Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fanavakavaham-bolon-koditra

Fanavakavaham-bolon-koditra

Ahoana no nampisy ny firazanana samihafa?

“Nataon’i Adama hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.” —Genesisy 3:20.

IZAY LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA

Milaza ny UNESCO fa “iray ihany ny razambe niandohan’ny olon-drehetra, ary iray karazana avokoa izy rehetra.”—Fanambarana Manohitra ny Fanavakavaham-bolon-koditra, 1978.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Olona roa no noforonin’Andriamanitra, dia i Adama sy Eva. Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha. Mamenoa ny tany, ka anjakao izy io.’ (Genesisy 1:28) Izy mivady àry no ray aman-drenin’ny olombelona rehetra. Nisy safodrano teto an-tany tatỳ aoriana, ka maty daholo ny olona, afa-tsy mpivady efatra: I Noa sy ny vadiny, ary ny zanany telo lahy mbamin’ny vadin’izy ireo avy. Milaza ny Baiboly fa avy tamin’ireo zanak’i Noa ireo avokoa isika rehetra.—Genesisy 9:18, 19.

 Misy firazanana ambony kokoa ve?

‘Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovan’Andriamanitra ny olona any amin’ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany manontolo.’—Asan’ny Apostoly 17:26.

IZAY LAZAIN’NY OLONA SASANY

Lasa nisy antokon’olona maromaro nanavakava-bolon-koditra, tamin’ny taonjato faha-20. Anisan’izany, ohatra, ny Nazia. Lazain’izy ireo fa ambony kokoa ny firazanany, ary voaporofo ara-tsiansa mihitsy, hono, izany. Mifanohitra amin’izany anefa ilay fanambaran’ny UNESCO tetsy aloha, izay milaza fa “mitovy firazanana ny olombelona rehetra satria iray ihany ny razambeny, ka noho izany dia mitovy izy ireo fa tsy misy ambony sy ambany.”

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Tsy misy afaka miteny àry hoe ambony kokoa ny firazanany.

Ahoana izany no tokony hiheveran’ny Kristianina ny olon-kafa? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.” (Matio 23:8) Nivavaka koa izy mba hiray saina izy ireo ka “ho iray tanteraka”, fa tsy hisara-bazana na hoe samy maka ho azy.—Jaona 17:20-23; 1 Korintianina 1:10.

Mbola ho foana ve ny fanavakavaham-bolon-koditra?

‘Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia ho mafy orina. Ary hitanjozotra ho any ny firenena rehetra.’—Isaia 2:2.

IZAY LAZAIN’NY OLONA SASANY

Mihevitra ny olona hoe tsy nahomby akory ny ezaka natao mba hanafoanana ny fanavakavaham-bolon-koditra. Misy aza mieritreritra fa tsy ho foana mihitsy izy io. Mbola misy adim-poko mantsy any amin’ny tany maro.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tsy hoe havelan’Andriamanitra hitohy mandrakizay akory ny fanavakavaham-bolon-koditra. Rehefa ny Fanjakany no hitondra ny tany, dia hiray saina sy tena hifankatia daholo ny olona avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apokalypsy 7:9) Tsy zavatra ao am-po fotsiny io Fanjakan’Andriamanitra io, fa tena fitondrana mihitsy, ary hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany. Ny fikasan’Andriamanitra mantsy dia hoe hiara-miaina eto an-tany ny karazan’olona rehetra, sady mitovy daholo fa tsy misy hoe ambony na ambany. *

^ feh. 15 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.