Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Olona no Lasa Tsy Manam-paharetana?

Nahoana ny Olona no Lasa Tsy Manam-paharetana?

EFA ela ny olona no tsy manam-paharetana. Fahita ny olona tsy mahandry rehefa mitohana ny fifamoivoizana, na rehefa asaina milahatra. Mino anefa ny manam-pahaizana sasany fa tsy manam-paharetana kokoa ny olona ankehitriny, ary mety hahagaga anao ny anton’izany.

Milaza ny mpikaroka sasany fa lasa tsy manam-paharetana ny olona tato ho ato, noho ny fitaovana maoderina. “Manova ny fiainantsika ireo fitaovana elektronika entin-tanana, toy ny finday, kamerà, e-mail, ary ny fitaovana fihainoana mozika”, hoy ny manam-pahaizana sasany tao amin’ny gazety iray any Montréal, Kanada. “Azontsika eo no ho eo izay ilaintsika amin’ireny fitaovana ireny, ka lasa tiantsika ho azo eo no ho eo koa ny zavatra hafa tadiavintsika.”

Mampieritreritra ny tenin’ny Dr. Jennifer Hartstein, manam-pahaizana momba ny saina. Hoy izy: “Zatra mahazo fahafaham-po eo no ho eo isika, ka tiantsika ho vita haingana sy hety tsara ny zava-drehetra ary hifanaraka amin’ny eritreritsika. Raha vao tsy izany no mitranga, dia manomboka sorena sy kizitina isika, [izany hoe] tsy manam-paharetana.” Hoy ihany izy: “Tsy mahay manao zavatra milamina sy mankafy fiainana intsony isika.”

Misy mihevitra hoe tsy be mpitia intsony koa izao ny e-mail ary efa tsy hisy hampiasa. Nahoana? Tsy vitan’ny olona maro intsony mantsy ny miandry ora maromaro, ary na dia minitra vitsy monja aza, mba hahazoana ny valin’ny hafatra alefany. Matetika koa no mila teny fampidirana sy famaranana ny e-mail, toy ny taratasy ihany. Mihevitra anefa ny olona maro fa mandany fotoana fotsiny izany ka mahasorena azy. Aleon’izy ireo mifandefa hafatra, satria io tsy ilana an’izany rehetra izany. Tsy manam-paharetana izy ireo ka na ny hanoratra teny kely fiarahabana manaja aza toa tsy vitany intsony. Maro koa no tsy mamerina mamaky an’izay nosoratany, ka feno diso ilay hafatra na lasa any amin’olon-kafa.

Olona maro no tsy mahavita mamaky lahatsoratra lava be

Tsy rehefa mampiasa an’ireny fitaovana ireny ihany ny olona no tsy manam-paharetana, fa amin’ny lafin-javatra hafa koa. Efa nisy fotoana ve ianao niteny haingana be, nihinana haingana loatra, nitondra fiara mafy loatra, na nandany vola be tao anatin’ny fotoana fohy? Mba miandry bisy kely fotsiny ianao na miandry ordinatera handeha dia efa hoatran’ireny adiny zato ireny izany.

Hitan’ny manam-pahaizana hoe olona maro no tsy mahavita mamaky lahatsoratra lava be. Nahoana? Efa zatra mijery maimaika an’ireo pejy ao amin’ny Internet izy ireo. Ireo teny notsongaina na zavatra tanisaina ihany no jereny, mba hahitana ny hevi-dehibe.

Fa nahoana ny olona no lasa tsy manam-paharetana? Tsy tena mahay ny antony rehetra mahatonga izany ny manam-pahaizana. Voaporofo anefa fa mety hanimba ny tsy fananana faharetana. Horesahin’ireo lahatsoratra manaraka ny voka-dratsiny, sy ny tokony hatao mba hananana faharetana kokoa.

Efa zatra mijery maimaika an’ireo pejy ao amin’ny Internet ny olona maro. Ireo teny notsongaina ihany no jereny