Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Tsy ho Araka ny Ieritreretanao Azy ny Fara Andro

Mety Tsy ho Araka ny Ieritreretanao Azy ny Fara Andro

MISY zavatra telo itovizan’ilay fara andro eritreretin’ny olona. Voalohany, tombantombana ilay izy nefa ny olona tsy mahay mamantatra ny hoavy. Faharoa, kisendrasendra ny hisian’ny olona ho tafavoaka velona, raha hisy aza. Fahatelo, mbola hiady mafy ireo ho tafavoaka velona vao ho afaka hiaina ara-dalàna indray. Hita koa fa loza foana no ao an-tsain’ny olona raha vao hoe fara andro.

Azon’ny saina ekena kosa izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Lazainy fa tena hisy fiovana lehibe eto an-tany, nefa azo antoka hoe ho tafavoaka velona izay manao ny sitrapon’Andriamanitra. Resahiny koa fa hovana ho paradisa ny tany, fa tsy ho kila forehitra na hivaingana hoatran’ny gilasy.

Tsy manaiky ny fampianaran’ny Baiboly momba ny hoavy ny olona maro. Tsy mino ireo mpanakiana hoe tena hisy ny fahoriana lehibe, Hara-magedona, Fanjakana Arivo Taona, ary ny Paradisa. Mampiady hevitra foana an’ireo mianatra momba ny fivavahana izany, ary mifanipaka ny hevitr’izy ireo. Hoy i Bruce Robinson, mpanoratra, momba ny fara andro: “Betsaka kokoa angamba ny boky miresaka an’io foto-kevitra io raha ampitahaina amin’ny boky momba ny fampianarana hafa ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Manjavozavo daholo anefa izy ireny.” Mikorontan-tsaina àry ny olona.

Mazava be kosa ny lazain’ny Soratra Masina. Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly ary tsy tiany hampikorontan-tsaina antsika ny hoavy. Andeha isika handinika fanontaniana vitsivitsy fametraky ny olona, ary koa ny valiny omen’ny Baiboly. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia manafara an’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ho potika ve ny tany ary ho ripaka ny olombelona rehetra?

“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

Hisy olona ho ringana ve?

“Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”—Ohabolana 2:21, 22.

Efa nandringana ny olon-dratsy ve Andriamanitra fahiny?

“Tsy niahotra ... Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra. Nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona, ka nataony ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.”—2 Petera 2:5, 6.

Rahoviana ny andro fitsaran’Andriamanitra?

“Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany. Fa toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Matio 24:36-39.

Inona no porofo fa akaiky ny farany?

“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”—2 Timoty 3:1-5.

Hanao ahoana ny hoavintsika eto an-tany?

‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’—Apokalypsy 21:4.

‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo’

Tsy miresaka ny tsipiriany rehetra momba ny hoavy ny Soratra Masina, nefa manome toky fa mbola misy fanantenana ho an’ny olombelona. Hoavy sambatra no miandry antsika ary tsy ho takatry ny saintsika mihitsy izany. Matokia fa tena hisy izany satria tsy vitan’ny hoe mampanantena i Jehovah Andriamanitra fa hanatanteraka izany koa.