Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Omby Hafakely

Ilay Omby Hafakely

MORA fantatra ny omby any amin’ny faritra be tendrombohitra any afovoan-tanin’i Ekosy amin’izato tandroka mivelatra, sanga manarona maso, volo lava sy matevina, ary ilay vatana vaventy.

Efa nisy hatry ny ela io karazana omby io. Efa hatramin’ny taonjato maro izy io no nompiana tany amin’ireo nosin’i Ekosy sy tany afovoan-tany, ary tantiny tsara ny toetrandro any. Be vatana sy mena volo ireo omby tany amin’ny toerana mitokana any afovoan-tany, tamin’ny voalohany. Ireo tany amin’ny nosy any akaikin’ny morontsiraka andrefana kosa kely kokoa ary matetika no mainty volo. Mino ny olona fa karazany iray ihany ireo omby fahita any afovoan-tany, fa ny lokon’ny volony no tsy mitovy. Eo ny mena, mainty, volontany, ary mavo manopy fotsy.

Tsy hoe mahatsikaiky fotsiny ny sangan’ilay omby fa tena mahasoa azy koa. Miaro azy amin’ny rivotra sy orana ary lanezy izy io rehefa ririnina. Miaro azy amin’ny bibikely manidina mpitondra aretina kosa izy io amin’ny vanin-taona mafana.

Fahiny, dia nampidirin’ireo mpiompy tao am-bala ny omby rehefa alina, mba hiarovana azy ireo amin’ny toetrandro ratsy sy ny amboadia. Vita amin’ny vato ireny vala ireny.

Hafakely ny volony

Roa sosona ny volon’io omby io, fa tsy toy ny an’ny omby hafa. Lava sy misavoritaka ilay volo ivelany ary mety hahatratra 33 santimetatra. Be menaka izy io ka tsy tanteraky ny orana sy ny lanezy. Misy volo malefaka kosa ao ambaniny ka manafana an’ilay omby.

Hoy i Jim, izay efa mpiompy omby ekosey nandritra ny taona maro: “Tena sarotra be ny manasa ny volon’izy ireo, satria mila tsy ho vonton-drano mihitsy!” Manorana sy mangatsiaka be any an-tendrombohitra, nefa afaka miteraka sy mitombo tsara izy ireo noho ilay volony. Tsy mahazaka an’izany anefa ny omby hafa.

Mihintsana ny volon’ny omby ekosey rehefa maina sy mafana be ny andro. Maniry indray izany rehefa mangatsiaka sy manorana.

Inona no maha tsara azy?

Manimba zavatra ny ondry, satria haniny ny fakan-javamaniry sy ny laingony. Tsy toy izany kosa ny omby, anisan’izany ny omby ekosey. Manatsara ny toerana firaofany ahitra aza izy ireo, satria esoriny amin’ireo tandrony matanjaka sy amin’ilay vavany ngezabe ireo ahitra efa maina. Afaka mitsiry tsara indray ny ahitra sy ny hazo, vokatr’izany. Ny ankamaroan’ny biby hafa anefa tsy manao an’izany mihitsy.

Misy maha tsara an’ilay volony roa sosona koa. Efa mafana izy ka tsy mila tavy mba hampahafana azy intsony. Tsy matavy sy tsy be kolesterola àry ny henany, nefa be vy sy proteinina kokoa noho ny henan’ny omby hafa. Tsy mila sakafo lafo vidy anefa izy.

Fampitandremana

Efa ela ireny karazan’omby ireny no niara-nonina tamin’ny olona. Nataon’ireo Ekosey tao ambany rihana izy ireny, fahiny, ka nanafana an’ireo fianakaviana nipetraka tao ambony.

Tsara fanahy sy malemy paika ny omby fiompy amin’ny ankapobeny. Mety hanoto anefa ny omby ekosey indraindray. Masiaka be, ohatra, ny ombivavy mitaiza. Mila mitandrina koa ny olona mba tsy hanavatsava eny anelanelan’ny andian’omby, fa hanodidina azy ireo.

Malaza eran-tany ny omby ekosey, noho ireo lafiny maro mampiavaka azy. Mety aminy any amin’ny farany avaratra, any Alaska sy Skandinavia, ary ahitana azy koa any amin’ny 3 000 metatra any an-tendrombohitr’i Andes. Velona any amin’ny toerana mafana koa izy.

Mampahalaza an’i Ekosy ny fitafiana nentin-drazany sy ilay karazana sodina any. Eo koa anefa ilay omby tsara tarehy any afovoan-taniny. Misy omby manana volo roa sosona ve any aminareo?