Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Iza no Tokony Hataoko Modely?

Iza no Tokony Hataoko Modely?

Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe

NAHOANA ianao no mila modely?

AIZA no ahitanao modely?

AHOANA no anahafanao azy?

NAHOANA IANAO NO MILA MODELY?

ZAVA-MISY: Mora manahaka ny olona mahafinaritra anao ianao. Mety ho tsara na ho ratsy izany, arakaraka ny toetran’ilay olona.

Inona no ilainao? Modely tsara.—Filipianina 3:17.

Olana: Tian’ny olona maro ny olo-malaza, toy ny mpihira sy mpanao spaoro ary mpilalao filma, na dia ratsy fitondran-tena aza izy ireny.

Eritrereto izao: Ampitovin’ny Baiboly amin’ny fitafiana ny toetrantsika. (Kolosianina 3:9, 10) Raha hividy akanjo ianao, olona tsy mahay miakanjo ve no hanontanianao an’izay akanjo mety aminao? Mazava ho azy fa tsia. Azo antoka fa tsy olo-malaza ratsy fitondran-tena koa no tokony hotahafinao. Aza manao an’izany àry na manaraka an’izay ataon’ny olona fotsiny, fa mifidiana modely tsara. Hanampy anao izany mba 1) hifidy an’izay toetra tianao hananana sy 2) hanahaka an’izay olona manana an’izany toetra izany.

AIZA NO AHITANAO MODELY?

Mariho hoe marina na diso ireto manaraka ireto.

1. Olona mifanerasera aminao ihany no azonao atao modely.

MarinaDiso

2. Olona lavorary no tokony hataonao modely.

MarinaDiso

3. Afaka manana modely maro ianao.

MarinaDiso

Valiny

1. Diso. Na ny olona fahiny aza azonao atao modely. Misy modely tsara ao amin’ny Baiboly. Mitanisa olona 16 azo atao modely, ohatra, ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. I Jesosy no modely tsara indrindra. (Jaona 13:15) Nampirisihin’i Paoly ‘hibanjina tsara’ an’i Jesosy sy hanaraka ny diany ny Kristianina, araka ny Hebreo 12:2. *

2. Diso. I Jesosy ihany no olona lavorary, amin’ireo taranak’i Adama. (Romanina 3:23) Na i Elia mpaminany be herim-po aza dia “olona tahaka antsika ihany.” (Jakoba 5:17, Fandikan-teny Protestanta) Toy izany koa ry Miriama, Davida, Jona, Marta, ary Petera. Tsy afenin’ny Baiboly ny fahadisoana nataon’ireny olona ireny. Olona tsara anefa izy ireny amin’ny ankapobeny, ka tena azo atao modely.

3. Marina. Afaka manana modely be dia be araka izay tianao ianao. Ny iray, ohatra, mazoto miasa, ny iray indray tena manam-paharetana, ary ny iray hafa tsy mora kivy rehefa misy olana. (1 Korintianina 12:28; Efesianina 4:11, 12) Fantaro ny toetra tsaran’ny hafa, dia hahita toetra azo tahafina amin’izy ireny ianao.—Filipianina 2:3.

AHOANA NO ANAHAFANAO AZY?

1. Diniho ireo olona tianao hotahafina. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Diniho ireo mandeha araka ny ohatra nasehonay taminareo.”—Filipianina 3:17.

2. Miaraha manao zavatra amin’ireo nofidinao ho modely, raha azo atao. Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

3. Tahafo ny toetra tsaran’ireo modelinao. Hoy ny Hebreo 13:7: “Rehefa mandinika ny soa entin’ny fitondran-tenany ianareo, dia tahafo ny finoany.”

Fenoy amin’izay àry ireo teboteboka eto ambany.

Zavatra eritreretiko hatao

Mifidiana toetra iray tianao hananana. (Te ho sariaka ve ianao? Sa halala-tanana? Sa hazoto miasa? Sa hatanja-tsaina? Sa ho azo ianteherana? Sa ho mendri-pitokisana?)

․․․․․

Mifidiana olona manana an’ilay toetra tianao hananana. *

․․․․․

Tsy ny hitovy tanteraka amin’ilay modelinao akory no tanjonao. Mbola manana ny toetra tsara mampiavaka anao ihany ianao. Raha manana modely anefa ianao, dia hitombo ny toetra tsaranao rehefa mihalehibe ianao. Tsy izay ihany fa ianao indray no ho lasa modely ho an’ny hafa.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mazava ho azy fa misy olona maro azonao atao modely koa ankehitriny. Mety ho ny ray na reninao izany, ny mpiray tam-po aminao, olona matotra eo anivon’ny fiangonana, na Kristianina hafa fantatrao na hitanao tamin’ny bokintsika.

^ Azonao ampifamadihana koa ireo. Fidio aloha izay olona tianao hotahafina, ary eritrereto hoe: ‘Inona no toetra tena itiavako azy?’ Miezaha hanahaka an’ilay toetra avy eo.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Olo-malaza ratsy fitondran-tena ve no tokony hotahafinao?

[Efajoro/Sary, pejy 22, 23]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Layla: Mana-namana atao hoe Sandra aho ary tia mijery lafy tsaran-javatra izy. Mahay Baiboly be koa izy. Hoatran’ny mahita vahaolana foana àry izy rehefa misy olana. Azoko resahina aminy daholo izay manahirana ahy, na kely izany na lehibe.

Terrence: Tsy mba manebaka ny hafa izany mihitsy i Kyle sy David namako rehefa misy olona mitaraina aminy. Vonona hanampy foana ry zareo rehefa misy manana olana, fa ny azy ampandeferiny. Tena tiako hotahafina ry zareo.

Emmaline: I Neny no ataoko modely. Fantany hoatran’ny paosiny ny Baiboly, ary miezaka foana izy hitady fomba hiresahana ny finoany. Tena miaiky izy hoe tombontsoa ny mitory fa tsy adidy. Izany no tena itiavako azy!

[Efajoro, pejy 23]

MITADIAVA FANAZAVANA FANAMPINY!

Te hahita olona hatao modely ve ianao? Vakio ny Hebreo toko faha-11 ary mifidiana olona iray ao. Mianara momba azy ary miezaha hanahaka ny toetra tsarany.

Misy olona maro azonao atao modely ao amin’ny Baiboly. Miresaka momba azy ireny ny boky voalohany sy faharoa amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ilay hoe “Pejy Misy An’ireo Olona Modely” ao amin’ny fonony anatiny aoriana.

[Efajoro, pejy 23]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Anontanio izy ireo hoe iza no modeliny tamin’izy mbola kely sy amin’izao fotoana izao. Inona no soa azon’izy ireo avy amin’izany?