Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahory Antsika Rehetra ny Herisetra

Mampahory Antsika Rehetra ny Herisetra

Mampahory Antsika Rehetra ny Herisetra

MISY vokany eo amintsika ny herisetra, na efa niharany isika na nandre momba izany fotsiny. Mahita an’izany foana isika amin’ny vaovao. Mitaintaina isika na eny an-dalana na any am-piasana. Matahotra koa ny ankizy rehefa any am-pianarana, satria misy mampijaly. Ary na ao an-trano aza, dia mbola mitebiteby ihany ny olona an-tapitrisany, indrindra fa ny vehivavy. Ny antsasany mahery amin’izy ireo no nilaza fa efa novonoin’ny olon-tiany.

Lasa arifomba kokoa izao ny fitaovana fanaraha-maso any amin’ny tany sasany, indrindra fa any amin’ireo tany efa nisy asa fampihorohoroana. Hita amin’izany fa matahotra korontana ara-politika na rotaka na fampihorohoroana ny olona, any amin’ny tany maro.

Tsy mahagaga raha miroborobo ny orinasa manamboatra fitaovana fanaraha-maso, na dia mitotongana aza ny toe-karena eran-tany. Avy aiza ny vola ividianana azy ireny? Avy amin’ny hetra sy ny vola hafa aloantsika amin’ny fanjakana. Mbola mety hisondrotra ny vola aloantsika, satria mihalafo ireny fitaovana ireny sady maro kokoa no ilaina.

Tena misy vokany ratsy ny herisetra, ka tokony handini-tena isika. Anisan’ny mahatonga ny herisetra hiely patrana ve ny haino aman-jery? Nahoana ny olona no mahery setra? Inona no azo atao raha tsy tiantsika ny ho lasa mahery setra? Hamaly izany ireo lahatsoratra manaraka.