Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | AZA MAMOY FO!

Satria Mbola Misy Fanantenana

Satria Mbola Misy Fanantenana

‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—SALAMO 37:11.

Milaza ny Baiboly fa “mitebiteby lava” ny olombelona. (Joba 14:1) Samy manana ny zavatra mampahory azy ny tsirairay. Misy anefa kivy tanteraka satria mahatsapa fa tsy misy mangirana mihitsy ny fiainany, ka tsy manantena zavatra tsara intsony izy. Izany koa ve no tsapanao? Matokia fa manome fanantenana tena azo antoka ny Baiboly, ho anao sy ny olona rehetra. Ireto misy ohatra:

  • Fiainana tsara be no nokasain’i Jehovah Andriamanitra ho antsika.—Genesisy 1:28.

  • Mampanantena i Jehovah fa hataony paradisa ny tany.—Isaia 65:21-25.

  • Azo atokisana fa tsy maintsy ho tanteraka izany. Hoy mantsy ny Apokalypsy 21:3, 4:

    “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Tsy nofinofy fotsiny akory izany, fa efa izay mihitsy no kasain’i Jehovah hatao. Mahery izy ka vitany tsara izany, sady izy rahateo maniry hanao an’ilay izy. Tena azo antoka ny fampanantenana omen’ny Baiboly ho an’ny olona rehetra. Mahereza àry fa aza mamoy fo!

TADIDIO IZAO: Na toy ny sambo eny ambony ranomasina misamboaravoara aza ny fihetseham-ponao, dia toy ny vatofantsika azonao ifikirana ny fanantenana omen’ny Baiboly.

IZAO ATAO ANDROANY: Ezaho fantarina hoe inona no ampanantenain’ny Baiboly momba ny hoavy. Vonona hanampy anao hahita izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka miresaka amin’izay Vavolombelona hitanao ianao, na koa miditra ao amin’ny www.pr418.com/mg. *

^ feh. 11 Andramo izao: Jereo ny www.pr418.com/mg, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > FITEHIRIZAM-BOKY. Tadiavo ao ny teny toy ny hoe “kivy” na “mamono tena”, dia hahita torohevitra tsara ianao.