Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba ny Fifandraisan’ny Olona

Maresaka Momba ny Fifandraisan’ny Olona

Ao amin’ny Baiboly ve no jerenao voalohany rehefa hitady torohevitra momba ny fifandraisana amin’ny olona ianao, sa ao no jerenao farany? Andeha hampitahaintsika amin’ny torohevitra ao ny voka-pikarohana vao haingana.

Inde

Hita tamin’ny fanadihadiana tamin’ny 2014 fa ny 61 isan-jaton’ny tanora 18-25 taona no mino hoe “tsy olana be any Inde intsony” ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Nilaza ny dokotera iray any Mumbai, tao amin’ny gazety Hindustan Times, fa “mety tsy hieritreritra fanambadiana ny tanora rehefa miaraka. Mety tsy ho ao an-tsain’izy ireo mihitsy ny hivady ara-dalàna, na miaraka indray alina izy ireo na manao tokantranomaso.”

ERITRERETO IZAO: Iza no tena tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana sy ny ratram-po: Izay manao firaisana alohan’ny fanambadiana sa izay manao firaisana aorian’ny fanambadiana?—1 Korintianina 6:18.

Danemark

Ny olona miady lava amin’ny fianakaviany no atahorana kokoa ho faty, rehefa eo anelanelan’ny 35 sy 50 taona. Nisy mpikaroka tao amin’ny Oniversiten’i Copenhague nanara-maso olona efa ho 10000, nandritra ny 11 taona. Hita fa tena natahorana ho faty aloha be ireo niady lava tamin’ny olona akaiky azy, raha noharina tamin’ireo tsy dia nanao an’izany. Milaza ny iray amin’ireo mpikaroka fa “tena ilaina” ny mandresy ny fanahiana sy mandanjalanja ny zavatra atao ary mandamina ny tsy fifanarahana, “raha tiana hihena ny isan’ireo maty aloha be.”

HOY NY BAIBOLY: “Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany, ary tony ny olona mahay manavaka.”—Ohabolana 17:27.

Etazonia

Vao haingana izay, dia nisy fanadihadiana natao tamin’ny mpivady vao niisa 564, tany Louisiane. Hita fa atahorana kokoa hifampisintaka ny mpivady mandritra ny dimy taona voalohany amin’ny fanambadiany, raha efa nisaraka imbetsaka izy ireo tamin’ny vao niaraka. Mora miady koa izy ireo ary mety tsy hahatsiaro ho sambatra.

HOY NY BAIBOLY: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.