Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Herin’ny Maizina

Herin’ny Maizina

Tsy mety ve ny mifandray amin’ny olona efa maty?

‘Aza mila hevitra amin’ny mpamoha angatra, sao hanjary ho voaloton’ireny ianareo.’—Levitikosy 19:31.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Te hahazo antoka ny olona sasany fa tsy mijaly ny havany na ny namany efa maty. Mieritreritra àry izy hoe: ‘Maninona moa aho raha mankany amin’ny mpanao sikidy? Amin’izay mba milamina ny saiko, dia mahay mionona aho.’

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Fanaon’ny olona fahiny ny mifandray amin’ny maty. Mazava be anefa izay lazain’ny Baiboly momba izany. Izao, ohatra, ny didy nomena ny Israelita: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mankany amin’ny mpamoha angatra na manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’ (Deoteronomia 18:10-12) Milaza koa ny Baiboly fa “tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra” izay mampiasa herin’ny maizina.—Galatianina 5:19-21.

Afaka mitahy na mampijaly ny velona ve ny maty?

“Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”—Mpitoriteny 9:5.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mihevitra fa mbola velona any ho any ny maty. Te hiantso an’ireny maty ireny àry izy ireo, mba hanontaniany zavatra. Misy koa te hampitony ny maty sao, hono, izy ireny manangatra.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona. Efa foana koa ny fitiavany, ny fankahalany, ny fialonany’, sy izay rehetra tsapany tamin’izy velona. (Mpitoriteny 9:5, 6) Rehefa maty àry ny olona iray dia maty. Tsy afaka mieritreritra na manao zavatra intsony izy. Tsy afaka manompo an’Andriamanitra intsony koa aza izy. Hoy ny Salamo 115:17: ‘Tsy midera an’Andriamanitra ny maty.’

Tsy mba misy marina ihany ve ny tenin’ny mpanao sikidy?

“Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?” —Isaia 8:19.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy mihevitra fa vitan’ny mpanao sikidy ny mamantatra zavatra, izay tsy misy mahalala afa-tsy ilay maty sy ny fianakaviany na ny namany ihany.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Nanome lalàna Andriamanitra hoe tsy azo atao ny mankany amin’ny mpisikidy. Mbola nankany ihany anefa i Saoly Mpanjaka, araka ny 1 Samoela toko faha-28. Afaka niresaka tamin’i Samoela mpaminany efa maty, hono, ilay mpisikidy. I Samoela tokoa ve anefa no niresaka taminy? Tsia! Fanahy mody niseho hoe Samoela fotsiny ilay izy.

Tsy iza io fanahy io fa anjely ratsy irak’i Satana, ilay “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Nahoana ny anjely ratsy na demonia, no te hampino ny olona hoe mbola velona ny maty? Te hanaratsy an’Andriamanitra izy ireo, sady te hilaza hoe diso ny Baiboly.—2 Timoty 3:16.

Rehefa maty ve izany ny olona, dia tsy misy azo antenaina intsony ny aminy? Tsy izany mihitsy. Milaza ny Baiboly fa toy ny “matory” ny maty, ka mbola hatsangana. * (Jaona 11:11-13; Asan’ny Apostoly 24:15) Mampahery koa ny mahalala hoe tsy mijaly ny havantsika na namantsika efa maty.

^ feh. 16 Izao no lohatenin’ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?: “Fanantenana Azo Antoka Momba Ireo Havanao efa Maty.”