Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HISOROHANA ARETINA?

Arovy ny Tenanao

Arovy ny Tenanao

NISY manda niaro azy ny tanàna maro fahiny. Notandindomin-doza ilay tanàna manontolo raha voagorobaky ny fahavalo ilay manda, na dia kely fotsiny aza. Hoatran’ny tanàna mimanda ny vatanao. Mila ataonao matanjaka tsara ny manda miaro azy io, raha tianao ny ho salama. Diniho ireto zavatra dimy mety hankarary ireto sy izay azonao atao mba hiarovan-tena:

1 RANO

OLANA: Ho tafiditra ao amin’ny vatanao ny otrikaretina raha maloto ny rano sotroinao.

FIAROVAN-TENA: Arovy amin’ny loto ny fitoeran-drano. Raha fantatrao na ahiahinao hoe voaloto ny fitoeran-dranonao, dia aza sotroina na iborosiana nify ilay rano. Azonao atao koa anefa ny manao izay hampahadio indray an’ilay rano. * Asio sarony ny zavatra fitehirizanao rano fisotro. Aza tsabahina ny fitoeran-drano fa asio raobine, na mampiasà zinga madio rehefa manovo rano. Aza atao eny akaikin’ny lavadrano na paompy ny kabine mba tsy ho voaloto ny rano.

2 SAKAFO

OLANA: Mety hisy mikraoba ny sakafonao.

FIAROVAN-TENA: Mety ho efa misy mikraoba ny sakafo, nefa hoatran’ny mbola tsara sy mahasalama ny fahitana azy. Sasao foana àry ny voankazo sy ny legioma. Ataovy madio tsara ny tananao sy ny fitaovana fikarakarana sakafo ary ny latabatra ao an-dakozia, rehefa mikarakara na mandroso sakafo ianao. Tsy maintsy andrahoina elaela ny sakafo sasany, mba hahafaty an’ireo mikraoba mankarary. Tandremo ny sakafo efa miova loko na masiso na efa ratsy tsiro, satria efa feno mikraoba izy ireny. Tehirizo avy hatrany ao anaty vata fampangatsiahana izay sakafo tsy hohaninao. Aza mikarakara sakafo rehefa marary. *

3 BIBIKELY

OLANA: Misy otrikaretina mety hankarary anao ao anatin’ny bibikely sasany.

FIAROVAN-TENA: Raha be moka na bibikely hafa mpamindra aretina eny an-tokotany, dia aza mandehandeha eny na manaova fitafiana maharo tsara ny vatanao toy ny akanjo lava tanana na pataloa lava. Matoria ao anaty lay misy fanafody miaro amin’ny bibikely, ary mampiasà fanafody mandroaka azy ireny. Esory izay zavatra misy rano mihandrona mba tsy hanatodizan’ny moka. *

4 BIBY

OLANA: Mety hankarary ny mikraoba ao amin’ny biby, na dia tsy mampaninona an’ilay biby aza izy ireny. Mety hidiran’ny mikraoba ny vatanao, raha voakaikitra na voarangotry ny biby ianao na nikasika taim-biby.

FIAROVAN-TENA: Ataon’ny olona sasany any an-tokotany ny biby fiompiny mba tsy hifampitankosina amin’izy ireo. Sasao amin’ny savony ny tananao rehefa avy nikasika biby, ary aza mikasika bibidia mihitsy. Raha voakaikitra na voarangotry ny biby ianao, dia sasao tsara ilay ratra ary manatòna dokotera. *

5 OLONA

OLANA:Mety ho tafiditry ny mikraoba ny vatanao raha misy olona mikohaka na mievina eo akaikinao. Mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora mantsy ny mikraoba. Mifindra amin’ny alalan’ny hoditra koa izy ireny, ohatra hoe rehefa mifamihina na mifandray tanana. Mety hisy mikraoba avy amin’ny olona ny hidim-baravarana, arofanina, telefaonina, telekomandy, efijery, klavie, sy ny sisa.

FIAROVAN-TENA: Tsy tsara, ohatra, ny mitambatra hareza, borosinify, na servieta. Aza mikasikasika ranoka avy amin’ny vatan’olon-kafa na biby, anisan’izany ny ra. Tsy mety koa ny mikasika zavatra misy ra. Sasao tsara ny tananao ary ataovy matetika izany fa mahasoa anao. Izany mantsy no fomba tsara indrindra hisakanana ny mikraoba tsy hiparitaka.

Raha azo atao, dia mijanòna ao an-trano rehefa marary. Milaza koa ny Foibe Miady Amin’ny Aretina any Etazonia hoe lamba na tanan’akanjo, fa tsy tanana, no tokony hanampenana ny vava rehefa mikohaka na mievina.

Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Tena marina izany satria betsaka ny aretina mahafaty ankehitriny. Nahoana àry raha mba manontany mpitsabo na mizaha fahasalamana? Toy ny hoe miafina amin’ny loza koa ianao raha mitandro fahadiovana. Arovy tsara àry ny tenanao, dia ho afaka hisoroka aretina ianao!

^ feh. 6 Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa azo atao, ohatra, ny mampiasa klaoro, mamono otrikaretina amin’ny alalan’ny tara-masoandro, manatantavana rano, na mampangotraka azy io.

^ feh. 9 Misy fanazavana momba ny sakafo azo antoka ao amin’ny Mifohaza! Jona 2012, pejy 3-9.

^ feh. 12 Miresaka ny fomba iarovana amin’ny tazomoka ny Mifohaza! Jolay 2015, pejy 14-15.

^ feh. 15 Mila manatona dokotera haingana ny olona iray raha voakaikitry ny biby misy poizina.