Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gidro Kely Be Maso

Gidro Kely Be Maso

IANAO ve efa nahita gidro kely be maso? Misy miteny hoe mahafatifaty kely ilay izy, nefa misy koa milaza hoe hafahafa ny paoziny. Mahia kely mantsy ny tongony, nefa ny masony ngezabe sady mivandravandra be! Ny volony kosa malefaka rehefa safosafoina. Milanja 114 grama izy, ary 12,5 santimetatra ny halavany.

Misy karazany maro io gidro io, fa andao isika handinika an’ilay hita any Philippines. Ny vatany fotsiny no kely fa ny ankoatra an’izay ngezabe daholo: Ny masony, sofiny, feny, tongony, ary ny rambony. Na hoatran’ny hoe sampona kely aza anefa io biby io, dia misy zavatra tena mampiavaka azy.

MATSILO SOFINA: Manify kely hoatran’ny taratasy ny sofin’ilay gidro nefa afaka miforitra sy mitsotra ary mitodika any amin’izay tiany henoina. Henony na dia ny feo faran’izay iva aza. Tena manampy azy izany mba handositra ny fahavalony, toy ny sakadia. Ilainy koa izany rehefa mihaza ao anaty haizina. Vao mihetsika mantsy ny valala, vitsikazo, voangory, vorona, ary sahona, dia efa henony. Miala any amin’izay izy sy ny masobeny mba handrapaka an’ilay sakafony!

MAHAY MAMIKITRA: Efa natao hahay hamikitra amin’ny hazokely mihitsy ny tanan’ilay gidro kely. Misy marokoroko ny felatanany ka tsy mamotsotra mihitsy. Ary ahoana no ataony rehefa matory eny ambony hazo, mba tsy hilatsaka? Lava be ny rambony sady mbola misy marokoroko koa, ka iny no mitazona azy tsy hianjera mandra-pifohany.

MAHIRATRA: Hafa raha samy biby mampinono ity gidro kely ity, satria ny masony indray no ngeza noho ny atidohany! Tsy afaka mijery misompirana ny masony, fa tsy maintsy mahitsy foana. Tsy tena olana loatra anefa izany ho azy satria afaka mihodina be ny tendany, na miankavia izany na miankavanana.

KINGA BE: Lava fe be ilay gidro ka afaka mitsambikina hatreny amin’ny enina metatra. Efa ho avo efapolo heny amin’ny halavany izany! Amin’ny alina matetika no mihaza ity gidro ity. Mailaka erỳ anefa izy misambotra bibikely, sady tsy diso mihitsy fa tonga dia mahazo!

Mora maty ilay gidro kely raha ompiana. Tsy tiany mantsy ny tazontazonina amin’ny tanana. Izy koa mila mihaza bibikely mba hatao sakafo. Tena tian’ny olona any Philippines anefa io gidro kely mahafatifaty io. Mahagaga daholo ny momba azy rehefa tena dinihina.