Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Momba An’Andriamanitra

Momba An’Andriamanitra

Hoatran’ny ahoana Andriamanitra?

“Andriamanitra dia Fanahy.”—Jaona 4:24.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Milaza ny Baiboly fa fanahy Andriamanitra. (2 Korintianina 3:17) Ambony lavitra noho isika àry izy sady tsy hita maso. Hoy ny 1 Timoty 1:17: “Mpanjakan’ny mandrakizay [izy ary] tsy mety lo sady tsy hita maso.” Hoy koa ny Baiboly: “Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy.”—1 Jaona 4:12.

Ambony lavitra noho isika ny Mpamorona, ka tsy azontsika an-tsaina akory hoe hoatran’ny ahoana izy. Hoy ny Isaia 40:18: “Iza no azonareo ampitovina amin’Andriamanitra, ary inona no azonareo ampitovina aminy?” Na ny lanitra feno kintana aza tsy misy dikany raha ampitahaina amin’ilay Mahery Indrindra.—Isaia 40:22, 26.

Misy zavaboary afaka mahita azy sy miresaka aminy anefa. Fanahy koa mantsy izy ireny ary mipetraka any an-danitra. (1 Mpanjaka 22:21; Hebreo 1:7) Hoy i Jesosy Kristy momba an’ireny zavaboary mahery antsoina hoe anjely ireny: ‘Mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko any an-danitra izy ireo.’—Matio 18:10.

 Eny rehetra eny ve Andriamanitra?

“Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra.’ ”—Matio 6:9.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy milaza ny Baiboly hoe hery fotsiny Andriamanitra ka hoe eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra. Hita amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:9 sy 18:10 kosa fa tena misy Andriamanitra, na ny ‘Ray’, ary any an-danitra no ‘fonenany.’1 Mpanjaka 8:43.

Hoy i Jesosy talohan’ny nahafatesany: “Hiala amin’izao tontolo izao aho, ka ho any amin’ny Ray.” (Jaona 16:28) Lasa fanahy i Kristy rehefa natsangana tamin’ny maty, ary nakarina tany an-danitra “mba hisehoany ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra.”Hebreo 9:24.

Tena zava-dehibe izany. Afaka mianatra momba an’Andriamanitra mantsy isika, sady afaka mifandray akaiky aminy, rehefa fantatsika fa tena misy izy. (Jakoba 4:8) Tsy hivavaka amin’ny sary na zavatra tsy mananaina koa isika, rehefa mahalala ny marina momba an’Andriamanitra. Hoy ny 1 Jaona 5:21: “Ry zanako malalako, mitandrema ianareo amin’ny sampy.”

Inona no dikan’ny hoe noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona?

“Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.”—Genesisy 1:27.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Afaka manahaka ny toetrany isika, anisan’izany ny fitiavana sy ny fitiavana ny rariny ary ny fahendrena. Hoy ny Baiboly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.”—Efesianina 5:1, 2.

Navelan’Andriamanitra hifidy ny hanao ny tsara isika fa tsy ny ratsy, ary afaka maneho fitiavana amin’ny fomba samihafa. (1 Korintianina 13:4-7) Afaka mamoron-javatra sy mankafy zavatra tsara koa isika ary talanjona amin’ny tontolo kanto manodidina antsika. Ankoatra izany, dia noforonina ho tia mianatra momba ny Mpamorona sy ny sitrapony momba antsika isika.—Matio 5:3.

Inona no soa ho azon’ireo mahalala ny marina? Hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fomba fiainany, rehefa mahalala azy bebe kokoa sy manahaka azy. Vao mainka izy ho faly sy tena ho afa-po amin’ny fiainana ary hiadan-tsaina. (Isaia 48:17, 18) Fantatr’Andriamanitra fa olona tso-po maro no hanatona azy noho ireo toetrany mahate ho tia, ka ho afaka hiaina mandrakizay.—Jaona 6:44; 17:3.