Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Kongona!

Mitandrema Amin’ny Kongona!

TOA tsy hitahita intsony ny kongona, teo antenatenan’ny taonjato faha-20. Tena nandaitra mantsy ny DDT. Maro anefa ny firenena nandrara ny fampiasana azy io tamin’ny 1975 tany ho any, satria mahafaty izy io sady manimba tontolo iainana.

Lasa tsy nahafaty an’ireo kongona intsony ny fanafody simika hafa. Tia nanao dia lavitra matetika koa ny olona, ka vao mainka niparitaka ny kongona. Inona no vokany? Hoy ny tatitra iray tamin’ny 2012: ‘Tato anatin’ny 12 taona, dia nihamaro indray ny kongona tany Etazonia, Kanada, Aostralia, ary tany amin’ny firenena eoropeanina maromaro sy ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane ary ny faritra sasany any Afrika.’

Nitombo avo folo heny noho ny teo aloha ny fitarainana momba ny kongona tany Moscou, any Rosia, tao anatin’ny taona anankiray. Nitombo avo 5 000 isan-jato teo ho eo kosa ny habetsahan’izy ireny tany Aostralia, nanomboka tamin’ny 1999!

Mitondra kongona tsy nahy ny olona sasany, rehefa avy miantsena na mijery sinema na avy ao amin’ny hotely. Hoy ny tompon’andraikitry ny hotely iray: “Mety hitondra kongona ianao rehefa miala ato. Mety hitranga izany raha mbola mandray olona koa ny hotely.” Nahoana no sarotra fongorana izy ireny? Inona no azo atao raha tsy tianao ny harahiny? Raha misy kongona ao an-tranonao, inona no azonao atao raha tianao ho fongotra sy tsy hiverina intsony izy ireny?

Kely mafy toto

Antsasaka santimetatra eo ho eo monja ny kongona efa lehibe

Kely ny kongona ary fisapisaka ka afaka miafina na aiza na aiza. Mety hiafina ao anaty kidoro izy, na any anaty entana, na amin’ny lavaky ny prizy, ary na any anaty telefaonina aza. Toerana tsy lavitra ny fandriana na seza no tiany. Amin’izay mantsy izy tsy lavitra ny sakafony, izany hoe ianao! *

Olona matory matetika no hanin’ny kongona, ary tsy mandre an’izany ny ankamaroany. Misy zavatra avoakany manadonto ny faritra kaikeriny, ka afaka misakafo tsy misy mpanelingelina izy mandritra ny folo minitra. Indray mandeha isan-kerinandro ny kongona no misakafo, nefa maharitra tsy misakafo mandritra ny volana maromaro izy.

Tsy mamindra aretina toy ny moka sy ny bibikely hafa ny kongona. Mangidihidy be anefa ny faritra nokaikeriny ary mety hivonto. Maro koa no kivy rehefa avy nokaikeriny. Mety tsy hahita tory sy ho menatra izy ireo, ary hieritreritra foana hoe mbola misy manaikitra na dia efa lasa aza ilay bibikely. Resahin’ny tatitra iray avy any Sierra Leone fa “tena mahasorena sy tsy mampahita tory” ny kongona. Mampitandrina koa ilay tatitra fa “henatra ho an’ny fiaraha-monina” izy ireny.

Fongory ny kongona

Jereo ny valizy

Mety hohanin’ny kongona ny rehetra. Mora fongorana kokoa izy ireny raha hita aloha be. Ahoana àry no hamantarana raha misy kongona ao an-tranonao, na izay toerana alehanao? Mampiasà jiro fanao am-paosy ka jereo sao misy atodiny na ra ny fanaka ao an-trano, ny fanambanin’ny rindrina, ny valizy, ary ny toy izany.

Tampeno ny lavaka sy ny triatra

Tampeno izay toerana mety hisitrihany, toy ny lavaka na triatra amin’ny rindrina na varavarana. Tsy ny loto no mahatonga ny kongona, nefa ho mora hita izy ireny raha voadio sy milamina tsara ny trano. Tsy dia atahorana hitondra kongona ianao rehefa avy ao amin’ny hotely, raha tsy apetrapetrakao amin’ny tany na eny ambony fandriana ny entanao.

Ahoana raha tafiditra ao an-trano izy ireny?

Esory matetika ny vovoka

Mety hiady saina na ho menatra ianao, raha misy kongona ny tranonao na ny efitra misy anao ao amin’ny hotely. Nohanin’ny kongona, ohatra, i Dave sy ny vadiny rehefa nanao vakansy. Hoy i Dave: “Menatra be izahay. Inona izao no holazainay amin’ny namana sy ny fianakaviana rehefa mody? Ahoana raha misy mangidihidy na manaintaina amin’ny hodiny? Sao dia hoheveriny hoe noho izy ireo nankao aminay no nahatonga izany?” Ara-dalàna aloha raha menatra ianao, nefa aza avela hisakana anao tsy hitady fanampiana izany. Nanome toky toy izao ny Sampan-draharaha Momba ny Fahasalamana Ara-batana sy Ara-tsaina any New York: “Azo fongorana ny kongona na dia tsy mora aza izany.”

Jereo izay toerana mety hisy kongona, ary aza avela hiafina ao an-tranonao izy ireny

Aza atao an-tsirambina anefa ny famongorana azy. Afaka manampy anao tsara ny sampan-draharaha mpamono bibikely, raha misy azy ireny any aminareo. Efa mahita fomba maro samihafa iadiana amin’ny kongona izao izy ireo, na dia tsy ampiasaina intsony aza ny DDT. Hoy koa i Dini Miller, mpikaroka momba ny bibikely: “Tsy ho fongotra ny kongona raha tsy miara-miasa tsara ny mpanofa trano sy ny tompon-trano ary ny sampan-draharaha mpamono bibikely.” Araho tsara àry ny toromariky ny tompon’andraikitra ary mandraisa fepetra mety tsara, dia tsy ho lanin’ny kongona ianao.

^ Milaza ny mpikaroka momba ny bibikely fa tian’ny kongona ny ran’ny olona sy ny biby mampinono hafa, toy ny biby namana an-trano.