra betsaka tamin’ilay akanjo, saingy tery be ilay izy ka tsy antonona an’ahy.”

[Efajoro, pejy 29]

Mampirisika antsika hisaotra ny Baiboly. (Lioka 17:11-19) Lazainy fa tokony ‘tsy hitsahatra hivavaka’ amin’Andriamanitra isika sady ‘hisaotra amin’ny zava-drehetra.’—1 Tesalonianina 5:17, 18.