Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava Fanampiana

Mitadiava Fanampiana

Mangataha fanampiana amin’ny havana sy namana azo itokisana

“Betsaka ny olona mahafinaritra ao amin’ny fiangonanay. Tena be fitiavana ry zareo sady tia manampy, toy ny fianakaviana mihitsy.”—LIZAAN, RENY MANAN-JANAKA ROA MBOLA TANORA.

Olana:

Hoy i Alina, manan-janaka roa lahy kely: “Ny tena olana dia izaho rera-dava sy tsy manam-potoana.” Izany matetika no mahazo ny reny mitaiza irery. Maro àry no mitady fanampiana amin’ny olona efa mifankazatra aminy.

Soso-kevitra:

Mangataha fanampiana amin’ny havana sy namana azo itokisana. Ataovy lisitra izay olona afaka mampahery, na manampy hikarakara ny ankizy, na hikojakoja ny ao an-trano. Havaozy foana ilay lisitra, arakaraka ny zava-misy. Jereo koa sao dia afaka manampy ny fanjakana na fikambanana hafa.

Mahazo fanampiana avy amin’ny mpiray finoana aminy i Renata, izay Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Manampy ahy foana ry zareo. Voan’ny gripa izahay sy ny zanako kambana sivy taona, indray mandeha, ka tsy nahavita nahandro aho. Vao ren-dry zareo izany dia nanaterany sakafo izahay isan’andro.” Mampahatsiahy an’ilay teny ao amin’ny 1 Jaona 3:18 izany. Hoy izy io: “Aoka isika, ry zanako malalako, tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny, fa amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana koa.”

Afaka manampy ve ilay vadinao taloha? Ny reny matetika no asain’ny fanjakana mitaiza ny ankizy, rehefa misara-panambadiana ny mpivady. Raha izany no izy, nahoana raha mitady fanampiana amin’ilay rain-janakao? Ny ankizy koa mba mila miaraka amin-drainy. *

Ampiofano hanao raharaha ny zanakao. Asaivo manao izay raharaha vitany izy, arakaraka ny taonany. Mahasoa anareo izany. Lasa mahay mandray andraikitra sy mazoto miasa izy ireo amin’izay. Tena ilainy izany rehefa hiasa izy any aoriana any.

^ Tokony hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly araka izay azo atao ny ray aman-dreny kristianina ary hitady izay tena mahasoa an’ireo ankizy. Tokony hohajaina koa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.