Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-mahagaga ny Ranomaso

Zava-mahagaga ny Ranomaso

AZO lazaina hoe manomboka amin’ny ranomaso ny fiainantsika, satria vao teraka isika dia mitomany. Rehefa mba te hokarakaraina na mila tambitamby koa ny zazakely, dia mitomany satria mbola tsy mahay miteny. Nahoana anefa ny olon-dehibe no mbola mitomany ihany?

Maro ny antony mampirotsaka ny ranomaso. Misy, ohatra, mitomany rehefa malahelo na tsy afa-manoatra na rera-tsaina na koa marary. Misy koa ny ranomasom-pifaliana. Faly loatra angamba isika satria afaka izay nanahirana antsika, na koa vitantsika ihany izay zavatra niezahantsika mafy. Mamindra koa anefa ny ranomaso. Hoy i María: “Vao mahita olona mitomany aho, na inona na inona antony, dia tsy voatanako koa ny ranomasoko.” Indraindray aza zavatra tsy misy akory fa tantara amin’ny boky na filma, dia efa mampitomany ny olona sasany.

Mahalaza zavatra be ny tomany. Hoy ilay boky hoe Ranomason’olon-dehibe (anglisy): “Fihetsika kely ao anatin’ny fotoana fohy ilay izy, nefa mampita hevitra maro.” Tena misy vokany amin’ny hafa koa ny ranomaso. Ianao ve, ohatra, dia tsy hihontsina mihitsy raha mahita olona mitomany satria malahelo? Azo inoana fa te hanambitamby sy hanampy azy ianao, satria fantatrao fa mijaly izy.

Misy manam-pahaizana milaza fa ilaina ny mitomany mba hampivoaka ny fihetseham-po, ary raha tazonina foana ny ranomaso dia mety hankarary. Misy kosa milaza fa mbola tsy voaporofo ara-tsiansa hoe mahasalama tokoa ny mitomany. Hita anefa fa 85 isan-jaton’ny vehivavy ary 73 isan-jaton’ny lehilahy, no nilaza fa maivamaivana rehefa avy nitomany. Hoy i Noemí: “Tsapako indraindray hoe mila mitomany mihitsy aho. Misento be aho aorian’izay, ary afaka mandinika tsara izay tokony hatao.”

Ny 85 isan-jaton’ny vehivavy ary 73 isan-jaton’ny lehilahy, no nilaza fa maivamaivana rehefa avy nitomany

Tsy ny mitomany fotsiny anefa no mampitony ny fo, fa ny ataon’ny olona amintsika  koa. Maivamaivana, ohatra, isika rehefa mitomany ka mba misy manambitamby na manampy. Raha tsy izay kosa, dia lasa menatra isika na mahatsiaro ho tsy misy miraharaha.

Mbola betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba ny ranomaso. Ny fantatsika dia hoe anisan’ny zavatra mahavariana nataon’Andriamanitra izy io, amin’izay mba mivoaka ny fihetseham-pontsika, arakaraka izay mahazo antsika.