Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Ampiasao Tsara ny Fotoana

Ampiasao Tsara ny Fotoana

“Tena tsy ampy ny fotoanako!” Efa impiry ianao no niteny an’izany? Mitovy daholo anefa ny fotoana ananan’ny olona rehetra na mahantra izy na manankarena, sady tsy misy afaka manangona ny fotoanany. Raha vao lasa ny fotoana iray, dia tsy miverina intsony iny mandrakizay. Hendry àry isika raha mampiasa tsara ny fotoana ananantsika. Ahoana no hanaovana izany? Ireto misy hevitra efatra efa nanampy olona maro.

Hevitra 1: Alamino Tsara Izay Hatao

Diniho izay zava-dehibe. ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa’, hoy ny Baiboly. (Filipianina 1:10) Ataovy lisitra izay maika sady tena ilaina. Tadidio anefa fa tsy voatery hoe maika izay zavatra tena ilaina. Zava-dehibe, ohatra, ny mahandro sakafo, nefa mety hoe afaka miandry kely. Ary mety ho maika hijery tele koa ianao satria mandeha ny fandaharana tianao, saingy tsy voatery hoe zava-dehibe izany. *

Mahaiza mandamina mialoha. Hoy ny Mpitoriteny 10:10: “Raha dombo ny famaky nefa tsy rangitina, dia ho be kokoa ny hery tsy maintsy ampiasaina. Koa misy tombony ny fahendrena rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy.” Rangito àry ny famaky alohan’ny hiasana, izany hoe alamino aloha ny fomba hamitanao an’izay hataonao. Aza atao izay tsy tena ilaina, sao mandreraka sy mandany fotoana fotsiny. Tonga dia ataovy ny manaraka raha vita aloha ny asanao sasany. Hahavita zavatra be kokoa ianao, raha mahay mandamina tsara.

Aza hasarotina ny fiainana. Ho reraka fotsiny ianao sady ho sorena be raha enjehinao daholo izao rehetra izao. Ajanòny àry izay tsy dia ilaina.

Hevitra 2: Aza Lanilanina ny Fotoana

Aza mangataka andro ary aza misalasala. “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” (Mpitoriteny 11:4) Hita eo fa tsy mety ny mangataka andro, satria ny fotoana mandeha ihany nefa ny asa tsy vita. Tsy hahavita hamafy na hijinja mihitsy, ohatra, ny mpamboly raha miandry ny andro ho tsara be vao hanao zavatra. Tsy hanapa-kevitra mihitsy koa ianao, raha miandry hoe azonao antoka sy fantatrao daholo ny tsipirian-javatra rehetra. Marina fa mila mikaroka sy mandinika tsara ianao rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Milaza mantsy ny Ohabolana 14:15 fa ‘ny malina mandinika ny diany.’ Matetika anefa no mila manapa-kevitra ianao, na dia tsy azonao antoka aza hoe hety ilay izy.—Mpitoriteny 11:6.

Aza mitady ny tonga lafatra. Hoy ny Jakoba 3:17: ‘Ny fahendrena avy any ambony [avy amin’Andriamanitra] dia mahay mandanjalanja.’ Mahafinaritra ny hoe te hanao zavatra tena tsara. Indraindray anefa isika te hanao zavatra tsara loatra, ka diso fanantenana fotsiny avy eo. Ny olona mianatra fiteny vahiny, ohatra, tsy maintsy manam-po hoe hanao diso, ary manampy azy izany mba tsy hamerina an’izay tsy nety. Raha matahotra ny hanao diso anefa izy ka tsy miteny mihitsy, dia tsy hivoatra. “Izay manetry tena kosa no hendry”, hoy Ohabolana 11:2. Tsara àry ny tsy manantena ny tonga lafatra foana! Sady izay manetry tena koa tsy manamelo-tena be rehefa manao diso, fa mihomehy fotsiny.

