Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza?

Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza?

MISY mihevitra fa ampiasain’Andriamanitra hanasaziana antsika ny loza. Ny hafa indray tsy manaiky an’izany. Misy koa tsy mahalala izay tokony hinoana. Hoy ny lehilahy iray mpampianatra momba ny fivavahana: “Ampianarina any amin’ny ankamaroan’ny fivavahana fa tsy misy mahazo antoka raha avy amin’Andriamanitra ny loza na tsia.”

Ampiasain’Andriamanitra hanasaziana tokoa ve ny loza? Izy ve no mahatonga ny fijaliana? Mahafa-po ny valiny omen’ny Baiboly momba izany.

Ahoana no ataony rehefa manasazy?

Resahina ao amin’ny Baiboly ny fahamarinana roa momba an’ilay Andriamanitra atao hoe Jehovah. Voalohany, Mpamorona izy ary manana hery sy fahefana hibaiko ny herin’ny natiora. (Apokalypsy 4:11) Faharoa, mifanaraka amin’ny toetrany sy ny toro lalany foana ny zavatra ataony. Hoy izy ao amin’ny Malakia 3:6: “Izaho no Jehovah ary tsy miova aho.” Sady mitadidy izany isika no handinika loza roa tamin’ny lasa, dia ny Safodrano sy ny hain-tany iray. Ho hitantsika avy amin’izany fa rehefa mampiasa ny herin’ny natiora Andriamanitra mba hanasaziana, dia tsy maintsy 1) mampitandrina, 2) milaza ny anton’ilay sazy, ary 3) miaro an’ireo mankatò.

Safodrano tamin’ny andron’i Noa

Mampitandrina.

Hoy i Jehovah tamin’i Noa, am-polony taona talohan’ny Safodrano: “Hahatonga safodrano eny ambonin’ny tany aho, mba handringanana ny nofo rehetra.” (Genesisy 6:17) Nampitandrina ny olona i Noa “mpitory ny fahamarinana”, saingy “tsy niraharaha izy ireo.”—2 Petera 2:5; Matio 24:39.

Milaza ny anton’ilay sazy.

Hoy i Jehovah: “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra, satria feno herisetra ny tany.”—Genesisy 6:13.

Miaro an’ireo mankatò.

Natoron’i Jehovah an’i Noa tamin’ny an-tsipiriany ny fanamboarana an’ilay sambofiara mba hamonjena azy. “I Noa ihany, mbamin’izay niaraka taminy tao amin’ny sambofiara, no sisa velona.”—Genesisy 7:23.

Hain-tany teo amin’ny Israely

Mampitandrina.

Nahatonga hain-tany mafy teo amin’ny Israely i Jehovah Andriamanitra. Nilaza toy izao i Elia mpaminany, talohan’ilay izy: ‘Tsy hisy ando na orana mandritra ny taona maro, raha tsy noho ny baiko avy amin’Andriamanitra!’—1 Mpanjaka 17:1.

Milaza ny anton’ilay sazy.

Nahatonga an’ilay hain-tany i Jehovah satria nanompo an’ilay andriamani-diso atao hoe Bala ny Israely. Hoy i Elia momba izany: “Niala tamin’ny didin’i Jehovah ianareo, ka nanaraka an’ireo Bala.”—1 Mpanjaka 18:18.

Miaro an’ireo mankatò.

Namatsy sakafo an’ireo mpanompony nankatò i Jehovah nandritra an’ilay hain-tany.—1 Mpanjaka 17:6, 14; 18:4; 19:18.

Inona no ahariharin’izany?

Tsy voaporofo mihitsy hoe sazy avy amin’Andriamanitra ny loza misy ankehitriny. Andriamanitra tia rariny i Jehovah ka tsy ‘handripaka ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy.’ (Genesisy 18:23, 25) Nanao fandaharana izy taloha mba hamonjena an’ireo nankatò azy. Ny loza ankehitriny anefa mamely ny olona tsy an-kanavaka, na lahy na vavy na ankizy.

Tsy Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly

Mazava àry fa tsy mitovy mihitsy ny ataon’Andriamanitra rehefa manasazy, sy ny fitrangan’ny loza ankehitriny. Tsy mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra koa ireny loza tampoka ireny. Resahin’ny Jakoba 1:13 fa ‘tsy mitsapa olona amin-javatra ratsy Andriamanitra.’ Ny 1 Jaona 4:8 indray mamintina ny toetran’Andriamanitra rehefa milaza hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” Tsy izy mihitsy àry no mahatonga an’ireo olona tsy manan-tsiny hijaly noho ny rivo-doza sy ny horohoron-tany ary ny loza hafa. Tsy hisy intsony anefa ireny loza ireny amin’ny hoavy.

Tsy hisy intsony ny fijaliana

Tsy nikasa ny hampijaly ny olombelona amin’ny loza mihitsy i Jehovah Andriamanitra. Niriny hiaina sy hiadana mandrakizay eto an-tany kosa izy ireo. Hanala ny faharatsiana eto an-tany izy, toy ny nataony tamin’ny andron’i Noa. Toy ny tamin’ny lasa, dia mampitandrina ny olona eran-tany aloha i Jehovah Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo ho tafavoaka velona.—Salamo 37:9, 11, 29; Matio 24:14.