Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Sary

Sary

Olona tso-po an-tapitrisany no mampiasa sary rehefa mivavaka. Mety ve izany raha ny Baiboly no jerena? Ankasitrahan’Andriamanitra ve izany?

Nivavaka tamin’ny sary ve ny Jiosy tamin’ny andron’ny Baiboly?

“Aza manao sary sokitra ho anao, na bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any anaty rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehan’ireny, na manaiky ho voatarika hanompo azy.”—Eksodosy 20:4, 5.

Averina imbetsaka ao amin’ny Soratra Hebreo, na Testamenta Taloha, fa tsy mety ny mivavaka amin’ny sary

IZAY LAZAIN’NY BOKY SASANY

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): ‘Nampiasa sary be dia be ny Jiosy rehefa nivavaka, ary nomena voninahitra sy nivavahana izy ireny.’ Ohatra amin’izany, hono, ireo sary sokitra voankazo sy voninkazo ary biby, izay nandravaka ny tempoly tao Jerosalema.—1 Mpanjaka 6:18; 7:36.

FANTARO IZAO

Tsy nivavaka tamin’ny sary natao haingon’ny tempoly mihitsy ireo Jiosy tsy nivadika fahiny. Raha ny marina aza, dia tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nisy tamin’ireny Jiosy tsy nivadika ireny nampiasa sary rehefa hivavaka.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Hoy Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa, ary ny fiderana ahy tsy homeko ho an’ny sary sokitra.”—Isaia 42:8.

Nampiasa sary ve ny Kristianina voalohany rehefa nivavaka?

‘Inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Aza mikasika intsony izay maloto.’ —2 Korintianina 6:16, 17.

“Azo inoana fa naharikoriko an’ireo Kristianina voalohany izany hoe hametraka sary tao am-piangonana izany. Koa mainka moa fa hoe hiankohoka na hivavaka eo anoloan’ireny! Hoatran’ny nanompo sampy ihany izany tamin’izy ireo.”—Tantaran’ny Fivavahana Kristianina, anglisy

IZAY LAZAIN’NY BOKY SASANY

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: ‘Tsy isalasalana mihitsy hoe nampiasa sary ny Kristianina voalohany rehefa nivavaka. Porofon’izany ireo fasana ambanin’ny tany nandevenana an’ireo Kristianina taloha. Feno sary masina izy ireny, ka lasa zavakanto mihitsy. Na ny sarin’ny olona amin’ny angano aza hita ao.’ *

FANTARO IZAO

Ny tranainy indrindra amin’ny sary any amin’ireny fasana ambanin’ny tany ireny, dia tamin’ny taonjato fahatelo, na 200 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Midika izany fa tsy ireo tena Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nanao azy ireny, izany hoe tsy ireo Kristianina tantaraina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao. Nahoana àry no misy an’ireny sary ireny any amin’ireo fasana ambanin’ny tany ireo? Satria tamin’ny taonjato fahatelo dia nisy olona nilaza fa Kristianina nefa nanaraka ny fanaon’ny mpanompo sampy, ka nampiasa sary rehefa nivavaka. Mba hitarihana an’ireo mpanompo sampy ho lasa Kristianina angamba no anton’izany. *

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Andosiro ny fanompoan-tsampy.”—1 Korintianina 10:14.

Ahoana raha tsy ivavahana ilay izy fa natao hanampy fotsiny?

“Mitandrema ianareo amin’ny sampy.” —1 Jaona 5:21.

Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe tokony hivavahana ny sary. Tsy mivavaka amin’ny sary àry ny Vavolombelon’i Jehovah, sady tsy manisy sary masina ao an-tranony na any amin’ny toerana fivavahany

IZAY LAZAIN’NY BOKY SASANY

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: ‘Rehefa mivavaka eo anoloan’ny sary masina ianao, dia tonga any amin’Andriamanitra ny vavaka ataonao, satria mampiseho an’Andriamanitra ilay sary. Azonao atao eo anoloan’ny sary masina àry ny vavaka tianao hatolotra an’Andriamanitra.’

FANTARO IZAO

Rehefa nampianatra ny mpianany mba hivavaka i Jesosy, dia tsy niteny mihitsy hoe mampiasà sary. Tsy hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina akory ny hoe tokony hampiasa sary isika rehefa hivavaka amin’ilay tena Andriamanitra.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”—Matio 4:10.

^ feh. 13 Tafiditra amin’ny hoe sary, ato amin’ity lahatsoratra ity, ny sarivongana, sary sokitra, sary hoso-doko, sy izay zavatra ampiasaina mba hivavahana.

^ feh. 14 Efa fombafomban’ny olona maro fahiny ny nampiasa sary rehefa nivavaka. Nanao an’izany, ohatra, ny Ejipsianina, Grika, ary ny Karàna.