Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 8

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 8

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Ity ny lahatsoratra farany amin’ilay andian-dahatsoratra misy fizarana valo. Valiana ao amin’ireo lahatsoratra ireo ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

EFA ho roa arivo taona teo ho eo izay ny fivavahana mitonona ho Kristianina no nivavaka mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka ny tenin’i Jesosy izy ireo. Nasain’i Jesosy nivavaka toy izao mantsy ny mpianany: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Matio 6:10.

Inona io Fanjakana angatahin’ny maro amin’ny vavaka io? Fitondram-panjakan’Andriamanitra izy io. Any an-danitra no misy azy ary hisolo ny fanjakana rehetra eto an-tany. I Jesosy Kristy no voatendry ho mpanjakan’izy io, ary hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra sy eto an-tany izy. (Daniela 2:44; 7:13, 14) Hamaly an’ilay vavaka Andriamanitra amin’ny fotoana mety. Hanafoana ny faharatsiana sy ny fijaliana izy, ary hamonjy an’ireo mpanompony tsy mivadika maro be, izay antsoina hoe “vahoaka be.” (Apokalypsy 7:9, 10, 13-17) “Ny olo-marina no handova ny tany” aorian’izay “ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.

Azo fantarina ve hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa mitondra i Kristy? Eny tokoa! Nahariharin’i Jesosy tamin’izy teto an-tany fa sady te hamaha ny olana manjo ny olombelona izy no afaka manao izany. Andeha isika handinika faminaniana efatra ao amin’ny Baiboly, mba hahitana ny zavatra hataony eto an-tany rehefa ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy.

Faminaniana 1:

‘Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany i Jehovah. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.’—Salamo 46:8, 9.

Fahatanterahany: Hitondra fiadanana mandrakizay eto an-tany i Jesosy Kristy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana.” Hampian’ny Fanjakan’Andriamanitra ho tia fihavanana sy tsy hiady intsony ny olombelona rehetra, ka hiray saina toy ny mpirahalahy.—Isaia 2:2-4; 9:6, 7; 11:9.

Inona no asehon’ny tantara?

Nampianarin’i Jesosy hihavana amin’ny hafa ny mpianany, fa tsy hampiasa fitaovam-piadiana. Hoy izy rehefa saika hiaro azy ny mpianany iray ka nitondra fitaovam-piadiana: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:51, 52) Nilaza i Jesosy fa ny fifankatiavana no hamantarana ny tena Kristianina.—Jaona 13:34, 35.

Faminaniana 2:

“Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

Fahatanterahany: Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tsy fahampian-tsakafo sy ny mosary. Samy hanana sakafo tsara be dia be ny rehetra.

Inona no asehon’ny tantara?

Niharihary fa tena nangoraka an’ireo olona mosarena i Jesosy, ary nahatalanjona ny fahaizany namahana olona be dia be. Hoy ny olona iray nanatri-maso an’izany: “Dia [nasain’i Jesosy] nandry ilika teo amin’ny ahitra ny vahoaka. Koa nalainy ny mofo dimy sy ny trondro roa, dia niandrandra ny lanitra izy ka nivavaka. Rehefa notapahiny ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka. Koa nihinana ny rehetra ka voky. Ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno harona roa ambin’ny folo. Lehilahy dimy arivo teo ho eo anefa no nihinana, ankoatra ny zaza amam-behivavy.”—Matio 14:14, 19-21.

Faminaniana 3:

“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hatao mandre ny sofin’ny marenina. Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra, ary hihoby ny lelan’ny moana.”—Isaia 35:5, 6.

Fahatanterahany: Hanafoana ny aretina sy ny kilema rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hahita ny jamba ary handre sy hiteny ny marenina. Tsy hilaina intsony ny fanafody sy ny hopitaly ary ny dokotera.

Inona no asehon’ny tantara?

Faly i Jesosy nanasitrana ny aretina sy ny kilema rehetra, tamin’izy nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Santionan’ny zavatra hataony eto an-tany izany, rehefa ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy.—Lioka 7:22; 9:11.

Faminaniana 4:

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.”—Isaia 25:8.

Fahatanterahany: Hatsangana ireo maty “any am-pasana” ka hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany, rehefa hitondra ny tany i Kristy. (Jaona 5:28, 29) Horesen’i Jesosy ny fahafatesana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra, ka ho afaka hiaina mandrakizay isika.—Salamo 37:29.

Inona no asehon’ny tantara?

Nasehon’i Jesosy intelo, fara fahakeliny, fa nanan-kery hananganana ny maty izy. (Lioka 7:11-15; 8:41-55; Jaona 11:38-44) Maty izy tatỳ aoriana, nefa olona 500 teo ho eo no afaka nanaporofo fa nitsangana tokoa izy.—1 Korintianina 15:3-8.

Niresaka faminaniana maro efa tanteraka ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Porofoin’ireny faminaniana ireny sy ny faminaniana hafa fa tsy olona nahay be fotsiny ireo mpanoratra Baiboly, fa nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra. Azo antoka àry fa “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16.

Tanteraka foana ny faminanian’ny Baiboly. Matokia fa “rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:10, 11.