Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | IZA NO TENA TAFITA AMIN’NY FIAINANA?

Ahoana Izany hoe Tafita Izany Aminao?

Ahoana Izany hoe Tafita Izany Aminao?

Diniho ireto ohatra ireto.

Iza aminao no tena hoe tafita?

  • RIVO

    Manana orinasa i Rivo. Manao ny marina izy sady mazoto miasa ary mahalala fomba. Mandroso tsara ny orinasany, ka manana ny ampy izy mianakavy.

  • NARY

    Manana orinasa mitovy amin’ny an’i Rivo koa i Nary, saingy manam-bola kokoa. Matahotra ny ho resin’i Rivo anefa izy, ka mamono tena miasa be. Lasa voan’ny aretina isan-karazany àry izy.

  • ANJA

    Mpianatra mahay i Anja. Tia mianatra izy sady tena mazoto, ka mahazo naoty tsara foana.

  • MEVA

    Mahazo naoty ambony kokoa noho i Anja i Meva, ary matetika izy no voalohany ao am-pianarana. Tsy tena tia mianatra akory anefa izy fa mifraody foana.

Raha milaza ianao hoe i Nary sy Meva no tena tafita, na samy tafita izy efatra, dia midika izany fa ny vokatra azon’izy ireo no jerenao fa tsy mampaninona anao izay nataony mba hahatongavana amin’izany.

Raha milaza kosa ianao hoe i Rivo sy Anja no tena tafita, dia midika izany fa ny toetrany sy ny fahazotoany no itsaranao azy, ary ara-dalàna izany. Diniho, ohatra, izao:

  • Inona no tena hahasoa an’i Anja amin’ny hoavy: Izy mahazo naoty tsara foana, sa izy tia mianatra?

  • Inona no hahasoa ny zanak’i Rivo: Manana dada mahavidy an’izay tian’izy ireo, sa manana dada manokana fotoana hiarahana amin-dry zareo?

Tadidio àry hoe: Tsy dia misy dikany loatra ny hoe tafita, raha tsy tsara toetra akory ianao.