Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia Herisetra Aho Taloha

Tia Herisetra Aho Taloha

Tia Herisetra Aho Taloha

Notantarain’i Salvador Garza

TIA herisetra aho tamin’ny mbola kely, ka izay nampahatezitra ahy dia nasiako. Nahamarika izany ny lehilahy iray tompon-daka tamin’ny ady totohondry, ka nampiofaniny aho. Lasa matihanina tamin’ny ady totohondry aho tatỳ aoriana, ary nitety an’i Etazonia. Lasa mpiambina jiolahy iray aho tatỳ aoriana.

Mbola nahery setra ihany aho, na dia efa nanambady sy niteraka enina aza. Nanana toeram-pandihizana aho tamin’izany. Tia niady aho, nefa efa imbetsaka no saika nisy namono. Notifiriko ny lehilahy roa niady tamiko, indray mandeha, ka naratra be. Izahay sy ny namako aza efa saika haka an-keriny mpanao politika malaza iray. Fantatry ny polisy ilay tetika ka nosamboriny aho. Nisy fifampitifirana tamin’ny polisy nisambotra an’ireo namako, ka maty daholo ry zareo. Soa ihany aho fa efa nigadra tamin’izay!

Nafahana aho, taona maro tatỳ aoriana, ary nahita asa. Narary andoha be aho, indray andro, rehefa avy niasa, ka tsy afa-nihetsika. Natahotra be aho ka nivavaka tamin’i Jehovah. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy i Dolores vadiko tamin’izay, ary efa nolazainy tamiko hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.

Nasain’i Dolores hivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho rehefa sitrana. Tsara fanahy ry zareo sady nandray ahy tsara ka nirotsaka ny ranomasoko. Nianatra Baiboly koa àry aho, ka niova ny fahitako ny fiainana. Tiako ny zavatra nianarako.

Elaela anefa aho vao nahafehy ny hatezerako. Nandeha nitory isan-trano niaraka tamin’i Antonio, ohatra, aho indray andro, ary nisy lehilahy nanevateva anay. Tezitra be aho, ka saika nasiako totohondry izy. Soa ihany aho fa nosakanan’i Antonio. Noresahiny tamiko fa na i Jesosy aza mba niaritra, rehefa nisy niteny ratsy sy nanevateva. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera, izay niara-niasa akaiky taminy: “Tsy mba nanevateva izy rehefa nisy nanevateva.” (1 Petera 2:23) Tena nisy vokany tamiko izany.

Tsy nahavita niova aho raha tsy teo ny fanahy masina, izay manampy antsika ho tena tia fihavanana sy hifehy tena. Misaotra an’i Jehovah foana aho, rehefa misaintsaina an’ireny fiovana nataoko ireny. (Galatianina 5:22, 23) Tafaray sy sambatra erỳ izao izahay mianakavy. Tsy andrenesana adiady intsony ao an-trano, fa mihavana tsara izahay. Izaho koa mitory manontolo andro, ka manampy ny hafa hahita ny fiadanan’Andriamanitra.

[Sary, pejy 9]

Lasa tia fihavanana i Salvador rehefa nianatra Baiboly