Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Kintana?

Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Kintana?

Tia ahy ve izy?

Tokony handeha androany ve aho?

Ho azoko ve ilay asa?

OLONA maro no manatona mpanandro, * rehefa te hahalala zavatra toy ireo. Tena misy heriny eo amin’ny fiainantsika ve anefa ny kintana? Afaka manampy anao hahalala ny mombamomba anao na ny hoavinao ve izy ireny? Inona no lazain’ny Baiboly?

Manampy antsika hahalala ny hoavy ve ny kintana?

Misy mino hoe tsy azo idifiana ny anjara. Efa voalahatra mialoha, hono, ny hoavintsika, ary afaka manampy antsika hahalala izany ny kintana. Lazain’ny Baiboly anefa fa nomen’Andriamanitra safidy ny olona, ka azony fidina ihany izay zavatra tiany hitranga aminy. Hoy, ohatra, Andriamanitra tamin’ny Israelita: “Efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao.”—Deoteronomia 30:19.

Nataon’i Jehovah Andriamanitra mazava tsara tamin’ny vahoakany fa afaka mifidy izay hitranga aminy amin’ny hoavy izy ireo. Hahazo fitahiana izy ireo raha mankatò ny didiny, fa hijaly kosa raha tsy mankatò.

Diniho izao: Raha efa voasoratra eny amin’ny kintana ny hoavin’ny Israelita tsirairay, Andriamanitra ve dia mbola hampirisika azy ireo hifidy ny fiainana? Rariny ve raha melohin’Andriamanitra amin-javatra tsy azony ihodivirana izy?

Mazava ny lazain’ny Baiboly: Miankina amin’ny safidy ataontsika ny fiainantsika fa tsy miankina amin’ny kintana.—Galatianina 6:7.

Misy heriny eo amin’ny toetrantsika ve ny kintana?

Milaza ho tsy mino ny lahatra ny ankamaroan’ny mpanandro. Hoy ny anankiray: “Miankina amintsika ihany ny anjarantsika.” Nilaza anefa izy fa “arakaraka ny fotoana ahaterahantsika ny toetrantsika.” Maro koa no mino an’izany. Misy heriny amin’ny tany, hono, ny kintana ka tsy maintsy misy heriny eo amin’ny olona koa. Ahoana hoy ny Baiboly?

Tsy boky momba ny siansa ny Baiboly ka tsy milaza amin’ny an-tsipiriany momba ny tenan’ny olombelona sy izao rehetra izao. Hazavainy anefa ny antony namoronan’i Jehovah an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra. Hoy ny Genesisy 1:14, 15: ‘Hoy Andriamanitra: “Aoka hisy zavatra manome hazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampisaraka ny andro sy ny alina. Ary ho famantarana izy ireny, sady hanondro fizaran-taona. Ary hanome hazavana ny tany ireny.”’

Diniho izao: Raha nataon’Andriamanitra misy heriny eo amin’ny toetrantsika ny kintana, dia tsy maintsy ho nilaza izany izy.

Hitantsika avy amin’izany fa zavaboarin’Andriamanitra ny kintana, saingy tsy misy heriny eo amin’ny toetrantsika.

Tari-dalana azo itokisana

Tsy ratsy ny hoe te hahafantatra ny hoavy sy ny mombamomba antsika isika. Misy tari-dalana azo itokisana afaka manampy antsika anefa.

Antsoin’ny Baiboly hoe “Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany” i Jehovah. (Isaia 46:10) Manana fikasana izy ary hotanterahiny izany. (Isaia 55:10, 11) Hahalala ny fikasany isika rehefa mamaky Baiboly. Hazavain’io boky masina io hoe nahoana isika no mijaly ary ahoana no hamaranan’Andriamanitra ny fijaliana. *2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.

Ny Baiboly no tena manampy antsika hahafantatra ny mombamomba antsika sy ny fomba hanatsarana ny toetrantsika. Afaka mandini-tena isika rehefa mamaky azy io. Lazainy, ohatra, fa “mamindra fo” sy “tsy mora tezitra” ary “vonona hamela heloka” Andriamanitra. (Eksodosy 34:6; Salamo 86:5) Toy izany koa ve isika? Mampiharihary ny hevi-diso ananantsika ny Baiboly sady manampy antsika hahita an’izay tokony hohatsaraina.

Tsy mila mijery kintana àry isika raha te hahafantatra ny mombamomba antsika na ny hoavintsika. Aleo kosa mijery ny Baiboly, izay “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso.”—2 Timoty 3:16, 17.

^ Ny atao hoe fanandroana dia ny fandinihana ny masoandro, volana, planeta, ary ny kintana, satria hoe misy heriny eo amintsika izy ireny sady afaka manampy antsika hahalala ny mombamomba antsika.

^ Miresaka bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.