Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Olona no Mahery Setra?

Nahoana ny Olona no Mahery Setra?

Nahoana ny Olona no Mahery Setra?

MARO ny antony mahatonga ny olona hahery setra. Tsy ny namana na ny fialam-boly na ny fiaraha-monina fotsiny no mety hahatonga izany. Misy antony hafa koa, anisan’izany ireto:

Kivy sy mamoy fo. Lasa mahery setra ny olona indraindray rehefa misy mampijaly sy manavakavaka, ailikiliky ny fiaraha-monina, mahantra, na mahatsiaro ho voafehifehy.

Voatariky ny vahoaka romotra. Tsy dia mahafehy tena ny olona rehefa tafaraka maromaro, ka mora manao zava-dratsy. Izany no fahita matetika rehefa misy lalao baolina kitra. Nahoana? Milaza ny boky Toe-tsaina eo Amin’ny Fiaraha-monina (anglisy) fa “tsy dia miraharaha fitsipika” ny olona amin’ireny fotoana ireny, “ary mora entim-po rehefa misy mahasosotra.” Tsy misaina ny olona toy izany, hoy ny boky iray hafa, ka “tsy mahalala ny tokony hataony” intsony.

Fankahalana sy fialonana. I Kaina no namono olona voalohany. (Genesisy 4:1-8) Nialona ny rahalahiny mantsy izy. Efa nampitandreman’Andriamanitra anefa izy hoe mila mifehy ny fihetseham-pony raha te hotahiny. Marina tokoa ny voalazan’ny Jakoba 3:16 hoe: “Eo amin’izay mialona sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra koa.”

Ny toaka sy ny zava-mahadomelina. Mankarary sy manimba saina izy ireny, sady mahatonga ny atidoha tsy hiasa tsara. Lasa mora mahery setra ilay olona, ary mora entim-po rehefa misy mahasosotra azy.

Tsy voasazy araka ny tokony ho izy ny mpanao heloka bevava. Hoy ny Mpitoriteny 8:11: “Koa satria tsy tanterahina haingana ny fanamelohana noho ny ratsy natao, dia mikiry manao ratsy ny fon’ny zanak’olombelona.” Vao mainka mitombo ny herisetra, satria tsy hentitra ny mpitsara, na tia kolikoly, na tsy manao tsara ny asany.

Fivavahan-diso. Ny fivavahana matetika no mahatonga ny herisetra, anisan’izany ny fampihorohoroana sy ny adin’ny olona samy hafa fivavahana. Tsy ireo mpanao fihetsiketsehana sy ireo mafana fo tafahoatra ihany no tokony homen-tsiny. Nandritra ireo ady lehibe roa mantsy, dia nifamono ny mpivavaka tao amin’ireo fivavahana lehibe, na “Kristianina” izy ireo na tsia. Samy nahazo ny tso-dranon’ny mpitondra fivavahany izy ireo matetika. Tena mahatezitra an’Andriamanitra izany.—Titosy 1:16; Apokalypsy 17:5, 6; 18:24.

Hitantsika teo fa maro ny antony mahatonga ny olona ho tia herisetra. Azo atao ihany anefa ny ho tia fihavanana, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro, pejy 6]

MANOMBOKA AO AM-PO NY HERISETRA

Avy ao am-po no tena mahatonga ny herisetra, na dia misy antony hafa aza. Hoy mantsy i Jesosy Kristy, izay mahafantatra tsara ny fon’ny olombelona: ‘Avy ao am-pon’ny olona no ivoahan’ny eritreri-dratsy, dia fijangajangana, halatra, vonoan’olona, fanitsakitsaham-bady, fitsiriritana, fanaovan-dratsy, fitaka, fitondran-tena baranahiny, maso feno fitsiriritana, fanevatevana, fanambonian-tena, fanaovana hadalana.’ (Marka 7:21, 22) Vao mainka isika ho tia zava-dratsy, raha mijery na mihaino na mieritreritra an’izany foana.—Jakoba 1:14, 15.

Raha zavatra tsara toy ireo voatanisa ao amin’ny pejy faha-8 kosa no amenoantsika ny saintsika, dia tsy hanana fanirian-dratsy intsony isika fa hanana faniriana tsara. (Kolosianina 3:5; Filipianina 4:8) Hampian’Andriamanitra isika mba ‘hanatanjaka ny toetra maha izy antsika.’—Efesianina 3:16.

[Efajoro, pejy 7]

SAHIRAN-TSAINA NY MANAM-PAHAIZANA

Nahoana no avo 60 heny noho ny any amin’ny firenen-kafa ny vonoan’olona any amin’ny tany sasany? Nahoana no nisy foana ny ady sy ny herisetra hafa hatramin’izay? Betsaka ny fanontaniana tsy ahitana valiny mahafa-po.

Misy manam-pahaizana milaza fa ny fahantrana sy ny tsy fitoviana no mahatonga ny herisetra. Asehon’ny antontan’isa mantsy fa tany amin’ny tany mahantra ny 90 isan-jato eo ho eo amin’ny herisetra nahafatesana olona, anisan’izany ny famonoan-tena. Any amin’ny tanàna mahantra koa no tena ahitana heloka bevava matetika. Ny mahantra ve anefa no tena mahery setra? Sa iharan’ny herisetra kokoa izy ireo, satria tsy manam-bola anakaramana mpitandro filaminana? Diniho, ohatra, i Calcutta, any Inde. Misy mahantra an-tapitrisany any, nefa io no iray amin’ireo tanàna tsy dia misy vonoan’olona indrindra.

Misy indray milaza hoe mahery setra kokoa ny olona rehefa tsy sarotra ny mahazo basy. Marina fa lasa mampidi-doza kokoa ny olona mahery setra rehefa manana basy. Nahoana anefa no betsaka kokoa ny olona mahery setra any amin’ny tany sasany? Tsy mampitovy hevitra ny manam-pahaizana koa izany.