“Tsy vola no tena ividiananao zavatra fa ny fotoana laninao nahazoana an’iny.”—Inona no Hatao Mandritra ny Androm-piainana? (anglisy)

Hevitra 3: Mahaiza Mandanjalanja

Ampifandanjao ny asa sy fialam-boly. “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Tsy mba miala sasatra ny olona andevozin’ny asa. Manao “asa mafy eran-tanan-droa” izy, nefa tsy mankafy ny vokatr’izany satria reraka loatra. Ny kamo indray tsy miasa fa aleony fialan-tsasatra “eran-tanan-droa”, ka lanilany fotsiny ny fotoanany. Milaza anefa ny Baiboly fa ilaina ny mandanjalanja, izany hoe miasa mafy ary mifaly amin’ny vokatr’izany. “Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 5:19.

Manaova ampy torimaso. “Handry sy hatory amim-piadanana aho”, hoy ny mpanoratra Baiboly. (Salamo 4:8) Mila matory adiny valo isan’alina ny olon-dehibe, mba ho salama tsara ny vatany sy ny sainy ary ny fony. Tsy hoe very fotsiny ny fotoana atoriana. Mora mifantoka sy mahatadidy zavatra ny olona ampy torimaso, ka lasa mahay kokoa. Ireo tsy ampy torimaso kosa votsa saina kokoa, ka mora manao diso sy manimba zavatra ary kizitina.

Tanjona azo tratrarina eritreretina. “Aleo mifaly amin’izay hitan’ny maso toy izay avezivezin’ny faniriana.” (Mpitoriteny 6:9) Ahoana izany? Mifehy tena ny hendry, fa tsy mitady hahazo an’izay rehetra iriny, indrindra raha zavatra efa hita hoe tsy ho azo. Tsy mora mitrosa na sodokan’ny dokam-barotra àry izy. ‘Izay hitan’ny masony’, na izay azony tratrarina ihany no ifaliany.

Hevitra 4: Mitadiava Tari-dalana Tsara

Diniho izay itondranao ny fiainanao. Miankina amin’ny fomba itondrana ny fivoy no andehanan’ny lakana. Toy izany koa, miankina amin’izay tari-dalana arahinao ny fandehan’ny fiainanao. Raha manana tari-dalana tsara ianao, dia zavatra mahasoa sy tena ilaina no ifantohanao. Miankina amin’izany koa ny fomba ampiasanao ny fotoananao, isan’andro isan’andro, ary isan’ora isan’ora mihitsy aza. Aiza anefa no hahitana tari-dalana tsara? Ao amin’ny Baiboly.—Ohabolana 2:6, 7.

Fitiavana no ataovy loha laharana. “Fatorana mampiray tonga lafatra” ny fitiavana, hoy ny Kolosianina 3:14. Raha tsy misy ny fitiavana, indrindra ao an-tokantrano, dia tsy ho sambatra isika fa harary fo foana. Izay tsy miraharaha an’izany ka tsy manao afa-tsy miasa sy mitady vola, dia mitady fahoriana ho an’ny tenany. Izany no mahatonga ny Baiboly hanasongadina ny fitiavana, ka hiresaka azy io imbetsaka.—1 Korintianina 13:1-3; 1 Jaona 4:8.

Manokàna fotoana hianarana Baiboly. Mpitsabo mpanampy ny lehilahy atao hoe Geoff. Tsara karama izy, ary tena tia azy ny vady aman-janany sy ny namany. Matetika mahita olona mijaly sy maty anefa izy rehefa miasa, ka nieritreritra hoe: ‘Tsy maintsy hoatr’izao ve ny fiainana?’ Namaky bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy indray andro, ka nahita ny valiny.

Noresahiny tamin’ny vady aman-janany izany ary nahaliana azy ireo. Niara-nianatra Baiboly àry izy mianakavy ka lasa sambatra sy nahay nampiasa kokoa ny fotoanany. Lasa manantena koa izy ireo hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo tsy misy fijaliana intsony.—Apokalypsy 21:3, 4.

Vao mainka izany manamarina an’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Vonona mba hanokana fotoana kely hianarana momba an’Andriamanitra àry ve ianao? Izany no hanome anao fahendrena mba hampiasanao tsara ny fotoananao isan’andro sy ny fiainanao manontolo mihitsy.

^ feh. 5 Jereo ilay hoe “Fomba 20 Andaminana Fotoana”, ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2010.