Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Jesosy

Jesosy

Andriamanitra ve i Jesosy?

“Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.”—Jaona 1:18.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mino fa tsy Andriamanitra i Jesosy. Misy koa anefa mihevitra hoe Andriamanitra izy, sady lazain’izy ireo fa manaporofo izany ny Baiboly.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy milaza ny Baiboly hoe Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy, na koa hoe mitovy fahefana aminy. Lazaina ao aza fa ambany i Jesosy raha oharina amin’Andriamanitra. I Jesosy mihitsy, ohatra, no niteny hoe: “Ny Ray dia lehibe noho izaho.” (Jaona 14:28) Hoy koa ny Baiboly: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” (Jaona 1:18) Tsy Andriamanitra àry i Jesosy satria betsaka no nahita azy.

Tsy nisy nilaza koa ny mpianatr’i Jesosy fahiny hoe izy no Andriamanitra. Izao aza no notenenin’ny apostoly Jaona momba ny Filazantsara: ‘Nosoratana ireo mba hinoanareo fa i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.’—Jaona 20:31. *

 Oviana i Jesosy no teraka?

‘Nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny.’—Lioka 2:8.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Manao Krismasy isaky ny 25 Desambra ny olona sasany satria io, hono, ny daty nahaterahan’i Jesosy. Misy koa mankalaza azy io rehefa voalohandohan’ny Janoary.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy manonona ny daty nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly. Lazainy kosa anefa fa nisy ‘mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha’ tamin’ilay alina nahaterahany, ka ‘niambina ny andian’ondry.’ (Lioka 2:8) Tsy ho nijanona alina tany an-tsaha anefa izy ireo, raha volana Desambra na Janoary tamin’izay. Nahoana?

Rehefa Desambra sy Janoary no tena mangatsiaka be any amin’ny toerana nahaterahan’i Jesosy. Milaza aza ny Baiboly fa ‘nangovitra ny olona.’ (Ezra 10:9, 13; Jeremia 36:22) Azo antoka àry fa tsy “nitoetra tany an-tsaha” ny mpiandry ondry tamin’ireo volana ireo.

Natsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy?

‘Nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty Andriamanitra.’—Asan’ny Apostoly 3:15.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy mihevitra fa tsy azo atsangana intsony ny maty. Tsy eken’izy ireo àry hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesosy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany fa hisy ‘hampijaly izy ka hovonoina ho faty ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.’ (Matio 16:21) Tantarain’ny Baiboly fa rehefa nitsangana tamin’ny maty izy, dia niseho tamin’ny olona 500 mahery. (1 Korintianina 15:6) Tsy nisalasala mihitsy ireo olona ireo hoe natsangana tokoa i Jesosy. Naleon’izy ireo aza maty toy izay handa an’izany.—Asan’ny Apostoly 7:51-60; 12:1, 2.

ILAINA FANTARINA IZANY

Ampianarin’ny Baiboly fa afaka ny hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona, noho i Jesosy namoy ny ainy ka natsangana tamin’ny maty. (Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 21:3, 4) Ho sambatra isika amin’izay, ary hiaina mandrakizay. Tena tia antsika tokoa i Jesosy sy ny Rainy, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.—Jaona 3:16; Romanina 6:23.

^ feh. 7 Tsy manana vady ara-bakiteny akory Andriamanitra ka hoe niteraka izy ireo. Antsoina hoe “Zanak’Andriamanitra” kosa i Jesosy, satria i Jehovah no namorona azy mivantana ary mitovy toetra izy mianaka.